jeudi 20 octobre 2011

Mozika malagasy hatraiza hatraiza

Vita sahady ity ny Madajazzcar 2011 (odryyy) dia inona indray no malaza ?

Ankoatra ny vary sy laoka tokoa an, sarotra inoana izany Malagasy tsy mivazo izany hihihi Ary izy indray rehefa mihira dia mitobaka avy hatrany ny fihetseham-pony ! Ntsôôô….

Na an-kafaliana, na amin’alahelo, na manembona na mibitabitaka, eny, hatramin’ny hira fiderana an’Andriamanitra  koa aza, dia velon-kira mandrakariva ny Malagasy. 

Izany no mpihira aty aminay....


Dia toy izao koa ny mpandihinay….
Fa ity no mahatsikaiky. Ny tena moa mponin’Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara an. Heverina fa mivangongo eto avokoa ny fahalalana , fianarana, fahaizana, fanapahan-kevitra, eny, hatramin’ny vaovao rehetra eran-tany aza, dia fantatra avokoa rehefa aty an-drenivohitra. 

Kanefa rey olona dia ny any an-dafin’ny Riaka indray no mampita ny hira malagasy aty amintsika â ! Mba marina e ! 

Izany Tarika François avy any Isorana izany, ry zareo ao amin’ny ZMG (inona izany ? hihihi), ankoatran-dRaprosy sy ry Oladad (ireto kosa efa fantatsika an !)

Zahao kely ange ATO e ! Mahafinaritra mihitsy aloha ilay teknôlôjia avo lenta an ! hihihi Misaotra Laingama an ! 

Ankafizo ary, dia mirary tontolo andro tsara ho anao hatrany hatrany :-D




Aucun commentaire: