dimanche 14 août 2011

Fitsaboana ara-boajanahary ve ? Haintsika Malagasy io !

Mahafinaritra tokoa ny fandrosoan’ny zanak’olombelona mahay mankasitraka ny fahalalana nentim-paharazana. Inona hoy ianao ?

Mivoatra fatratra ankehitriny any an-dafin’ny riaka any irony "thérapies naturelles" irony, aleo mba adikantsika hoe « fitsaboana ara-boajanahary". Voarakitra ao anatin’izany ny fampiasana zavamaniry ho fanafody, ao koa ny fanorana isan-tsokajiny.

Marina fa samy manana ny maha-izy azy ny firenena tsirairay avy, ary tsy ambakan’izany ny eto amintsika.! Ao ireo fanafody avy amin’ny zavamaniry izay vokarin’ny IMRA, seha-pikarohan’ny Pr Rakoto Ratsimamanga. Ao koa ireo karazany maro napoitran’ny Homeopharma taty aoriana, ka ahitana hatramin’ny ody sery ka hatramin’ny menaka fanorana sy ireo fanafody samihafa. Manana toeram-pivarotana maro, misy dokotera sy mpanotra rahateo ny Homeopharma.

Fivarotana Homeopharma etsy Andavamamba
Amin’izao fotoana izao ary dia miroborobo fatratra any an-dafin’ny riaka ny fampiasana lohamenaka (huile essentielle) mifototra amin’ny zavamaniry Malagasy. Ao koa aza ireo "crème" fanosotra amboarin’ny tranombarotra malaza toy an-dry Yves Rocher, ahitana zavamaniry malagasy, ho fiarovana ny hoditra amin’ny taratry ny masoandro. Ahitana izany "Aphloïa" izany io "crème" io an !

Inona koa no azo ambara ?

Ny fanorana ve ? Na taolana mipîka, na havizanana be (na kelikely koa aza), dia hain' ny mpanotra malagasy ny mandamina an’izany. Ao ny manindrintsidry fotsiny, ao no tena mamaha ny hozatra mifatopatotra, ao ny mampiverina tsara ny fikorianan’ny tanjaka ao amin’ny vatana.

Azo ianarana tsara izany rehetra izany, ary mbola atao hoe soatoavina malagasy io. Ny menaka fanorana no nivoatra, misaotra an’Andriamanitra ! Fahiny manko dia menak’omby (adray !) no fampiasa, ka ny fofona somary manadala orona hihihi

Raha ny fihinanana tantely indray ohatra, vokatra voajanahary io an, dia efa fantatsika tokoa ny fahasoavana entiny. Ny tambavy indray dia efa tandra vadin-koditra amin’ny Malagasy, saingy ny fatra no mbola mampihaotra ny maro, raha tsy voadinika tsara indraindray. Ny ravimboafotsy sy ny veromanitra moa dia efa "dite" fisotrontsika ankoatra ny kafe…. 

Kininina fotsy, fampiasa amin'ny hevoka 
Ao koa ny fahalalana fa mahasoa tokoa ny hazavan’ny masoandro, izay mitondra hafanana ho an’ny vatana, fa manampy koa amin’ny famolavolana ny taolana (vitamine D io). Sy ny sisa e… 

Fehiny : haintsika Malagasy ary harena iray eto amintsika ny fitsaboana ara-boajanahary, ka tsy tokony ho sodoka loatra amin’ny fanafody mifangaro raha simika isika. Mahagaga fa dia misy "effets secondaires" na tarazo foana ireny, raha tsy izany dia indraindray ny "contre-indications" na fampitandremana no betsaka noho ny tena asa fanasitranana. Ilay fangaro simika no antony koh ! Ny marina koa ankehitriny, efa maro no tsy mahatakatra ny vidin’ireny.



Aucun commentaire: