mercredi 16 novembre 2011

Tandrimo sy Tondro Zotra

Inona no ifandraisan’ny Tandrimo sy ny Tondro Zotra ? Ny Faribolana Sandratra rey olona â !

Eny, mahafinaritra sady mahavariana no mahasondriana koa ny filofosan’ny mpahay kanto Malagasy, manezaka hatrany mivoy ny haren’ny kolontsaina ananantsika.

Tsaroana araka izany, ireo mpahay kanto (sary, mozika, soratra, sns) izay manangana Sendikà ho fiarovana ny zony amin’ny famoronana, rariny loatra izany, ho fanoherana ny piraty. Ao koa ireo rafitra isan-karazany ifaneraseran’ny mpahay kanto.

Anisan’izany rafitra izany ny Faribolana Sandratra izay azo ambara fa lova napetrak’i Elie Rajaonarison, ho an’ny sehatra manokan’ny Poeta Malagasy. « Haisoratra, rakitry ny lasa, fanoitry ny hoavy » no teny fanevany.

Tolotra Arinandriana sy i Zo Maminirina, nandritra ny antsantononkalo 
Tandrimo I sy Tandrimo II 

Momba ny Tandrimo dia rakitra tononkalo izy io, notontosain’i Zo Maminirina sy i Tolotra Arinandriana ka nivoaka ny taona 2001 ny boky voalohany.

Nivoatra ny endriky ny boky, io ny Tandrimo I

 Vao tamin’ny jona 2011 teo, izany hoe 10 taona taty aoriana indray no natonta ny rakitra faharoa, Tandrimo II.
 
...Toy izao kosa ny Tandrimo II 

 Ary dia naseho an-tsehatra nandritra ny antsantononkalo moa izany, araka ny fanaon’ny Faribolana Sandratra isam-bolana ao amin’ny Goethe Zentrum / CGM Analakely izany. 

Rakotonirina Gérard, Talen’ny gazety Basy Vava sy Madagascar Tribune
« Toy izao no ampahan’ny teny fanolorana nataon-dRakotonirina Gérard tamin’ny boky “TANDRIMO II” nandritra ny antsantononkalo : 

“Manodina fanindroany ny tandrimony i Tolotra Arinandriana sy i Zo-Maminirina amin’ny alalan’ity amboara ity.

Horonan-ditera maro noladinina ho soratra no tonga tady nampihodinan’izy mianadahy ny tandrimo kilalaony. Fa tanana ahetsiky ny fiainana iainany sy ny fiaraha-monina itrebohany kosa no angovo nisarihana azy hikorisa hamela dindo any amin’izay tany hiararetra hiantefany any.

Kianja mbola midadasika azo ampisonenehana ny tandrimon’eritreriny sy ny aingam-panahy ateraky ny “hodina” rahateo ny tontolon’ny boky sy ny asa soratra, ka azon’izay tsy sarotim-panina rehetra ampandihizana ny “azy” hamelana sary avy amin’ny jijiny, mandra-pitolefiny.

Tandrimo, ilay kilalaon’ankizy tsy hahatsiarovany hanoanana eo am-pilalaovana azy, fa hifanomezany fotoana indray rahampitso hampandihy. Toy ity tany mihodinkodina izay zara-toerana nomen-Janahary hivahinianantsika ity, dia taratry ny fepetra maha olombelona ahodin’ny fiainana koa anefa ny tandrimo, ka tsy laitra mihitsy fa satry foana hanodina azy sy hanjohy ny fijijiny mandra-pijanony ... raha tsy fanina. Izay mitsahatra aloha no resy eo!”


Ifanihy koa tao !
Tazana tao amin’ny Goethe Zentrum / CGM Analakely ny mpahay kanto samihafa, ankoatra ny mpankafy tsotra. Nandray anjara teo koa Ifanihy sy ny tarika hafa, toa an-dry Iarivolahy, ry tarika Androbe (Zanak’Ifanihy)… 
Loharano : tatitry ny Faribolana Sandratra (lahatsoratra sy sary)


Liana dia liana ny mpankafy tononkalo

Ary ny Tondro Zotra ?

Hafa indray ity antsantononkalo iray ity, satria ny alahady 20 novambra ho avy izao no hisehoany, ao amin’ny Fiangonana FJKM Ambalavao Isotry, araka ny vaovao ampitain’ny Faribolana Sandratra.

Ny Tondro Zotra resahin’ny mpanao pôlitika manko dia ambarany amin’ny fiteny frantsay hoe "feuille de route", avy amin’ny fiteny anglisy hoe "road map" (hihihi, mampihomehy izany).

Toy izao manaraka izao no hevitr’i Zo Nantenaina indray, ao amin’ny Faribolana Sandratra :
“Tondro zotra”, izay manoro sy maneho hoe iry no lalana tokony aleha, na ity no lalana mahitsy sy marina tokony arahina, toa ireny takelaby hita amin'ny lalana ireny izany, izany hoe raha adika ho teny frantsay io dia tsy midika hoe "feuille de route" velively fa "flèche directionnelle", araka ny fanazavan’i Zo Nantenaina. Nomarihiny fa tsy misy resaka politika ity antsa ity.

Zo Nantenaina: "tsy misy resaka 
politika ity antsa ity" (Sary Faribolana Sandratra)
Mikasika ny antsantononkalo ao am-piangonana, dia efa fanao ihany izany hoy i Zo Nantenaina, izay sady filohan’ny Fikambanan’ny Mpitandrina Poety rahateo.
Araka ny vaovao ampitain’ny Faribolana Sandratra moa dia hiaraka hiantsa amin'i Zo Nantenaina ireo avy ao amin'ny Faribolana Sandratra dia i Tiavina, i Saholy Rakotonanahary, i Nofy, ary ireo avy ao amin'ny Fikambanan'ny Mpitandrina Poety. Tononkalo roapolo eo no hantsaina, izay miresaka ny tontolo maha olona feno, ny zava-misy ara-pihetseham-po, ara-moraly ary ara-tsosialy izay mibahana amin'ny asa soratr'i Zo nantenaina.
Handravaka amin'ny feom-baliha i Voahangy, amin'ny gitara i Judith, sy ireo hafa. Hanelanelana amin’ny  hira kosa ny mpanakanto maro toa ny STK AMIS sy Titianah, ...

Dia amin’ny alahady izany mihaona, mankafy indray ny kanto Malagasy amin’ny endriny an-tsoratra an !

Samia tsara, samia soa. :-)


Aucun commentaire: