samedi 22 octobre 2011

Vaovao manerana ny tany ve ?

Inona no vaovao manerana ny tany, hoy Ingahy Sareraka…. Méditation méditation ! :-D

Eny, namoahan’i Sareraka "Méditation 2011" moa isika tamin’ity volana oktobra ity. Fifanandrifian’eritreritra ve ….sa efa tena fotoanany tokoa, ankehitriny, ny fierenam-panahy eto an-tany ?

Mody entina amin’ny vazivazy sy ny hira tokoa izany, kanefa dia mampieritreritra fatratra tokoa ny zava-misy an !

Inona no vaovao e? 
Santionany amin’ireo vaovao mampandinika lalina ny fiainana maneran-tany…..

1-Maty Ingahy Kadhafi ny alakamisy teo rehefa niery tao amin’ny tananan’i Syrte nandritra ny efa-bolana, nandositra ny fanafihan’ny CNT sy ny OTAN.

2-Namoaka lalàna hentitra manamanfy ny endriky ny fanjakana laïka   ny ao Frantsa ny Minisitry ny atitany frantsay Claude Guéant ny alakamisy teo ihany koa. Afaka jerenao ATO izany, vaovao navoakan’i Le Figaro.fr

3-Vaovao tsy voizin’ny fampahalalam-baovao tandrefana (sy ny eto Madagasikara) no ambara manaraka. Kanefa dia mihatra amin’ny fiainan’olona aman-tapitrisa izany an ! Tsy inona izany fa ny fandravana hetsiky ny "indignés"  na fisamborana azy ireny ao anatin’ny herisetra mahatsiravina.

Lava dia lava ny famakafakana sy famotopotorana ireo rehetra ireo, koa ho tsinjaraintsika araka izany ny famoaboasana azy. Ny anio dia hifantoka amin’ny vaovao any amin’ny firenena arabo ny dinika, raha sitrakao.

>>>Maty hono Ingahy Kadhafi, rehefa nodaroan’ny OTAN bomba ny fiara nisy azy teo akaikin’ny tananan’i Syrte (Libye) izay nialokalofany. Nampiseho sary mahatsiravina ny fampahalalam-baovao rehetra anamarinana izany fahafatesana izany.

Dia nibitabitaka ny hery tandrefana rehetra (Frantsa voalohany), nankasitraka ny "fahafahan’i Libye" ankehitriny. Nifampiarahaba ry zareo ary nifaly havanja ny vahoaka libyana. Ny mpitolona ao amin’ny tetezamita libyana (CNT) no nampandre voalohany io vaovao io tamin’ny alakamisy 20 oktobra lasa teo. Atao hazalambo ankehitriny ireo fianakavian’i Kadhafi, any amin’izay mety ho toerana ialokalofan’ireo vady aman-janany.

Eto Madagasikara - eto Antananarivo raha ny marina - inona no hevitry ny olom-pirenena sasany ? Mampitandrina ny mpanao pôlitika malagasy izao toe-draharaha tany Libye izao, hoy ny olona sasany. Ny antony ? Io tranga any Libye io dia mampiharihary ny fanaparana hery ataon’ny firenena tandrefana ao amin’ny OTAN.

Efa nitranga koa izany tao Côte d’Ivoire tao aorian’ny fifidianana nampifanandrina an’Ingahy Laurent Gbagbo sy Alassane Ouattara. Ity farany no tohanan’ny hery tandrefana, ary dia notohanany araka izay azony natao izy mba handray tanteraka ny fahefana. Raikitra ny fifampitifirana, niditra an-tsehatra ny tafiky ny ONU, ary farany moa, voasambotra Ingahy Gbagbo.

Nahoana ary no mampieritreritra ny tranga any Libye e ? Satria nandritra ny 40 taona mahery, tsy nokitihina mihitsy, tsy noelingelenina mihitsy Ingahy Kadhafi izay nambara anefa fa mpanao didy jadona (dictateur). Iaraha-mahalala rey olona ny fikatsahan’ny firenena amerikana hifehy ny tahirin-tsolika eran-tany â !

Tsy mba kisendrasendra mihitsy, fa tetika maty paika ny fikorontanana mitranga ankehitriny any amin’ny firenena arabo : any aminy no misy ny solika. Ny gazety an-tsoratra "L’observateur" mivoaka eto Antananarivo no manamarina io anatin’ny lahatsoratra nivoaka ny alatsinainy 10 oktobra 2011. Randy Donny no mampilaza izany ka amarino tsara ny anaran’ireo firenena arabo voatonona. (*)





Jereo fotsiny ny nanaovan’Ingahy Georges W. Bush ny tao Irak e ! Saddam Hussein hono nanomana fitaovam-piadiana mahery vaika mety hahafaty ny olombelona an-tapitrisany, ka izay no antony nanafihana an’i Irak ny taona 2003. Maty i Saddam Hussein, rehefa voasambotra ka nampangaina ary nahantona araka ny didim-pitsarana. Ny fitaovam-piadiana mahery vaika, anefa, tsy nisy. Ary ny fiharian-karenan’i Irak, nitotongana no sady ravarava taorian’ny zera bomba sy ny fandosiran’ny mponina.

Marihina fa mbola nisalasala, ary naka toky tanteraka momba ny tena nahafatesan’i Kadhafi tokoa ny ao Etazonia. Ny loharanom-baovaony ihany no itokisany. Niandry izany fanamarianana izany Ingahy Obama vao namoaka fanambarana.

Mampihomehy fa mifanilika andraikitra indray ny OTAN sy ny CNT amin’ny fomba nahafatesan’i Kadhafi. Movà tsy izay sarimihetsika izay koa no nisy tatsy Côte d’Ivoire tamin’ny fotoana nisamborana an’Ingahy Gbagbo ?

Fehiny ?

Viravirain’ny hery tandrefana i Afrika sy ny firenena arabo…Aiza ho aiza i Madagasikara sy ny Malagasy eo anatrehan'izany ? Zarazarao hanjakana ve ? Vakio ATO  

Aoka ho mailo sy hiankina tanteraka amin’Andriamanitra isika rey olona. Ny fitiavan’i Jesoa Kristy, ny finoana ny famindram-pony no tsara amikirana.

Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa miharatsy izao fiainana izao.

Mirary soa ho anao an :-)




(*) L’Observateur du 10 octobre 2011, page 2 : « Révélé : le plan d’invasion de l’Arabie »
Légende de la photo : Ceci est un mémo qui décrit comment nous allons prendre 7 pays en 5 ans, en commençant par l’Irak, ensuite la Syrie, le Liban, la Libye, la Somalie, le Soudan et pour finir l’Iran.

La Russie et la Chine ont opposé leur veto au Conseil de Sécurité de l’ONU. Sans quoi, Washington aurait réussi la suite de son plan d’invasion qui a déjà commencé avec la Libye. Le 02 mars 2007, le général américain Wesley Clark, ancien commandant suprême des forces militaires de l’Otan en Europe de 1997 à 2001, a révélé dans une interview que le Pentagone a dressé un plan qui consiste à prendre le contrôle de sept pays en cinq ans : l’Irak, la Syrie, le Liban, la Libye, la Somalie, le Soudan et l’Iran.




2 commentaires:

Laingama a dit…

1)Hevitr'ireo atao hoe "Neo-cons" repoblikanina tao amin'ny governemantan'ingahy Bush Zanany io plan d'invasion io fa tsy drafitry ny jeneraly Wesley Clark akory. "Démocrate" ity miaramila ity fa tsy Repoblikana. Efa naongan'ny vahoaka amerikanina ireo mpilalao afo ireo, ary raha manaraka tsara ianao dia tsy miafina aminao fa nofaranan'ny Prezidà Obama tamin'ny herinandro lasa teo ny adin'ny amerikanina ao Irak. Amin'ny volana Janoary 2012 dia tsy hahitana miaramilan-dry zareo intsony ao Irak.
2) Be loatra ny fankahalan'ny mpanao politika any amintsika ny tandrefana, ka lasa hadinony fa i Kaddafi anie ka anisan'ireo mpitondra izay nampiseho izay faran'ny habibiana tamin'ny mponina Lybianina nandritra ny 40 taona mahery. Hadino fa iny lehilahy tsy nanana hantra iny dia nampianjera fiaramanidina roa (Pan Am/Lockerbie, UTA/Tchad) ka nahafaty olona aman-jatony tsy nanan-tsiny. Hadino farany, fa na dia nanampy aza ny OTAN dia ny mponina ao Lybia no nanongana an'i Kaddafi.
Nandrora nitsilany izy ka nahavoa ny tenany. Ny tody tsy misy, hoy ny Ntaolo, fa ny atao no miverina

Airelle'R a dit…

Misaotra anao Laingama, fa tsy feno tokoa ny lahatsoratro hihihi

Marina mihitsy ny voalazanao. Ireo "Neo-cons" anefa raha tsy eo amin'ny fitondrana aza, mbola manohy ny pôlitikany hatrany. Ny an'Ingahy Obama, "promesse présidentielle" dia ataony tokoa ny fanesorana ny miaramila amerikana ao Irak. Fa ny "continuité de l'Etat" koa tsy afaka ialany tanteraka.....

Momba an'i Kadhafi, fantatra tsara mihitsy ireo andraikiny momba ny fahafatesan'olona maro toa io Lockerbie lazainao io. Ny nitifirany ny vahoaka lybiana koa tamin'ny fiantombohan'ny hetsika dia fantatra, ary zava-doza, mandrora mitsilany tokoa hoy ianao.

Fa izao ange no mampieritreritra ny aty Dago e: nahoana ireo tandrefana -milaza azy ho Communauté internationale- no tsy mba nanameloka ny mpitondra teto tamin'ny taona 1972 (tsak-tsak zato arivo), tamin'ny taona 1991 (teny Iavoloha), tamin'ny taona 2009 tetsy Ambohitsorohitra ?
Mino aho fa fantatrao tsara ny tranga nataon'ny amerikana tao Chagoss atsy akaiky atsy an.... Ary fantatrao tsara koa fa nisy manamboninahitra amerikana niaraka tamin'ireo delegasiona matanjaky ny miaramila SADC teto ny 11 oktobra lasa teo.
Izany rehetra izany no maso andinihan'ny Malagasy (fa tsy ny mpanao pôlitika!) ny toe-draharaha eto an-tany.
Mankasitraka anao :-)