Malaza tato ho ato ny fampiasana ny voambolana "ifotony" teto amintsika hihihi. Tena marina fa raisina amin’ny fotony tokoa ny zava-drehetra vao ahitam-bokatra ô ?
Raha ny tantsaha mpamboly vary izao dia mandray ny fakan’ny ketsa ao anelanelan’ny ankihibe sy ny fanondro vao manatsatoka an’iny ao anaty tanimbary. Izany fihetsika izany, averina mandra-pahavita ny ketsa rey olona no ahafahantsika mihinam-bary isan’andro !
Misaotra sy mankasitraka ny asa ifotony ataon’ny tantsaha isika, isaky ny mivavaka mialoha ny sakafo…. Tsara raha mahatsiaro azy isika moa ô ? Dia miaraka amin’izay koa, tsaroana hatrany ny misaotra an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy fa avy aminy no mampaniry ny zavaboary rehetra hanintsika isan’andro.
Izany ny vary maina miam miam |
Tsetsatsetsa tsy aritra ihany iny, fa anio dia ny fanadiovana ifotony no tian-kambara. Inona no dikan’izany ?
Mba nandinika ny zava-misy eto ambanin’ny masoandro ny tenanay, eny, nandinika tokoa. Matetika isika olombelona dia mivesatra korontankorontan-javatra. Na an’eritreritra io, na hita maso. Mba jereo kely ange ny ao an-tranonao fa tsy mainty misy boatiboatin-javatra ao e !
Na baoritra io na kapoaka, ahitanao korotam-by, fantsika, tapatapaka kakazo kely, taratasy, indraindray tavoahangy na zavatra madinika toy ny fantsika, visy (ampiasaina amin’ny tournevis fa tsy ilay rano visy an hihihi), hatramin’ny fitafiana tsy anaovana intsony kanefa tsy foy, sy ny sisa sy ny sisa.
Andray izany korontan-kapoaka rey olona ! hihihi |
Tsy manary an’ireny isika, sitrany hahay. Sao misy ampiasana azy kouh ! Oadray !
Dia jereo fa tsy misy valaka amin’izany koa ny toe-panahintsika. Marina fa vaojanahary ny fitadidiana, ao an-tsain’ny olombelona. Ilaintsika koa izany amin’ny fianarana, amin’ny andavan’androntsika.
Kanefa, misy fitadidy tsara, ary misy fitadidy korontankorontana, tsy mahasoa akory. Io angamba ilay hoe lonilony ? Io angamba ilay hoe alahelo tamin’ianona na tamin’ianona, tamin’izany fotoana fahagola izany ?
Sao àry efa tokony hariana izany fitadidy korontankorontana izany ee ? ! Sao dia manavesatra saina amam-panahy fotsiny e ? Tsy mora ny manao izany, satria mba olombelona nofo aman-drà ny tena, ka maharary e !
Fa raha diovinao ny korontana ao an-tranonao (ilay baoritra sy boatiboaty io hihihi), dia ho hitanao fa azonao ampiasaina ametrahana zavatra vaovao sy mahafinaritra io toerana malalaka io !
Dia tahaka izany koa ny fonao sy ny sainao : madio, milamina, azonao ampiasaina hamoronana hevitra mahasoa ny tenanao, voalohany indrindra, ary ho an’ireo mpiara-belona aminao koa, mazava ho azy.
Inona no atao ary e ?
Mba andramo ihany ilay fierenam-panahy (méditation), na mivavaha. Mazotoa misotro rano, fa io no fanasana ny ao anatintsika koa. Mahereza fa rehefa raikitra ny fanadiovana ifotony, tsy misy sakana intsony ao aminao fa vitanao avokoa ny fikasanao rehetra.
Eto am-pamaranana, misaotra eram-po eran-tsaina an’i Zo Maminirina, ao amin’ny Faribolana Sandratra, tapaka sy namana ary sakaiza mahatoky. Izy no nanoro hoe misy ny fiteny Malagasy ilazana ny méditation. Dia io fierenam-panahy io, araka ny ohabolana hoe "takatra amorom-parihy, tsy matory fa mierim-panahy".
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire