Mety mitranga eo amin’ny olombelona ny fifamaliana noho ny antony maro.
Mety hevitra tsy mitovy no antony, mety ho toetra tsy mifanaraka, fomba sy fihetsika avy amin’ny andaniny tsy ankasitrahan’ny ankilany.
Dia raikitra ny fampiakaram-peo. Samy manambara amin-katezerana ny fahasosorany.
Tsy mahadiso izany, kanefa tsy tokony hatao maharitra ary natao ho fifamelàna. Hoy manko ny Tenin’Andriamanitra hoe "Tezera fa aza manota"
Mila diovina ny fo
Fotoanany ankehitriny ny fanadiovana ifotony an.
Ny mpiray monina, na ny mpianakavy mifamaly dia vokatry ny tsy fikolokoloina ny maha-olona ao aminy, dia ny fanahiny. Nefa ny fanahintsika no maha-zanak’Andriamanitra antsika. Jesoa Kristy no nanambara marina izany amintsika.
Rehefa tsy aboraka manko io mahasorena io dia miandrona ao am-po (fanahy) indraindray ny ratra miafina. Indraindray hoy aho, satria raha mahay manintsana ireny fahasorenana ireny ianao, tsy misy tavela akory.
Raha mitoetra ao am-po anefa ny ratra, ka mahabe lonilony, dia ny fanambarana azy no azo itsaboana ny fery. Fa mila fahaizana koa io an !
Inona moa no fahaizana ilaina ?
Ambara izay tsy zaka, ary henoina tsara ny hevitry ny ankilany.
Samia manaiky hadisoana raha misy izany, samia mahay mamela.
Miara –mandray fepetra ny tsirairay mba tsy iverenan’ny fihetsika na fiteny na eritreritra tsy zakan’ny hafa.
Inona no mitranga raha tsy miteny mihitsy ?
Ha ! Tena tsy mety, raha tsy hoe efa nanintsana sy namela ilay tranga tsy tianao ianao. Raha tsy vita mangingina manko io famelana io, dia mamboly aretina. Aretin’ny fanahy.
Draidraidray ! Hevi-dratsy sy tsy mahasoa no mitsiry ao ! Mitandrema an !
Ka inona ary no atao ?
Mazotoa mivavaka, ary indrindra koa, mahereza mandray Tenin’Andriamanitra ao anaty Baiboly. Ny Tenin’Andriamanitra no sakafon’ny fanahy. Ny fanahy no maha-olona hoy ny Ntaolo malagasy.
Kolokoloy ary ny fanahinao, mba ho ny Tsara no hitoetra ao. Manaraka izay avy hatrany ny hevitry ny saina ary dia taratra amin’ny fihetsika sy ny fiteny avokoa izany.
Jesoa Kristy dia nilaza hoe raha nanota taminao ny rahalahinao dia antsoy izy ary mifampiresaha aminy. Izay no ilantsika fahaizana miresaka sy mifamela. Tsy misy fetra ny fifamelana, satria am-pitiavana no anaovanao izany.
Mahereza ary, mahaiza mifamela an ! izao dia izao :-)