mercredi 12 octobre 2011

Madagasikara tsy miolonolona hoe

Haningana kely isika anio, hilaza ny momba ny fiainam-pirenena. :-D

Mikaikaika manko ny olona eto an-drenivohitra, ireo izay mbola mazoto miserasera eo am-pandinihina ny toe-draharaham-pirenena.

Efa maro tokoa ankehitriny, raha ny ankapoben’ny olona no ifampiresahina, no tsy te –hifantoka intsony amin’izay resaka pôlitika eto. Mba anisan’izany koa ny tenanay : sarimihetsika efa miverina no hita.

Mahatofoka ! Mankaleo ! Ny fomba ratsy fanao taloha ihany no mbola averina !!

Mitady seza dia miady seza !

Mifikitra amin’ny fahefana kely sy izay toerana azo !

Manitsaka an-kitsirano izao ny lohan’ny vahoaka !

……
Taonan’ny fifidianana sy ny safidim-bahoaka ny taona 2011 hoe ? Ô ry Neny ô ! Ho aiza ianao amin’izao ?
  
 …….

Eny, mampisafaoka tokoa ny toe-draharaha eto Madagasikara. Mba diniho ange e :

>>> Mibitaka ery ry zareo mpanao pôlitika, mifampilokaloka sy mifampiarahaba, mitehatehaka tokoa satria tafavoakan’ny krizy hono hoe, satria vita sonia izao tondrozotra izao ny 17 septambra lasa teo. 

Dia inona no tohiny ?

Moa va tsy ny fihetsika tahaka ny tao aorian’ny sonia tany Maputo ihany, roa taona lasa izay no asehon’ireto mpanao pôlitika ?

>>>Toy izao no famakiana ny "article" izao ! An-an-an, toy izao no hevitr’itsy "article" itsy kah ! Izahay miandry ny fahatongavan’ny Troïka (ilay SADC io an).

Mahazo mody Ingahy Marc Ravalomanana. An-an, tsy mahazo mody fa nahazo Notam. Ingahy Didier Ratsiraka no hotsenaina amin’ny fomba manetriketrika rehefa mody.

Dia gaga ianao olom-pirenena. Ny omaly tsy miova.

Mahatofoka ! Mankaleo ! Ny fomba ratsy fanao taloha ihany no mbola averina !!

Nahoana moa idiran’ny SADC ny raharahan-tokantranon’i Madagasikara ? Hay moa ireo mpanelanelana tera-tany (FFKM) tsy nahefa ! Dia niditra ry zareo tao amin’ny Masoivoho Senegaly, dia ny Afrika atsimo. Mavitrika hatrany ny Masoivoho Maorisiana.

Fa inona no tombontsoan’ireo firenena ireo amin’ny fiainam-pirenentsika kay ô ?

Tena tiany tokoa ve ny hifampihavanan’ireo mifandramatra ankehitriny ? Tena tian’ireo fianakaviambe iraisam-pirenena (communauté internationale) tokoa ve ny hilaminana sy hiadanan’ny vahoaka Malagasy ?

Ary raha ny tantara eran-tany no zahana, tena nampilamina ny toe-draharaha tao amin’ny firenena iray ve ry zareo ireo ? Côte d’Ivoire ohatra…. Irak, Afghanistan, Rwanda, Burundi…. Mba jereo ny zava-misy fa tsy mihinana amam-bolony ry zalahy ô !

Dia hoy ny mpahay raha : ka i Madagasikara ange tsy afaka miolonolona eto an-tany e ! Mila mifandray amin’ireo firenena hafa e !

Oadray ! ?

Tany manankarena i Madagasikara, mipongatra isan’andro vaky izao ny harena an-kibon’ny tany tsy toko tsy forohona. Izany no hihazakazahana eto. Sanatria, jereo ny nanjo an’i Rwanda sy Burundi, noho ireo diamondra ao aminy…. Zarazarao hanjakana an ? !

Dia inona no tohin’ilay tondrozotra ho’aho ?

Nihazakazaka nandeha tatsy Afrika Atsimo ireo Malagasy mpanao pôlitika nanasonia ilay tondrozotra. Hanao inona any ? Mahagaga an ?

Dia ny tohiny indray ve ? hihihi

Tonga omaly 11 oktobra eto amintsika izao ny delegasiona miaramila 22 lahy be izao, avy amin’io SADC io. Asa hanao inona aty amintsika ?!!

Taty Ivato no tonga aloha ny manamboninahitra SADC16 lahy, dia nanaraka koa ny 06 hafa….

Maro ny mpiara-belona no tafintohina amin’izao fiavin’ny manamboninahitra maro izao. Tsy mazava mihitsy ny anton-diany.  

Zava-doza ho an’ny firenena ange io, hoy ny sasany. An-an, fampiharana ny tondrozotra ihany izao, hoy indray ny sasany.

Fanamarihana : Ilay tondrozotra amin’io dia voarafitra manontolo amin’ny fiteny frantsay. Izany hoe, tsy amin’ny fiteny ho an’ny Malagasy tsy vakivolo….

Ireto no rohy ahazoanao mamaky azy amin’ny fiteny frantsay.  (Misaotra Vahömbey !)


Efa eo andalam-pandikana azy amin’ny fiteny malagasy hono ny teknisiana. Hihihi sao lahy mba tokony ho narafitra tamin’ny tenintsika aloha vao nadilka ho an’ny vahiny an ?

Tsy misy zavatra ma-za-va ! Efa mihevitra ny olompirenena ho nandra tanteraka ve ny mpanao pôlitika an ?


Mahatofoka ! Mankaleo ! Ny fomba ratsy fanao taloha ihany no mbola averina !!




Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa miharatsy izao fiainana izao, hoy ny hafatry ny Soratra Masina.

Dia samia manatsara ny tandrify azy, am-panentren-tena sy am-pitiavana. Samia rey olona mitrotro am-bavaka ny firenena malagasy â !

Miala tsiny nampiaka-peo androany, fa misy ny azo leferina, ary misy tsy eken’ny saina amam-panahy ka tsy maintsy mively dabilio na mitsoka anjomara !

Mirary tontolo andro tsara ho anao. :-)



Aucun commentaire: