mardi 23 août 2011

Tsy mikoropaka ô


Azo atao tsara ny mandamina fiainana, na dia samy miaiky aza isika mianakavy fa mampitotototo izao vaninandro izao.

Rehefa be ierehana loatra manko isika dia ireo zavadehibe no adino, na atao hoe tsy tsaroana. Toa maika daholo izay atao : maika hanatratra bus e, maika hivory e, maika hisakafo e, sy ny sisa. Maika foana, maika foana ! Oadray !



Mipetraha iray minitra ange e ! Vetivety fotsiny hihihi

Diniho amin’ny saina milamina hoe inona no tena zavadehibe (fa tsy maika an) amin’ny fiainanao ? Na olona izany, na fandaharam-potoana, na anton-draharaha, eny hatramin’ny fitafiana sy ny sakafo ankafizinao aza, samy isaintsaino avokoa.

Dia omeo toerana isan’andro amin’ny fiainanao ireo, satria ireo no zavadehibe ho anao. Raha mpino sy mpivavaka moa ianao, vao maika tsaroanao ny Tompo Andriamanitra, Jesoa Kristy, Tompo sy Mpamonjy :-D

Izaho mihitsy no mpimenomenona amin’ny raharaha mitarazoka : fitohanan’ny fifamoivoizana, fiandrasana olona tsy mari-potoana (edreey, Gasy ka manja io an hihihi), fiandrasana bus, birao mivoha, sns… ankoatra ny fihazakazahana anaty tohatra fa…. maika ô !

Hitako taty aoriana, fa azo atao ary mety mahafinaritra kay ny mitazatazana ny manodidina, rehefa mitohana ny fifamoivoizan’ny fiara (fitafian’ny olona, lokon-danitra, …) na koa azo araraotina hamakiana boky izany fotoana izany. Oadray, ny ankamaroan’ny olona aza efa any anaty bus izao no mifampiantso amin’ny finday, ho avy e, "tsy afa-manoatra fa miraikitra ny amboteazy" hihihi

Izany no fiainan’ny ankamaroa’ny mponina an-tanan-dehibe, eran-tany. Soa fa manana ambanivohitra azo isintahana isika Malagasy an…. Mifanatrika amin’ny omby sy ny akoho amam-borona. Tsy mba be safariny ireny hihihi Tsy dia misy mampirotoroto azy akory ny andavan’androny….

Tsy mpikoropaka ô ! Tsy mikoropaka an !
Sary Doctissimo

Indro mba misy torohay tsotra, ampiharina tsikelikely mba hampitony ny onjam-piainana.

Dia eto ny tohiny....

Dia mirary ny soa indrindra ho antsika jiaby :-)

Aucun commentaire: