mardi 1 décembre 2015

AMBATONAMELANKAFATRA : tosika ho an’ny Tantara an-tsary Malagasy !



AMBATONAMELANKAFATRA
Tahala Rarihasina, 25 novambra – 02 desambra 2015
Hetsika ho an’ny tantara an-tsary


Fa inona ity AMBATONAMELANKAFATRA ity e ?

Fikambanana telo HAYSARY, TANTSARY sy VOHITSARY no mivondrona ho AMBATONAMELANKAFATRA…sady hetsika -fampirantiana ombam-barotra- ihany koa.

Manana takelaka amin’ny Facebook ny AMBATONAMELANKAFATRA
https://www.facebook.com/ambatonamelankafatra/



Tantara an-tsary Malagasy ve ? Efa ela nietezana an !

Efa tamin’ny taona 1961 no nivoahan’ny Tantara an-tsary Malagasy voalohany : OMBALAHIBEMASO. Tantaran’Andrianampoinimerina io, voarafitra ho boky 3 mifampitohy.

Ny taona 1970 tany ho any dia tantara an-tsary hatsikana no tena hita ary ireo gazety fampahalalam-baovao no lafika nisehoany.

Nisy ihany ireo boky mitokana nivoaka, fa tsy mbola niroborobo firy.





Ny fivelaran’ny tantara an-tsary Malagasy : taona 1980 sy ny tohiny

Ny taona 1980 no ho mankaty no nanomboka nivelatra sy niroborobo ny tantara an-tsary Malagasy.

Nivory ireo mpiangaly tantara an-tsary teto Antananarivo ka nametraka vato fototra ho famelomana indray izany talenta sy kanto izany.

Nihamaro ny trano famoaham-boky ary rakotra boky ny tsena. Niseho avokoa ireo karazana tantara : hatsikana, horera, fanadihadiana, fanabeazana, fialam-boly tsotra, sns.



Ireo taninketsa mpandimby : Tsangy

Mipoipoitra etsy sy eroa ireo talenta mpanao sary, mirona amin’ny tantara an-tsary. Ao no mamoaka sary amin’ny gazety mpiseho isan’andro, ao ireo izay mbola vao mitady sehatra ivelaran’ny talentany.

Anisan’ny niketrika ny fifanatonan’ireo Zoky sy Zandry ireo Ratovoherinirina Michel, fantatry ny maro tamin’ny sonia hoe RAMIKA. Na dia nisy nisompatra aza ny diany tety an-tany ny volana oktobra 2015, manohy ny asa natombony ny mpanao sary namany ao amin’ny Ambatonamelankafatra.



Ireo no "Tsingy" sasany….RAMIKA etsy ankavia,
Alban R. Ratsivalaka, Mamy Raharolahy.
..

FAHATSIAROVANA AN-DRAMIKA



Ny AMBATONAMELANKAFATRA 2014 no fotoana niarahan’ireo zokiny tamin’ny taona 80’, misalotra ny fiantsoana hoe "Tsingy" sy ireo zandriny 30 taona aty aoriana, ireo "Tsangy" no tian-kambara.


Tsangy manao sariitatra

Ilay tovolahy sy ny sariitatra vita

Efa namoaka boky 02 (roa) ikambanany izy ireo nandritra ny AMBATONAMELANKAFATRA 2014, mbola misy hamidy mandritra ny hetsika 2015.

Ireto no andian-dahatsoratra an-gazety sasany mikasika ny hetsika nandritra ny herinandro, AMBATONAMELANKAFATRA 2015….







Ary ireo mpitsidika fampirantiana ?

Tamin’ny fotoana nandalovanay tao amin’ny Tahala Rarihasina dia olona liana avokoa ireo mpitsidika, na tanora na ankizy na ray aman-dreny.



 Ireo zokinjokiny moa dia anisan’ny mankasitraka sy mampirisika ny fivoizana ny kolontsaina Malagasy anatin’ny tantara an-tsary.




Afaka roa taona (2017) vao hisy ny andiany fahatelo amin’ny fampirantiana AMBATONAMELANKAFATRA… izay no hafatra an !