jeudi 22 août 2013

Malagasy mifoha (tohiny)



Mifoha ny Malagasy ! Porofon’izany mivaingana avy hatrany ny fisian’ny FLN –Front de Libération Nationale- Vavaady Fanafaham-Pirenena. Ao koa ny Club des Refondateurs de la Radio Antsiva.

Front de Libération Nationale na
Vavaady Fanafaham-Pirenena

FIHETSIKETSEHAN’IREO MPANJANAKA AMIN’NY ENDRINY VAOVAO
Amin’ny fotoana anoratantsika izao dia tonga eto amintsika sahady indray Atoa Joaquim Chissano, iraky ny SADC sy ny GIC-M. Inona no antony ?

Hanara-maso ny fampiharana ireo didy 7 navoakan’ny GIC-M ny volana jolay lasa teo, afaka vakianao ATO

Ny dingana voalohany notakiany dia ny fanavaozana ny CES (Cour Electorale Spéciale) –Fitsarana Manokana momba ny Fifidiana. Tanteraka haingana tokoa izany, raha nisy fitavozavozana teo aloha. Mahagaga an !

Dia nanatanteraka ny baikony tokoa ilay CES vaovao, ary dia misesy ny fanapahan-kevitra avoakany.

ETO dia nahiliny tsotra izao ireo kandidà telo tsy azoazon’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena (ilay Etazonia sy ny forongony, dia ireo Eôropeanina izany).

"Article 4.- Annule les candidatures de sieur RAJOELINA Andry Nirina, de dame RAVALOMANANA Lalao née RAKOTONIRAINY, de sieur RATSIRAKA Didier Ignace, pour anomalie de la décision dans l’application de la loi."

Dia ny fanondroan’ny CENI-T (Vaomiera Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana) ny daty hisian’ny fifidianana sisa andrasana, dia tanteraka ilay Didy 7 voalaza etsy ambony.

Ireo mpanao pôlitika nanao sonia ny Tondrozotra ihany anefa no anton’izao rehetra izao !

Inona no mba hevitro, inona no mba hevitrao olom-pirenena Malagasy eo anatrehan’izao rehetra izao ?







FANOHERAN’NY MALAGASY TSY MANAIKY LEMBENANA

Raha ny fahitana azy dia ireo mbola manohana tsangan’olona ihany (noho ny antony samy manana ny azy) no tsy mahatsapa fa efa maika ny fanilihana tanteraka ny vahiny mpibaiko eto amintsika.

Efa nambaran’I Vahömbey ny 13 jona 2013  teo, rehefa nihantsy an’Ambohitsorohitra irery ny tenany fa tsy tokony hanohanana tsangan’olona ny olom-pirenena.

Asa lahy raha mba voaray ny hafany ?!!

Raha ny fanilihana ny vahiny mpanani-bohitra amin’ny endriny vaovao, dia tsy tanteraka anefa izany raha tsy miray hina tokoa isika Malagasy, eto Madagasikara hatramin’ny any ivelany.

Mety ho sarotra izany mety ho mora.

Satria matoa tafiditra sy tafatoetra eto ireo vahiny ireo dia misy Malagasy toa antsika mamoha varavarana ary mampiantrano azy.

Sa ahoana no fihevitrao ?
 
Miara-mizotra ihany ireto hery ireto aloha, ka enga anie mba ho tafahaona.




1) Ny “Club des Refondateurs de la Radio Antsiva”etsy andaniny, izay mivoy hevitra mampitraka ny loha, na eo amin’ny fiaraha-monina, na eo amin’ny toekarena. Mivoy Firaisankina sy fahaleovantena ara-toekarena io fandaharana io. Tsy ny mpanao gazetin’ny Antsiva no manatanteraka azy fa olom-pirenena tahaka ahy sy ianao.

Samy mitondra ny anjara birikiny, mifototra amin'ny fisainana hoe: Antsika Malagasy i Madagasikara, ka RARINY sy HITSINY raha isika no migoka sy misitraka ny tanintsika sy izay vokatra ao aminy (fambolena, harena ambonin'ny tany, an-dranomasin, ambanin'ny tany...)

Dia inty tokoa no site web ahazoana ny Antsiva : http://www.radio-antsiva.com/
Raha mari-drefy dia FM 97.6 izy eto Antananarivo :-)


 
Fananganana ny FLN tao amin’ny Foibe Otrikafo,
ny 10 aogositra 2013
 
2) Ny hery faharoa dia ny FLN  araka ny nambara teo.

Malaza ery izany anarana izany raha tany Alzeria, Vietnam, Grèce, sns. Izany no nivondronana karazan’olona samihafa miaraka amin’ny antoko pôlitika OTRIKAFO. Hatreto manko dia io antoko io no tsy mbola nandadilady tamin’ny vahiny, fa niezaka maneho ary mitohy foana izany fa mahavita tena isika Malagasy.

Olon-tsotra, antoko pôlitika, fikambanana, sendikà, sns no mandrafitra ny FLN. Ary ny varavarany dia mivoha ho an'ny Malagasy rehetra tsy manaiky baikom-bazaha.

Tarazon’ny fanjanahantany sy fanjanahan-tsaina (ankoatra ny tombontsoa atsipitsipin’ny vazaha) ny hoe “Tsy afa-misaraka amin’ny vahiny I Madagasikara”. Fandemena ny saintsika izany, satria raha ny famatsiam-bola entiny no resahina, dia tsy mba fanampiana akory izany, fa TROSA MANANDEVO ! Dia ny taranatsika no manefa io trosa io raha mbola variana amin’ny adin’akoholahy (Ravalo, Rajoelina, Zafy, Ratsiraka) ianao olom-pirenena.

Ny adin’ombalahy atrehina dia ny fikasan’ireto vazaha (na mainty na fotsy) hiorim-paka eto amintsika. Jereo ny nitranga tany Mali vao teo e ! Ny tany Côte d’Ivoire, sy ny tao Centrafrique….

Miara-zotra ny Club des Refondateurs sy ny FLN satria samy mivoy ny maha-Malagasy sy ny firaisan-kina, na inona na inona firehana pôlitika. 


Mety ho tafaray ve ? 


dimanche 11 août 2013

Malagasy mifoha

Salama ry Malagasy havako ô !
Eto indray isika mianakavy. Mazava fa tsy hisy tokoa ny fifidianana eto Madagasikara amin’ity taona ity, raha ny fizotry ny toe-draharaha samihafa.

TSINDRY ATAON’NY HERY IRAISAM-PIRENENA
Miara-miaiky ny rehetra ankehitriny fa manindry mafy ny mpitondra tetezamita (sy ireo mpanao pôlitika sakaizany) ireo hery iraisam-pirenena ivelany. Miharihary tokoa izany, na dia eo aza ny fiteny diplômatika sy ny lainga tsara lahatra asesin’ireo iraka avy amin’ny ONU, SADC, GIC-M sns. Iny volana jolay iny dia nivezivezy fatratra teto an-drenivohitra ireo. Fanambarana mandrebireby no ventin-dresaky ny SADC sy Union africaine.

Ekena fa nampiaiky volana sy nahavalalanina ny maro ny lisitry ny kandidà ho Filoham-pirenena navoakan’ny CES na Fitsarana manokana misahana ny fifidianana (1). Hafahafa ihany manko ilay izy, kanefa didy tsy azo ivalozana izany (araka ny lalàna nananganana io rafitra io an).

Dia indro kanefa fa mibaiko tsotra izao ny vahiny hoe « Esorina ao amin’ny lisitry ny kandidà Atoa isany Didier Ratsiraka sy Andry Rajoelina ary Rtoa Lalao Ravalomanana. »

Miharihary koa ny tsy fitovian-kevitry ny samy matanjaka : ny amerikana, tamin’ny alalan’ny solontenany eto Madagasikara dia nampahafantatra hoe « Aleo hirotsaka avokoa izay te-ho kandidà amin’io fifidianana io, mba halalaka tokoa ny safidin’ny vahoaka malagasy. »

Ny frantsay etsy andaniny mitsipaka mafy ny firotsahan’izy telo mianaka. Miray hevitra amin’izany koa ny Vondrona eorôpeanina, ary vao tamin’ity herinandro ity indray Rtoa Catherine Ashton no nanamafy tao Bruxelles fa hilatsaka ny sazy ho an’i Madagasikara.

Tahaka ny mahazatra, hatramin’ny septambra 2008, dia ny fanapahana ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara no lazaina fa hampiharina. Manampy izany ny fanasaziana ireo Malagasy sasany lazaina fa fototry ny fikatsoana ankehitriny : tsy mahazo « visa » mankany an-dafy hono e, giazana ny fananany any an-dafy any e…. Satria tsy voahaja hono ny fampiharana ny tondrozotra hihihi

Mahatsikaiky ô ?

Dia inona àry no ataontsika olom-pirenena Malagasy eo anatrehan’izany ?


MIFOHA NY MALAGASY !
Mbola mibadabada aloha ny ankamaroantsika eo anatrehan’izany tsindry izany. Kanefa mazava fa tsy mankasitraka ny fitsabahan’ny vahiny eto amintsika, hatramin’izay ka hatramin’izao ny tena Malagasy ao am-po. Ary sanatria, tsy fiarovana ireo mpitondra mihitsy no antony tokony hijoroana ankehitriny.

Azo lazaina fa tsy fidintsika akory ireny toe-draharaha samihafa nihatra teto, fa dia nangina isika.

Io fanginana io no tsy azo atao intsony amin’izao.

Ary dia miteny sy mivondrona tsikelikely ny olom-pirenena mitovy hevitra. Efa sahy maneho hevitra sy manolotra vaha-olana ve isika e ? Sa inona no atao ? Tsy ny hery vahiny ihany ange no mandrebireby fa ao koa, indrisy, ireo Malagasy miray petsapetsa aminy e ! Indrindra ireo izay nomentsika fahefana !

Tsaroana ny hetsika feno fahasahiana nataon’i Vahömbey  tetsy Antaninarenina ny alakamisy 13 jona 2013, nilanja samirery sora-baventy mihantsy ny fitondrana tetezamita tsy mahavita azy. hihihi ! Mankasitra indrindra Tompoko ô ! 


Izany ny  mpanakanto sy mpanao haiady
 rehefa mijoro! (Sary Fanambinana Madagasikara)

Nahafinaritra koa ny hetsika nataon’ny antoko Otrikafo tetsy anoloan’ny Carlton Anosy ny asabotsy 13 jolay 2013 teo, raha mbola nipetraka tao ry Ingahy Joaquim Chissano sy Ramtane Lamamra, solontenan’ireo vondrona SADC sy Vondrona Afrikana. Nasehon’ny Otrikafo fa misy tokoa ny Malagasy tsy mankasitraka velively ny fangaroham-bilany ataon’ireo vahiny ireo.

Ny indro kely, tsy mahataona olona io antoko io, inona no antony ?



Tsy dia nahazo olona loatra
ny hetsiky ny Otrikafo (Sary Newsmada)


Mazava fa matahotra ihany ny olona. Kivy koa eo anatrehan’ny haratsian’ny mpitondra.

– Sao dia mbola ho voafitaka indray, hoy ny sasany, raha manohana antoko na mpanao pôlitika, aleo itazatana fotsiny aloha.

– Efa tsy te-hiherika pôlitika izany intsony izahay, hoy indray ny sasany. Efa mankaleo ny fandangolangoana fanaony.

Marina avokoa izany hevitra rehetra izany.


PAIKADY TAHAKA NY INONA NO ILAINA ?
Samy nahatsiaro ny « tolona » nisesy teto isika, na hatramin’ny andron’ny Menalamba na VVS, na 1947, ka hatramin’ny 1972, dia nitohy tamin’ny 1991, narahin’ny 2002 ary farany teo ny 2009.

Samy vontom-panantenana avokoa ny olom-pirenena nanantena fiovana, fahaleovan-tena marina, fahafahana !

Indrisy fa nanondrana tanteraka izay tafakatra teo amin’ny fitondrana.

Ka inona àry no antony e ?

Raha ny taty aorian’ny taona 1960 dia hetsi-bahoaka mitovy fiseho no nisy teto. Mazava fa mitovy koa ny vokatr’izany. Tokony hametraka paikady vaovao izany isika. Diniho kely vetivety ange e !

Rehefa mitolona isika Malagasy, dia mametraka olona eo amin’ny fitondrana, dia lasa. Eny, lasa isika miverina amin’ny anton-draharahantsika mahazatra, tsy mihevitra intsony izay tokony hampijoroana ny firenena. Asa mihitsy izay antony mahatonga izany, fa ny vokany kosa dia manao izay hadalana rehetra tsy fanao (halatra, fangoronan-karena, fanamparam-pahefana, sns) ireo olona nomena fahefana.

Tsy nisy naningana mihitsy ireo mpitondra nifanesy teto tamin’izany fitondran-tena sampona izany.(2)

Misy andraikitra mavesatra avy amintsika olom-pirenena tokoa izany ! Nahoana no tsy manara-maso ny asa ataon’ny mpitondra isika, fa dia matoky an-jambany ? Sa ve izany tokoa ny hoe miankim-po aminy satria niara-nitolona, dia izay ataony eo atokisana tanteraka ?

Tsy izany no izy, fa mila paikady hafa isika. Miara-mientana hatrany isika, ary hentitra amin’izay nomena fahefana. Na fifidianana io na tolona, izay miakatra eo dia manana adidy eo anatrehan’ny olom-pirenena Malagasy tsirairay avy, na nifidy azy na tsia, na nanohana azy na tsia.

Ny fototr’izao olana rehetra eto amintsika izao dia tarazon’ny fanjanahana (fanjanahan-tsaina indrindra indrindra), ankoatra ny fitiavan-tenan’ny Malagasy vitsy an’isa.

Inona àry no atao ? Samia mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra aloha isika tsirairay avy ô !

MIFOHAZA RY OLOM-PIRENENA MALAGASY, N’AIZA N’AIZA MISY ANAO !

Mbola hitohy…. :-)





(1) Fanapahan-kevitry ny CES ATO 

(2) Singaniny ny Kolonely Richard Ratsimandrava, izay novonoin’olona raha vao nitondra herinandro monja.