mardi 16 août 2011

Andao mba hanjifa ny asa tanana malagasy


Maro karazany tokoa ny hazo sarobidy eto amintsika, ary fanamboaran’ny olona taozavatra na fanaka matetika izy ireny.

Tsy hita pesipesenina ireo asa tanana vita eto amintsika, vita avy amin’ny zavamaniry, satria ananantsika maro dia maro, sady amin’ny karazany samihafa ireo.

Ohatra fotsiny ny hazo baobab, izay fito no santionany hita eto Madagasikara. Hay izy io azo ampiasaina anamboarana taharo manatsara sy mampateza ny hoditra ! Tsy vitan’izay fa mbola hain’ny olona koa ny manamboatra satroka amin’ny akora baobab….. Satroka fientina mianjaika, andray ! 


Efa mahay mamorona mihitsy ny mpanao asa tanana eto amintsika. Ankoatra ny hazo dia ampiasainy fatratra koa ny rofia, andrariana harona, pôketra, satroka, haingon-trano,

Tsara raha mba mahay mankasitraka ireo isika fa mahalana vao mividy ireny raha mbola Malagasy monina eto Madagasikara : eto am-potony tokoa moa an ! Eny e, na izany aza, andao mba manjifa ihany isika, indraindray an !

Ireo izao ny valiha, sady zava-maneno no haingon-trano…



"Mobile" trondro vita amin’ny hazo…


Sy ny hafa ….



Ankafizo an, dia samia marisika ary isika amin’izay atao !


Aucun commentaire: