lundi 5 septembre 2011

Vary sosoa mahasalama


Zovy no Malagasy tsy mahalala ny tsiron’ny vary sosoa ? :-D

Tsara ! … Matsiiirooo ! …. Mahasalama an ! Izany no vary sosoa tena malagasy hihihi

Toy izao ny Vary Gasy Rojomena vokarin’i Codal ohatra….
Efa aondrana any an-dafin’ny riaka ange izy io izao e : any Etazonia any no manafatra ny vary mena atao hoe "Dista". Tsy mbola maharaka ny habetsahany aloha ny mpamokatra eto Madagasikara, fa efa mba amina taonina aloha no lasa any isan-taona.

Isika monina eto indray dia miadana manana azy io. Anisan’ny sakafo fanampiny ho an’ny zazakely, rehefa manomboka mihinana zavatra hafa an-koatra ny ronono izy. Ntsôôô…

Ny mpianakavy koa dia mankafy azy, na hohanina maraina, na hohanina amin’ny hariva. Mampody aina e ! Mahasoa e !
Inona no ilaofana amin’izao vary matsiro izao ? Miam miam !
Ny mahandro azy ve ? Sasàna tsara fotsiny, arotsaka asiana rano betsaka be, ataingina ambony fatana dia izay. Avela eo mandritra ny adin’ny iray, atao afo malefaka. Jerijerena matetika sao ritra ny rano, tapohana araka izay itiavana azy. 

Samia mazoto homana ary an !




Aucun commentaire: