mercredi 11 juillet 2012

Mizotra ho aiza isika ankehitriny ?

Tsy hoe « torimaso mahasalama » dia hoe renoka aho izay elaela tsy nitafa teto izay.

Fanao tokoa ny fierenam-panahy, na « méditation », na koa ny maka bahana kely. 
Ankehitriny, na iza na iza no miresaka amin’ny filazam-baovao, dia samy midradradradra avokoa fa miha-mahantra ny vahoaka, miha-sahirana ny orinasa eto Madagasikara. Ireo antontan’isa samihafa koa dia manamarina izany. Etsy andaniny, mampangitagitaka ny mponina ny tsi-fandriampahalemana, na an-tanan-dehibe, na any ambanivohitra. Etsy ankilany, mampalahelo ny kilonga sy ny zatovo fa mitokona ireo mpampianatra SEMPAMA,  hany ka hahemotra ny fotoam-panadinana ara-panjakana....
Ireo no ankamaroan'ny toe-draharaha ara-piaraha-monina atrehan'ny Malagasy isan'andro, misomebiseby ihany manko ny raharaha eto amin’ny firenena,araka izany. Manana hevitra isan-karazany, maro loko tokoa, ireo mpiantsehatra pôlitika. Manampy izany koa ireo izay mametraka ny tenany ho fiarahamonim-pirenena na « société civile ». Fa ny olon-tsotra tahaka ahy, tahaka anao ve mba manana ny heviny ?
Toy izao ny sainam-pirenena malagasy, asandratra ihany nefa…
mba mahaleo tena marina ve isika rey olona ?


Ireo mpomba ny tondrozotra 
Hatramin’ny fanaovana sonia ilay tondrozotra (17 septambra 2011), dia tsinjo fa mitsinjara roa mazava ny hevitr’ireo mpanao pôlitika eto Madagasikara.

Etsy andaniny, ireo izay milaza fa mizotra tsara ny fampiharana ilay tondrozotra. Entiny manamarina izany ny fijoroan’ny andrim-panjakana samihafa voalaza ao amin’io tondrozotra io, dia ny Antenimieran’ny Tetezamita (io ilay CT-Congrès de la Transition- sy CST- Conseil Supérieur de la Transition), ny CENI-T na Commission Electorale Nationale Indépendante de la Transition (navaozina manontolo ireo mpikambana ao aminy). Manampy ireo ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy (FFM), na koa hoe Conseil pour le Fampihavanana Malagasy (CFM).

Mipia-kelika aloha ny fitondrana tetezamita satria efa maro ireo masoivoho vahiny miresaka sy manatona azy hatramin’ny nahavitana sonia ilay tondrozotra.

Hoy manko ry zareo :
« Ho avy ny fanampiana avy any ivelany, fa efa azo ny « reconnaissance internationale » (na fankatoavana iraisam-pirenena)

Kely sisa dia hifarana ny krizy….

Ny fifidianana ihany no antoka hamaranana ny krizy.

Fifidianana madio, mangaraharaha, eken’ny rehetra no tanterahina dia mifarana ny krizy… »

Etsy ankilany dia hitantsika indray ireo mpiantsehatra pôlitika manambara fa tsy mety mihitsy ny fampiharana ny tondrozotra, na dia efa mahazo sehatra ao anaty fitondrana ihany aza ny sasany amin’izy ireo. Ny mpomba an’Atoa Marc Ravalomanana no tian-kambara. Mahagaga manko fa Atoa Didier Ratsiraka dia tsy nanaiky hanao sonia ny tondrozotra, ary raha Ingahy Profesora Zafy Albert dia nitsipaka tanteraka ny sonia vitan’Atoa Dr Emmanuel Rakotovahiny. Ka ireo avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia mifikitra amin’ny fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ilay tondrozotra, izany hoe ny fampodiana eto Madagasikara an’Atoa Marc Ravalomanana, filoha teo aloha.

Samy manana fiarahamonim-pirenena manohana azy avokoa ireo hevitra roa ireo.

Ireo mitaky vaha-olana eo amin’ny samy Malagasy
Misy indray kosa mpandinika ny toe-draharaham-pirenena (« sociologue », « chroniqueur politique », sns) mametraka fa mirona ho roa ny hevitra pôlitika eto amin’ny firenena, dia ireo miantehitra amin’ny any ivelany sy ireo mitaky ny fahaleovan-tena marina ho an’i Madagasikara. Araka izany fijery izany, dia samy miankin-doha amin’ny any ivelany ireo mpanao pôlitika mametraka ny tondrozotra ho fomba famahana ny krizy eto.

Ivelan’ireo fironana roa ireo dia ahitana karazana mpanao pôlitika izay tsy mankasitraka tanteraka ny fidiran’ny vahiny amin’ny raharaha eto Madagasikara. (Misy koa olon-tsotra manana izany firehan-kevitra izany, fa tsy dia be teny na be fihetsika fa miasa mangina, manatsara ny andavanandron’ireo mpiray tanindrazana aminy).

Mbola mitsinjara ihany koa ireo, satria ahitana mpankasitraka fihetseham-bahoaka eny an-dalambe, ary ahitana koa ireo izay miandrandra kokoa ny fifampidinihana, amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra. Ary azo ambara fa manatanteraka asa mivaingana ihany koa ireo izay tsy re, tsy miady fa mifanatona am-pifaliana amin’ny mpiray monina.

Inona no vaha-olana mahomby ?
Ny kisary ankehitriny manko raha io tondrozotra avy amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena io (tsara tsindrina fa ny « communauté internationale » no nandrafitra ny tondrozotra) dia tsy hitondra antsika ho aiza fa amin’ny krizy lavareny. Eny, hifarana ny tetezamita aorian’ny fifidianana, satria izay no heverin’ireo mpiandrandra ny tondrozotra, kanefa hifarana miaraka amin’izay ve ny fahasahiranan’ny mponina ? Ary ny adilahin’ireo mpanao pôlitika ve dia hifarana tokoa tokoa ? Dia ho sanatria ve, noho ny tondrozotra, inty hono ka afaka roa na telo taona dia hipoitra indray ny krizy manaraka ? Sanatria re izany !

Soa fa ankehitriny dia ahitana antokon’olona mikahon-doha am-pitiavana, etsy sy eroa, raha izay no azo ilazana azy. Eny, mikatsaka ny vaha-olana maharitra manko ireo. Vaha-olana tsy hampihodinkodina lava antsika tahaka izao. Mijoro ho olom-pirenena marina, matahotra an’Andriamanitra.

1-Mila mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra ny tsirairay
Izaho, ianao, isika olon-tsotra sady olom-pirenena, ary indrindra ireo manam-pahefana.
Izao toe-draharaha izao no iainana dia satria samy revo amin’ny fitiavan-tena isika, indrisy !

2-Tsy maintsy mibebaka ary tena mifototra amin’ny fitiavan’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina
Isika mianakavy daholo no antsoina amin’izany. Ambara fa mivavaka ny Malagasy, eny, mivavaka tokoa. Ary mijoro ho firenena kristiana i Madagasikara. Kanefa nahoana àry no mitady hanjaka ny gaboraraka, ny lainga, ny halatra sy ny filan’ny nofo ? Tena mivavaka marina ve, sy miaina ny fitondran-tena kristiana tokoa va isika Malagasy, monina eto Madagasikara ?

3-Manambatra ny hery isika mba hanorina fa tsy handrava
Mety mahakivy ny toe-draharaha eto Madagasikara, kanefa ny fanantenana dia isan’ny toe-panahin’ny mpino. Ary satria ny zavatra rehetra dia hain’izay mino, dia afaka miombona hanangana sy hanorina isika.

Tsy vita vetivety ny famoaboasan-kevitra, fa dia hiverenana amin’ny manaraka.

Mirary soa ho anao, mitondrà am-bavaka ny firenena e ! Soava tsarà an !


Fanamarihana : ity lahatsoratra ity dia nokasaiko havoaka ny 07 jona 2012 lasa teo. Mbola nahatsiaro ho mila maka bahana kokoa aho, ka ankehitriny vao tapa-kevitra. Dia mahagaga fa tao anatin’izay iray volana izay… dia ny omaly tsy miova ny « gidragidra pôlitika ». Mampieritreritra an !