samedi 29 octobre 2011

Anaty fiara fitaterana….

Tsy ny resaky ny olona ihany no mahavariana eto Antananarivo.
 
Ny fiara fitaterana dia samy ahitana toe-javatra mahatsikaiky. Ny ankamaroany aloha, hatrany Antsirabe an, dia irony bus Mercedes 309 (izay moa ilay izy ?) irony.



Misy mampihaingo ny ivelany sy ny ao anatiny, hany ka mahafinaritra ny mitaingina ao anatiny. Misy indray dia tena … draidraidray….voretra izany rey olona â ! Dia mifanaraka tsy misy tomîka amin’izany ny endriky ny mpamily sy ny "goal"-izany indray no filazan’izy samy izy ny "receveur" na "aide-chauffeur" hihihi

Dia toa izany koa ny soratra samihafa ao anaty fiara : mampihomehy, mampieritreritra, mahavariana...
Andao ange hijery ny santionany e

Be resaka be izy izany hihihi


Toy izao ny fiderana an’Andriamanitra anaty fitaterana

Tsy be resaka, miomana amin’ny "extincteur"

 Misy moa dia mifanaraka amin’ny zotra andehanany ny ao anatiny sy ny hafatra. Rehefa somary mamakivaky faritra "mafana" eo amin’ny fandriampahalemana dia voasoratra mihitsy ny hoe : tandremo fa misy mpangarom-paosy. Oadray !?

Izany ka bus mba manjamanja an


Ny fitaterana sasany, raha sendra mivoaka an’ Antananarivo, dia manamafy mihitsy fa tsy azo itondrana paraky gasy na toaka gasy hihihi

Dia ankoatr'ireo moa, dia ao koa ny mozika na radio alefan'ny mpamily : ao ny mahasondriana, ao ny mankadilo sofina. Rehefa tonga amin'izay ialàna moa dia ilaozana daholo izay tao anaty fiara, na ny tsara.... na ny tsy tsara hihihi 

Mahavariana ô ? Mahafinaritra ô ?  

Mahità ny soa sy ny tsara indrindra ary mandritra ity andro ity, samia tahian'Andriamanitra isika an :-D



vendredi 28 octobre 2011

Délestage en France aussi ?

Les coupures de courant peuvent se produire aussi an-dafy ! Oay ! 

Alors que la canicule nous abrutit sous nos tropiques, il apparaît que l’hiver en Europe sera probablement rigoureux.

Antananarivo à plus de 30°C à cette période, parfois 32°C selon la Météo Malagasy, ce n’est pas normal. C’est bien au-dessus de la norme. En plus, il ne pleut pas suffisamment pour relever le niveau des cours d’eau.

La fumée voile la ville : photo prise à 13h15 hier :-( 

Cette sécheresse expliquerait les coupures fréquentes d’électricité dans la Capitale malgache depuis le début de la semaine. 

Simultanément à ces soucis, la Capitale vit dans le brouillard des feux de brousse. Pour couvrir ainsi l’horizon, il faut croire que les superficies incendiées sont –hélas, hélas, hélas- fort importantes. Snif, snif Que nous sommes bêtes de malmener ainsi la Nature….

Feux de brousse et de forêts enfument les villes, snif
   
En Europe, plus précisément en France, des risques de coupures de courant sont probables cet hiver au cas où des conditions défavorables seraient réunies. 
Photo AFP 

C’est le ministre français de l’énergie, Eric Besson, qui l’a annoncé mercredi dernier, suite à l’étude présentée par le Cabinet Capgemini


Dans un cas ou dans l’autre, canicule ou froid extrême, les dispositions prises par les humains pour faire face aux aléas de la Nature sont admirables. Bien entendu, il ne faut pas perdre de vue que les distorsions de température et de saison sont aussi dues en grande partie à l’action de l’humain.

A méditer sérieusement.

Bonne réflexion sur le sujet :-)

jeudi 27 octobre 2011

Jiro tsy mandeha indray, telefona koa (saika) tapaka !

Izay vao saika tanteraka tokoa ilay hiran’ny tarika Rebika omaly an !

Tapatapaka indray manko ny famatsian’ny JIRAMA herinaratra teto an-drenivohitra omaly : Jiro tsy mandeha io 

Jiro tapaka, rano tsy misy

Hafahafa iny omaly iny teto Antananarivo, rey olona ! Tsy misy antony teo dia tapaka ny famatsiana herinaratra tamin’ny faritra maro. Misy aza moa, araka ny resaka nifanaovan’ny mpiara-monina, faritra sasany efa tsy nahazo rano intsony.

Mifandray manko ny fampiakarana ny rano amin’irony "château d’eau" irony sy ny fandehanan’ny herinaratra. Ka rehefa tapaka ity farany, dia tsy miakatra koa ny rano, dia miara-mikatso eo daholo ny zavatra.

Mifandrombaka any amin’ny paompin-drano ny olona mantsaka noho izany, na, ho an’izay afaka manao izany, dia mividy rano an-tavoahangy.
Mavitrika ny teknisiana ao amin’ny JIRAMA (eto izao manadio transfo), saingy…
 Miaritra am-pilaminana ny olona, kanefa….

Tsapa tokoa fa, amin’ny ankapobeny,  miaritra am-pilaminana izany toe-javatra izany ny olona. Mifampanontany eny an-dalana, eny an-tsena, mifampiantso amin’ny alalan’ny finday :

Mandeha ve ny jiro any aminareo ? Ny anay aty tapaka efa ho adin’ny iray !

Ny anay ny jiro tapaka tamin’ny 09 ora hatramin’ny 01 ora tolakandro. Dia tapaka indray tamin’ny 04 ora hatramin’izao ! (Andro amin’ny 06 ora hariva io)

Ny fahavoazana nitranga dia teo amin’ny sehatr’asa madinika maro tahaka irony cybercafé sy mpanao photocopie irony. Eo koa ny mpikarakara hani-masaka mampiasa fatana elektrika na vata fampangatsiahana, indrindra ireo mitahiry "glaces", na ranomboankazo, na mofomamy,… sahirana tokoa ireo raha vao tapaka ny jiro !

Ny mpahandro sasany aza lasa nampiasa kitay hany ka nidona-tsetroka fatratra ny efitrano fisakafoanana ! Draidraidray ! Mampitsoaka ny mpanjifa izany an !


Nandrehitra labozia mandrapa....

Maizina ny andro vao tafaverina ny jiro

Efa nandrehitra labozia avokoa ny ankamaroan’ny tokantrano sy ny tsena, sahabo teo amin’ny 05 ora 30 hariva teo.

Akory atao fa izany no setrasetran’ny JIRAMA hoy ny sasany.

Miaina amin’ny zava-misy, hoy indray ny hafa

Miaritra hatrany ny vahoaka, kanefa mbola hanainga pataloha ireo mpanao pôlitika ireo, hoy indray ity rangahy lehibe. (Tsy azoko aloha ny tiany ambara e hihihi)

Nony teo amin’ny 06 ora 30 teo dia niverina ihany ny hazavana ! Nisento tokana ny olona, ary dia afaka mba nanohy tamim-pilaminana ny andavanandrony. Ntsooooo !
Mila rano isika !

Tsy ampy rano eto amintsika

Raha ny fanazavana hita tamin’ny gazety androany, dia antony tsy fahampian-drano no nahatapaka ny famatsiana herinaratra omaly iny, araka ny voalazan’ny JIRAMA…..

Iva dia iva ny rano eny Mantasoa, Mandraka, Andekaleka ka tsy afaka mamokatra ny tanjaka herinaratra tokony ho tratrariny ny milin’ny JIRAMA.

Tokony hamokatra 62 mégawatts ohatra ny ao Andekaleka, nefa 42 mégawatts ihany no zakany.

Tokony hamatsy 24 mégawatts ny ao Mandraka, kanefa noho ny hamainan’ny toetrandro dia eo amin’ny 10 na 12 mégawatts ihany no zakany.

Farany (be resaka aho marina hihihi) :

Nony harivariva ny andro, saika tapaka koa ho’aho ny fifandraisana telefona : maro no tratran’ny "low batt" noho ny tsy fahafahana namahana (mampihomehy izy izany) herinaratra ny findainy. Teo koa anefa ny fahatsentsenan’ny tambazotra (busy network hoe), ka tena saika vita ilay hira hoe "Jiro tsy mandeha…telefona tapaka….."

Fehiny izany : raha tsy mirotsaka ny orana, dia tsy hanana herinaratra ara-dalàna ny mponina eto Iarivo hatrany Antsirabe. Ary dia ho tapatapaka hatrany ny famatsiana herinaratra. Ooooadray !

Avia ! Avia ! Ra-orana ô !

Mirary ny soa indrindra ho anao an ! :-D

mercredi 26 octobre 2011

Bouillon de poulet façon Maman

Ma maman a inventé cette super recette, miam !

En fait, le poulet est très souvent cuit en bouillon (akoho rony) à Madagascar. Additionné de gingembre, ce plat se rencontre dans toutes les régions et dans tout bon "hôtely gasy" qui se respecte hihihi

Ma maman a apporté une touche personnelle à ce plat traditionnel. Le plus de cette recette se trouve en effet dans l’ajout des pommes de terre et du poivron. Parfois même, le bouillon de poulet traditionnel se contente uniquement du gingembre comme épice.
Miam miam garanti :-D

Pomme de terre et poivron, mmmh
Ingrédients
Un poulet, ou juste des morceaux ("akoho gasy", ou poulet de ferme, et non poulet de chair SVP)
Du gingembre
6 gousses d’ail
1 oignon
3 à 4 pommes de terre
Un poivron
Huile, sel

Préparation
Tous les ingrédients sont à laver proprement, c’est – à – dire rincés fortement à l’eau courante. Le poulet, s’il est acheté entier, sera découpé en morceaux. Découper aussi l’oignon en rondelles, le gingembre en tranches minces, les pommes de terre en quatre ou plus, selon leur taille.

