mercredi 17 août 2011

Fintsa ô !


Mamay ny andro, na dia ambara fa ririnina aza eto Madagasikara amin’izao vanim-potoana volana aogositra izao. Faly sahirana toa akohokely tsipazam-potsimbary ny tena amin’izany.

Moa ve misy mihoatra noho ny hafanan’ny masoandro ? Kanefa, raha amin’izao no efa 23°C ny maripana ambony indrindra…. Hanao ahoana izany rehefa tonga ny fahavaratra ?

An-an-an, aleo ny anio aloha no atrehina : misotro rano matetika, maka malomaloka tsara.

Fintsa = akondro ihany hihihi

Efa tazana be dia be eny an-tsena koa izao ny fintsa miam miam ! Mahafinaritra ery ny mihinana an’ireny an ! Azo atao anaty mofomamy, tahaka ny fanao amin’ny "raisins secs" na "fruits confits" irony. 

Ny akondro aloha dia manana betsaka isika eto Madagasikara, sady mandava taona io an ! Ao ny mampiasa ny raviny, ao ny manao mofo akondro, ao ny "gâteau banane" malaza ery any Toamasina, mmhhh…
Io ary ilay hoe mandarine grefy an...
Izany hoe, ny voankazo hita amin’izao dia voamadilo, mokonazy, fintsa, ankoatra ny  voasary, "mandarine", zavokà, "fraise", mananasy… Azo hohanina daholo, na atao ranomboankazo, na atao "confiture"…. andray, izany fahasambaranytsika re olona !

Ankafizo fa zavaboarin’Andriamanitra ireo, sitrany ho antsika Malagasy hihihi. Samia tsara aby ô

Aucun commentaire: