lundi 13 juillet 2015

Indray mitopi-maso ihany...


Ninia nangina aho nandritra ny volana maromaro mikasika ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Omaly tsy miova no ataon’ireo izay nomem-pahefana.

Mbola mijoro eto amin’ity bilaogy ity ny SAINA FOTSY, mariky ny tsy fanekena ny toe-javamisy eto amintsika.

Iombonako hevitra ny antso ataon’i Vahömbey ETO


Samia tsara e !

Vizana ny sainam-pirenena… ny firenena… ny olompirenena !


Andriamatoa Filohan'ny Repoblika / Monsieur Le Président de la République,

FANEVA FOTSY - Bannière blanche


Andriamatoa Filohan'ny Repoblika,

Tompokolahy hajaina,

Olompirenena voafidim-bahoaka ianao. Asandrato ankasahiana ny hasim-pirenena.
Saropady, raondriana, ny voady sahinao notononina ho ren-tany, ren-danitra, nandritra ny fianiananao. Koa miangavy anao antanàn-droa. Tanteraho dieny mbola fotoany.

Ry olom-boafidy hajaina isany,

Hatramin’ny rahoviana ianareo no halaza ratsy nohon’ny tsikalakalam-bola maramara fiaviana ? Miangavy antànan-droa, tompoko. Lolohavy ny haja amam-boninahitra natolotra an-tsitrapo anareo tsirairay avy.

Ry olom-panjakana isan’antanàntohatra,

Hefao antsakany sy andavany ny raharaham-panjakana sahinareo noraisina an-tànana. Ataovy madio mangarahara, tsy misy tomika. Mahasahia mametra-pialàna raha izay no tsy ho vita.

Ry vahiny mpamatsy vola isan-tsokajiny aman-tokony,

Ampiteraho ara-drariny eto Madagasikara ny tambin-karena izay notrandrahan’ny fanjakanareo sy mpangoronkarenareo an-kamitapitaka teto amin’ito tany masina, tanim-bazimba ito, efa anjato taona.

Ry Malagasy tsivakivolo,

Tandrovy ny hitsiny. Ny hitsiny ihany. Ny hitsiny hatrany.

Ahofahofa ny FANEVA FOTSY.

Amparisika ny olo-mazoto mpitaky fandriampahalemana sy fivoarana. Ahatanteraka ny fanambinana eto Madagasikara.

Andriamatoa Filohan'ny Repoblika,

Tompokolahy hajaina,

DIOVY NY FITANTANAM-PANJAKANA.

Mby ny fotoana.

Antsirabe, 13 jolay 2015

VAHÖMBEY.