mercredi 23 novembre 2011

Ranoro, soradihin’andriambavilanitra

Anisan’ny soradihy notanterahin’ny tarika Rary io nandritra ny Habaka Ankisôma.

Kely tokoa ny efitrano atsy amin’ny Tahala Rarihasina, kanefa antonony tsara ho an’ireo mpankafy soradihy tonga teny ny asabotsy tolakandro teo (19 novambra 2011 io an). 

Sendra ireo andriambavilanitra niangaly ny soradihy mitondra ny lohateny hoe Ranoro ny tenanay nony tonga teo.

Mifandimby aloha izy dimy mirahavavy….

Dray ! Fy e ! Kanto e ! Lafatra hoa ! hihihi 

Tsy ampy ny voambolana anambarana ny hakanton’ny ampela maneho amin’ny fihetsika ireo endriky ny vehivavy... amin’ny maha-vehivavy azy.

….avy eo miaraka eo an-tsehatra…
Raha izaho aloha dia nahatsapa tokoa ny fiainana sedrain’izany ampela (viavy, manangy, andriambavilanitra) tao anatin’ny soradihy.

Mitsiky, mitomany, marary, tezitra ve ? Fiainana tokoa izany ô ?
Ao ny fihafiana, ao ny hafaliana, ny fanantenana, ny ahiahy, ny fijaliana, ary ireo endri-piainana rehetra mety atrehin’ny olombelona. 

Kanto ny hetsika…..
Dimy mirahavavy ry zareo ao amin’ny Rary no nanambara izany, miaraka amin’ny mozika miova gadona sy feo. Tsy dia tsaroako akory aza ny hira sy feon-kira, fa variana e ! sondriana ary lasa vinany lalina tokoa nony vita ny soradihy. 

….voafehy ny teknika !
Nandinika tokoa aho hoe iza moa izany Ranoro izany ? Toa angano malaza eto Madagasikara kay moa ô ? 


Azonao vakiana ATO izany tantara izany, angano angano arira arira ô hihihi

Raha mahaliana anao koa ny anarana malagasy, tahaka ny hoe Noro mira fahazavana, dia afaka mandinika izany ATO ianao. 

Dia mirary ny tsara indrindra ho anao an. :-)



Aucun commentaire: