mardi 6 septembre 2011

Mba andramo ihany :-)

Maro ireo fomba tsotra afaka manala fanaintainana na havizanana, tsy mila fanafody akory.

Raha mavesabesatra ny soroka na ny lamosina, matetika tsindrintsindriana fotsiny iny dia afaka. Efe fanaontsika Malagasy hatrizay izany fa indraindray tsy tsaroana.

Tsy fanorana no resahina eto an ! Hafa ireny, sehatra manokana nandalovana fahalalana, tahaka ny shiatsu, acunpuncture, digipuncture, sy ny hafa.


Fihetsika tsotra manala marary na havizanana no ambara. Tsara rahateo, raha maharitra ny faharariana, ny manatona mpitsabo.

Ohatra iray ary, raha valabalaka ny maso. Io fampiasantsika solosaina io manko dia anisan’ny mamizana maso an. Dia toy izao no tsara atao, araka ny ambaran’ny Santeweb.ch 

Misy teboka kely izay eo anelanelan’ny ankihikely sy ny manara-poana, hita eo amin’ny sary. Tsindriana maharitra, orina kely izany io mba hampihena ny havizanana eo amin’ny maso.



Fanampiny iray koa, azo atao dia fanorana madinika atao mivantana amin’ny maso, miendrika fanindrintsindriana moramora, mifandimby amin’ny fisafosafoana eo amin’ny handrina. Ato amin’ny Aufeminin.com indray ny antsipirihany. Maharitra eo amin’ny minitra maromaro ireo rehetra ireo, mba tena manala havizanana tokoa. 

Afaka atao ireo fihetsika  ho fanampin’ny sakafo mahatsara ny fahitana (La santé des yeux par l’alimentation)  

Izay ary no serasera ifampizarana fa dia samia tsara ô !

Aucun commentaire: