lundi 22 août 2011

Laoka ketsaketsa tsisy hena


Eny tokoa an, laoka tsy misy hena kanefa matsiro ihany. Hihihi 

Inona no ilaina ary ?
Baranjely (aubergines) 3 sahabo eo amin’ny 250gr

Ovy antonony 3

Poivron 1

Tongolo oignon 2, na tongolo gasy hasiny 2 na 3

Sira, menaka,


Ahoana no fahandro ?

 





Tsotra kely ny fahandro. Rehefa voadio tsara ireo legioma rehetra ireo, dia endasina ao am-bilany, anaty menaka kely ny tongolo (na oignon io na tongolo gasy), mbamin’ny poivron voatetika, atao manimanitra tsara.




 
 

Vita izany dia arotsahy koa ny ovy voatetika antonontonony, endaso ho manitra tsara. Ampio sira, tapohy rano mitovy haavo amin’ny ovy, dia aleo hiketrika eo 10 minitra aloha. Ataovy afo mahery, tsy manahy.




 


Rehefa avy eo, arotsahy ny baranjely voatetika, arohirohy hifangaro tsara. Tapohy rano mitovy haavo amin’ny legioma, ataovy afo mahery aloha an. Dia rehefa mangotraka tsara, dia sarony, ary ahenao ny afo. Avelao hiketrika eo 20 minitra, mba hiara-masaka tsara daholo ny legioma.

Hanina amin'ny vary maina na vary sosoa, mety foana io laoka io ! 



Mazotoa homana an ! 



Aucun commentaire: