vendredi 25 novembre 2011

Fanentanana fahadiovana

Eny tompoko, tsy misy farany ny fanentanana eto mba hadio ny olona ! Odryyyyy ! 8-O

Kay ! Tena voretra tokoa angaha Ra-olombelona ankehitriny ? hihihi

Tsaroana ihany ny aretina mampatahotra toy ny "cholera" ny taona 2001 an. Ary ny pesta dia indrisy fa mipoipoitra isan-taona amin’ny faritra sasany eto Madagasikara.


Misasà tanana ô

Ela ny ela, fa nasiana izany andro iraisam-pirenena hanasana tanana amin’ny savony (efa tamin’ny 2008 io an).

Ny "cholera" tokoa manko dia anisan'ny areti-mifindra amin’ny alalan'ny tanana maloto, andray !

Fa isika ve mba mahay ilay hira hoe :

Zaza manasa ta-na-na, ta-na-na, ta-na-naaa

Zaza manasa ta-na-na,

Madio ny ta-na-naaaayyyy !!


Somonga tokoa izany fa ny marina dia izany tokoa : tena miha-voretra ny olona (dray dray dray).

An-koatra ny fanasan-tanana dia ao koa ny fanentanana fampiasana lava-piringa manara-penitra.



Mampiasà trano fivoahana hoe

Io indray dia ezaka efa aman-taonany, raha ny aty Madagasikara. Maro manko ny fady misakana ny fampiasana io lava-piringa io any amin’ny faritra sasany eto amin’ny nosintsika.

Eny e, hafahafa hono ilay manao maloto ao anaty trano, ka dia eny an-kalamanjana eny no apetrapetraka ny tokotokon-javatra.

Ny tora-pasika no tena mahazo azy raha somary mahazo morontsiraka ny mponina. Ary dia miaraka amin’izany koa ny fandosiran’ny mpizaha tany mpitondra dévizy an ! hihihi

Mitohy ny ezaka, miharava ihany ny fady mba ampandroso ny fahadiovana.


Raha ny eto an-drenivohitra dia mahafinaritra ny mahita indray fa azo atao tsara kay ny mi-douche hihihi Vita hatreo ny fofompofona hafahafa izany an ?


Samia madio rey olona â !

Mirary tontolo andro tsara ho anao, mazotoa amin’izay atao rehetra an ! :-)


Aucun commentaire: