mercredi 7 décembre 2011

Malok’ila ve ? Sarimihetsika malagasy tena mampihomehy

Raha nisy sehatra nivoitra tato ho ato dia anisany ny sarimihetsika malagasy.

Tsaroako tokoa manko, fahizay, fa nisaina tamin’ny rantsantanan’ilany ireo sarimihetsika vita malagasy fony mbola irony horonan-tsary be irony no fampiasa.

Ilo tsy very, Tabataba, Dahalo dahalo… ireo angamba raha tsy diso fitadidy aho no mba vokatra nisy.


Amin’izao vanim-potoan’ny sary vita amin’ny "numérique" (tsy haiko ny filaza izany amin’ny teny malagasy madio tsy misy pentina hihihi) izao, dia mirongatra izaitsizy ny andian-tantara. Ankoatr’ireo mandeha amin’ny fahitalavitra na televiziona, dia misy ireo amidy amin’ny alalan’ny VCD sy DVD.

Ireo santionany amin'ny tantara Malok'ila

Tena mba malaza ary ankafizin’ny olona eran’ny Nosy ny tantara Malok’ila, vokarin’ny Scoop Digital.

Mba ao anatin’ireo mpankafy koa aho, na dia tamin’ny andiany faha-6 aza no nanomboka nijery.

Olon-tantara mahatsikaiky, mpilalao mahay, ary tantara mampihomehy sy mampisaintsaina ny fiainana no azo amehezana ny Malok’ila.

Amin’izao fotoana izao, efa miketrika ny andiany faha -11 ny Scoop Digital. Dia miandry izany ny mpankafy e !

Hoy ny olona mpanaraka iny andian-tantara iny :

Mahafinaritra e ! Fiainana andavan’andro ihany ireny !

Mampihomehy mihitsy ry zareo kah ! Indrindra Pasitera be ranomaso

Ary Rajao kah ? Efa tena maty eritreritra koa iny olona iny an ! Matim-bola loatra

Ny ahy Razoary nitaingina môtô iny ihany no tena tiako : izany ka vehivavy an !


Randrenja, Rajao, Pasiter (Sary 
Raha izaho aloha dia ry zareo teny Katsepy (Mahajanga) no anisan’ny tena nampihomehy ahy tokoa : nita rano tanaty maizina ka nihevitra fa tonga tany Kômôro hihihi

Somary manao tsindrom-paingotra kely amin’ny hadalan’ny mpanao pôlitika koa ry zareo eny an-tsefatsefan’ny tantara, ka vao mainka mampahazo aina ny mpijery.


  
Rajao, tao Paris tamin'ny Malok'ila 8 (Sary Tia Tanindrazana)
Fa inty no mba tsy aritro (hihihi) !

Tamin’ny Malok’ila 8 jours en France, anisan’ny nahavelona hehy sy horakora-pifaliana fatratra ny mpijery ny tenin-dRajao teo am-pandinihana ny Tour Eiffel tao Paris. 

Hoy izy manko tamin’i Pasitera, sady velon-tsiky ery ny endriny : « Alika ny vazaha Pasitera an » (Tsy ompa akory izany, ho anao mahay tsara ny fiteny malagasy, fa fihaikena fahaizana lalina)

Niolomay nanitsy ny heviny i Pasitera : « Tsy alika izy Rajao fa mahay â ! »


Vao omaly aho naheno olona niresaka toy izany, kanefa ny niafarany dia hoe : « Efa tsy ny vazaha intsony no alika izao fa ny sinoa ».

Nahoana ary ? Efa voafehin’ny sinoa avokoa ireo teknôlôjia avo lenta kah !



Izay indray ary aloha no ifampizara eto anio, mirary tontolo andro mahafinaritra ho anao an. :-)



Aucun commentaire: