mardi 31 mars 2015

Fanamboarana flan asiana sôkôlà (flan au chocolat)

Resaka sakafo indray ity an ! Anatin’ny herinandro masina indrindra isika ankehitriny, ka tsindrintsakafo amin’ny alahady (na alatsinainy) Paska no entina anio.

Toy izao rehefa navoaka ny lasitra


Nahoana no sôkôlà ?
Efa noresahintsika teto ny fanamboarana flan 

Ny mampiavaka azy ity dia ny sôkôlà. Anisan’ny tsiro ifampizaran’ny mpianakavy ny sôkôlà mandritra ny alahadin’ny Paska, fifaliana fa naharesy ny fahafatesana Jesoa Kristy :-) Fomba ivelany iarahana mifaly ihany izany, fa maro koa ireo marika samihafa amin’ny sakafo andro fety an !

Fanamboarana ny flan asiana sôkôlà
Tsotra kely izy ity.

Mitovy amin’ny flan tsotra ireo zavatra ilaina :

Ronono velona 1 litatra
Atody akoho miisa 6
Siramamy
Vovo-tsôkôlà (ny ahy Robquick-ny Chocolat Robert no ampiasaiko, mba manjifa ny vokatra malagasy !) :-)

Mitovy koa ny fanamboarana azy fa ilay ronono velona no afangaro amin’ny vovo-tsôkôlà mialoha. Dia io fangaro io no indray ampangotrahana ary arotsaka anatin’ny atody sy siramamy efa voakapoka tsara.

Asiana "caramel" ny lasitra (na moule) tahaka ny voalaza teo aloha. Araraka ny fangaro, atsoboka amin’ny "bain-marie", andrahoina 20 na 30 minitra eo amin’ny "cocotte minute" na lafaoro, arakaraka izay fitaovana anananao.

Toy izao rehefa mbola ao anaty lasitra


Izay dia vita !

Mirary soa indrindra, mazotoa homana ! :-)


Aucun commentaire: