vendredi 14 octobre 2011

Fa maninona indray hoa Ingahibe masoandro ?

Niolomay ny mponin’Antananarivo androany ! Inona no mitranga ?

Tahaka izao no endrika nasehon’Ingahibe masoandro, sahabo tamin’ny 10 ora 30 hatramin’ny 12 ora latsaka kely. Azonao alehibeazina ny sary; tsindrio fotsiny hihihi -clik havia an! 

Toy izao ny fisehony tamin’ny 10ora30….

Samy nanana ny fandraisany izao tranga izao avy ny olona. Mampihomehy indraindray ny anehoany izany.


Ao no tsy taitra akory : efa mpiseho izao endriky ny masoandro izao kah. Tsy atao mahagaga.

Ao no matahotra : sao dia fambara loza ?

Hita ihany koa ireo mpamazivazy, tahaka ireto tovolahy miresaka amina mpivarotra sambosa iray (namany ihany angamba) hoe : hitan’ialahy io masoandro io ? raha tsy ajanon’ialahy ny fivarotana sambosan’ialahy io dia izao no ataon’ny masoandro !

Dia sady lokilokin’ny hehy ry zareo no manondro ny lanitra !

Nisy rangahy iray izay indray, dia ny fisehoan’ny volana sy ny kintana tamin’ny taona 2008 no notsaroany teo am-pahitana ny masoandro. Tamin’izay fotoana izay tokoa manko, nahagaga ny maro ny fahitana ny volana voahodidina kintana roa mazava tsara, andaniny sy ankilany.

Dia naresaka tokoa aloha ny teny an-dalambe androany an !

…dia toy izao tamin’ny 11h16…
 .
Hatreto aloha dia tsy mbola nahenoina filazam-baovao manokana momba izao endriky ny masoandro izao, fa samy revo amin’ny asany ny daholobe. 

….efa niharava ilay faribolana tamin’ny 11h51….

Azo lazaina fa nahatsikaritra io tranga manokana io avokoa ny olona mivezivezy tany an-dalambe, fa samy nanohy ihany koa ny fitadiavany. 

Miolomay hatrany ny olona eny an-dalana….

Marihina fa nigaingaina ny andro nandritra ny fisehoan’ny masoandro tahaka io. Ny tolakandro kosa dia nisy oram-baratra kely teto Iarivo.


Izay indray aloha ny androany, resa-be sy vazivazy isan-karazany avy aty Dago, hoy ireo Malagasy any an-dafin’ny Riaka.

Soava, tsarà rey olona ô. Samia tahian’Andriamanitra isika an ! :-)


Pssst ! ATO  ny fanazavana siantifika hihihi


Aucun commentaire: