vendredi 18 novembre 2011

Mandihiza Rahitsikitsika â !

Raha ny soradihy môderna malagasy dia efa nivoatra tokoa an !

Tsy ny dihy nentim-paharazana no resahina, mazava loatra. Na koa ireo dihy atao hoe "classique" irony an ! Na koa ireo mpandihy manaraka mpihira malaza an ! Tsia !

Ny tiana ambara dia ny soradihy mifanaraka amina gadon-kira isan-karazany (tahaka ny jazz moderna, ka hatramin’ny gadon’amponga fotsiny hihihi), ka ireo mpandihy ihany no mibahana ny sehatra. Yô ! :-D

Efa mivelatra tanteraka io kanto iray io eto amintsika, raha izany Voahangy Rasoanaivo, Miera Damasy, tarika Tsingory, sns no nisantatra azy tamin’izany taona 1980 tany ho any…. Ntsôôô… Efa noresahintsika kely TATO  aryyyy amin'ny faran'ny lahatsoratra ;-) 



Ny Tahala Rarihasina, anisan'ny sehatra ihaonan’ny 
mpahay kanto maro dia maro
Ankehitriny dia manovokovoka fatratra ny tanora tahaka ny tarika Rary (Ariry Andriamoratsiresy), Gaby Saranouffi, Sylvia Rakotonahary, sy ny hafa tsy voatanisa an, mampiakatra avo ny talenta malagasy amin’ny soradihy. 

Mandritra ity herinandro ity dia  mifamotoana ao anatin’ny hetsika "Habaka Ankisôma", ireo mpandihy sy ireo mpankafy io kanto iray io.

Etsy amin’ny Tahala Rarihasina sy ao amin’ny Goethe Zentrum / CGM, samy eo Analakely ary teny amin’ny Institution Sainte – Famille Mahamasina no fotoana.

Sylvia Rakotonahary, mpitarika ny Akilah 
(Sary Maminirina Rado, L’Express de Madagascar)
Efa tamin’ny alarobia 16 nôvambra 2011 teo no niantomboka ny hetsika, ary nandray anjara tamin’io ny tarika tahaka an-dry Jarim’s company, Olon’dihy, sns. 

Mitohy izany anio hariva amin’ny 7 ora ao amin’ny Goethe Zentrum. Hiaka-tsehatra amin’izany Rary (mpirahalahy mianala), Rary (Avy), Zanatohatra, Rinah, Zarasoa, Sylvia Rakotonahary.

Rahampitso indray dia amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny Tahala Rarihasina no iangaly soradihy ry Zami, Judith Manantenasoa, Tsiary Rasamson, Rivo Randrianarison, Rinah Andriamalala…

Ariry Andriamoratsiresy, sangany amin'ny soradihy, mpitarika ny Rary 
….ary ny tolakandro amin’ny 3 ora, dia ahitana indray an’i Rary (Vato), Rary (Ranoro), Tkd Judith, Andro Zoma, Fiarahana Tovo sy Aina, Vehivavy Mainty Manga. 

Andray ! anarana tarika na soliste daholo ireo an ! ary anarana soradihy kosa ny ao anaty fononteny.

Mahafinaritra ny firoboroboan’ny tanora mavitrika ao anatin’ny kanto : mampivelatra ny talentany sy ny kolontsaina malagasy tokoa ireo. Tena tonga amin’ilay hira hoe :

Mandihiza Rahitsikitsika… Ianaray ô ! :-D


  

Aucun commentaire: