mardi 31 mars 2015

Fanamboarana flan asiana sôkôlà (flan au chocolat)

Resaka sakafo indray ity an ! Anatin’ny herinandro masina indrindra isika ankehitriny, ka tsindrintsakafo amin’ny alahady (na alatsinainy) Paska no entina anio.

Toy izao rehefa navoaka ny lasitra


Nahoana no sôkôlà ?
Efa noresahintsika teto ny fanamboarana flan 

Ny mampiavaka azy ity dia ny sôkôlà. Anisan’ny tsiro ifampizaran’ny mpianakavy ny sôkôlà mandritra ny alahadin’ny Paska, fifaliana fa naharesy ny fahafatesana Jesoa Kristy :-) Fomba ivelany iarahana mifaly ihany izany, fa maro koa ireo marika samihafa amin’ny sakafo andro fety an !

Fanamboarana ny flan asiana sôkôlà
Tsotra kely izy ity.

Mitovy amin’ny flan tsotra ireo zavatra ilaina :

Ronono velona 1 litatra
Atody akoho miisa 6
Siramamy
Vovo-tsôkôlà (ny ahy Robquick-ny Chocolat Robert no ampiasaiko, mba manjifa ny vokatra malagasy !) :-)

Mitovy koa ny fanamboarana azy fa ilay ronono velona no afangaro amin’ny vovo-tsôkôlà mialoha. Dia io fangaro io no indray ampangotrahana ary arotsaka anatin’ny atody sy siramamy efa voakapoka tsara.

Asiana "caramel" ny lasitra (na moule) tahaka ny voalaza teo aloha. Araraka ny fangaro, atsoboka amin’ny "bain-marie", andrahoina 20 na 30 minitra eo amin’ny "cocotte minute" na lafaoro, arakaraka izay fitaovana anananao.

Toy izao rehefa mbola ao anaty lasitra


Izay dia vita !

Mirary soa indrindra, mazotoa homana ! :-)


dimanche 29 mars 2015

Ry malagasy, zovy moa ianao ?

Amin’izao 29 martsa izao, tsy hay adinoina ny zava-nitranga tamin’ny taona 1947.

Raha alefa lavitra kokoa ny saina, tonga hatramin’ny hoe fa dia maninona no toy izao ity firenentsika ity ? Ho aiza ary isika mianakavy ireto ?

Lapan’ny Tanàna Antananarivo, 2011

Tantara mbola tsy fantatra
Ambara fa taranaka mpiavy isika ireto, marina tokoa izany amin’ny ampahany. Nisy olombelona ihany teto talohan’ireo mpiavy samihafa. Vazimba ve ? Maninona moa raha izany no izy. Tsara ny mikaroka, mandalina.

Hoy manko ilay mpanakanto izay hoe : "Hafahafa ity Madagasikara ity, lazaina mahantra nefa manankarena". Marina loatra izany ! Ananantsika ny ranomasina sy ny hareny, ananantsika ny volamena sy vatosoa, sns.

Misy tsy milamina eto, ara-tantara, ara-kolontsaina.

Zaraiko aminao ny hevitr’i FAnambinana MAdagasikara :







Firavaka vita amin’ny vatosoa malagasy….


Ny hoavy manao ahoana ?
Nankalaza ny Taombaovao malagasy isika tamin’ny 21 martsa 2015 teo, saingy mbola marefo eo amin’ny fiaraha-monina ny akony. Mba inona ary no tena irintsika Malagasy e ?

Ankehitriny dia miara-mizotra eto avokoa ireo karazana kolontsaina samy hafa. Ao ny teknôlôjia avo lenta, tsy misy maharatsy azy raha ampiasaina ampiakatra ny lentan’ny saina amam-panahy (saingy indrisy, firy no manao izany ?), ao koa ireo mbola mitana sy mamelona ny maha-malagasy. Fa inona anefa ilay hoe Malagasy ?

Isika ihany no mandrafitra ny hoavintsika. Ka ireto fanontaniana ireto no mila valiny, avy amiko, avy aminao, avy amin’izay rehetra mahatsiaro ho manana fototra sy faka ary vahatra eto Madagasikara.

Isika dia mikendry :

Fiaraha-monina tahaka ny ahoana ?

Fanabeazana mitondra mankaiza ?

Asa fivelomana manakory ?

Sy ny hafa…..