samedi 22 décembre 2012

Ny fitsabahan’ny vahiny eto amintsika

Dia mitohy hatrany ny "krizy" eto Madagasikara. Teren-ko masaka sahala amin’ny voalobo-jaza ny fifidianana amin’ny 08 mey 2013. An-katoky ny faran’ny taona 2012 dia mampieritreritra ny toe-draharaha eto amin’ny firenena malagasy.
 

Iza no ao an-damosin’ny krizy ?
Samia mandinika isika, satria efa betsaka ny tantaram-pirenena hafa azontsika Malagasy dinihina. Dia ny atsy Afrika, tany voazanaka tahaka antsika. Ady tsy misy fiafarana (Côte d’Ivoire, Soudan, Mali, sns) miampy fandrobana harena, ary koa fanelanelanana iraisam-pirenena. Ny atsy amin’ny faritra atao hoe "Moyen – Orient  koa dia tsy misy valaka amin’izany : Irak, Syrie, Egypta, ary tsy resahina akory ny fifanolanana eo amin’i Israely sy Palestina. Gidragidra be efa amam-polo taonany….

Fantatra fa raha ny eto amintsika dia tena nisy ny krizy pôlitika, niainga tamin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena. Aza adinoina fa ry zareo ange no nanapaka ny famatsiam-bola tamin’ny septambra 2008 e ! Ny antony dia ny fifangaroan’ny volam-panjakana sy ny volan’ny orinasa fananan’ny Filoha Marc Ravalomanana. Ka ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena ireo dia lalina loatra ny hafetseny. Tsy nampoiziny hoe hiaka-tsehatra eo am-pitondrana Atoa Andry Rajoelina, fa saika natao fitaovana fotsiny hanilihana ilay Filoha teo aloha. Sarimihetsika fotsiny ireo fifanarahana samihafa teny Maputo, Addis-Abeba, sy ny hafa. Niafara tamin’ny Tondrozotra izany, satria mendimendy loatra ny fitondrana Tetezamita hahazo ity hoe « reconnaissance internationale ». Kanefa ange, na tsy nisy aza io « reconnaissance » io, moa va tsy nifandray tamin’ny firenena hafa i Madagasikara ? Tahaka an’i Chine, Turquie, Pakistan, Maurice, sns…

Raha ny fahitako ny toe-draharaha ankehitriny, dia hikatso indray ny firenena. Mifantoka amin’ny tsangan’olona (tsotsofin’ny hery iraisam-pirenena) kanefa ny tsangan-kevitra no ilaina, hanarenana sy hanorenana ny firenena. Ny ankoatr’izany dia rivotra sy zava-poana avokoa !

Andao hanorina e ! Andao hatsangana ny fokonolona tena izy !
Eny, araka ny efa nambarako dia ny fanorenana ifotony no vaha-olana. Tsy ireo "mpanao pôlitika" efa maloto ara-kevitra sy ara-pitondran-tena ireo no isaintsaina ny momba ny sarambaben’olombelona. Io sarambaben’olombelona io ihany no fokonolona afaka hanova zavatra. Tsotra kely no ilaina, ary ananantsika avokoa ny harena rehetra :

-          hamaroana : isika no maro an’isa fa tsy ireo milaza azy ho mpitondra,
-          fahefana : antsika ny fahefana fa tsy azy
-          hevitra : loa-bary an-dasy, hevitry ny maro mahataka-davitra… fa tsy basy vava fotsiny
-          sandry, saina, fahalalana
-          finiavana, fahavononana, firotsahana an-tsehatra
-          famoronana mahasoa…

Izay no isintonana ny saintsika anio, ary dia misaotra anao mandinika ireo hevitra notsongaina ireo. Antsika Malagasy fokonolona ny Fanahy maha-olona. Mifampivavaha, mba hiroso amin’ny fahavononana tokoa isika, ry ireto â !

Miala tsiny amin’ny lahateny fohifohy, voatery nafohezina satria tsy afaka miserasera matetika eto toy ny tamin’ny 2011 ny tenako. Kanefa dia mirary soa hatrany ho anao izay mahavatra mitsidika etoana. Misaotra indrindra koa mifampizara hevitra eto.