Dans une cocotte – minute, verser une à deux cuillerées d’huile. Y faire revenir le gingembre ainsi que les gousses d’ail et les rondelles d’oignon. Ajouter le poulet découpé et les pommes de terre. Quand ces ingrédients sont bien imprégnés de l’arôme des épices, ajouter 1,5 litre d’eau. Saler.

Quand l’eau bout, fermer la cocotte – minute. Cuire pendant 15 à 20 minutes sitôt que la soupape se met à siffler tchhtchhtchhh hihihi

Le poivron sera alors ajouté, afin que son parfum relève le goût de tous les ingrédients précédents.
Laisser mijoter sans fermer la cocotte.


A consommer bien chaud, avec du bon riz, rouge ou blanc c’est toujours bon !

Petit truc à essayer : verser le jus d’un citron dans un bol de bouillon. C’est tout simplement délicieux et revigorant ! 

Bon appétit ! :-)



mardi 25 octobre 2011

Occidenteries de Zef

Un (pti') dessin en dit (parfois) plus qu’un long discours….

Nul ne conteste les méfaits de Saddam Hussein, ni ceux de Ben Laden, ni encore moins les actes barbares de Kadhafi. Personne ne peut cautionner les meurtres qu'ils ont commis, cela est impossible.

Mais. Car il y a un mais….

Si l’occident se félicite de la mort de ces "ennemis de la démocratie", à Madagascar, on observe les faits d’une autre manière.

Voici ce qu’en pense Zef (L’Observateur, Madagascar du 25 octobre 2011)





  

lundi 24 octobre 2011

Occupy together na ireo "indignés" eran-tany

Ireo "indignés" eran-tany no ho resahintsika anio, ho tohin’ny "Vaovao manerana ny tany" natomboka ny asabotsy teo. ;-)

Vaovao tsy dia voizin’ny fampahalalam-baovao eto Madagasikara manko izy ity. Kanefa dia mihatra amin’ny fiainan’olona aman-tapitrisa izany an ! Ny hetsiky ny "indignés" tsy voizina ary ny herisetra mihatra aminy koa tsy ambara…. Ady amin’ny fampiharana tsy ara-drariny ny fifehezam-bola sy fanamparam-pahefana manko io hetsika io.
  
Tao New York, Square Zacotti

Hetsika eran-tany fa... tsy resahina ?

Hetsika eran-tany izy io, ho fanoherana ny tery vay manta ataon’ny fitondram-panjakana samihafa eo anatrehan’ny olana sôsialy mihatra amin’ny mponina. Tanàna aman-jatony, "plus de 700 villes" hoy ny gazety Le Monde.fr ary firenena maro koa no voakasiky ny hetsika.

Tamin’ny asabotsy heriny, ny 15 oktôbra 2011 teo, no niantsoana ny hetsika lehibe isaky ny firenena. Anisan’ny mpanentana amin’izany ny CADTMComité pour l’annulation de la dette du tiers-monde 

Izao no ambarany:" Unissons nos forces et disons NON à la dette illégitime : contractée au nom des peuples, mais qui profite à une poignée de banquiers et de politiciens corrompus, aux multinationales, à la concentration du capital, aux plans de criminalisation et de répression contre la résistance populaire. Les populations à travers le monde exigent responsabilité et transparence dans la gestion des finances publiques. Nous exigeons la suspension IMMEDIATE du paiement de la dette et la réalisation d’audits portant sur l’intégralité de l’endettement avec la participation des mouvements sociaux ! La protection des droits humains doit être la priorité des États.
Brisons les chaînes de l’endettement ! " 

Tsy re aty amintsika io vaovao io, mahagaga an ! Nefa samy olombelona miady amin’ny fampahantrana !

Tao Eorôpa (Frantsa, Soisa, Alemaina, Espania, Grèce, Grande-Bretagne,…) hatrany Etazonia sy Canada, any Israely, Koweit, Brezily, sns, dia nahitana io hetsika io. Mitaky ny fitsinjarana ara-drariny ny fiharian-karena vokarin’ny firenena tsirairay avy ireo olona ireo.

Occupy together hoy ny hiakan’izy ireo. Ny hetsika tsy misy herisetra no fanehoany ny fitakiana (mouvement pacifique et non-violent)

Saingy indrisy… tao Rôma dia nisy herisetra nitranga nandritra ny hetsika nataon’ny "indignés" tamin’io asabotsy 15 oktôbra io. Izay tranga izay no re voalohany tamin’ny fampahalalam-baovao tandrefana (miala tsiny, fa izany no marina !) fa ny vontoatin’ny hetsika tsy voalaza.

Ny mpomba ny fitakiana moa dia manizingizina fa herisetra niniana nataon’olona ivelan’ny tena "indignés" no nitranga. Io izany ilay hoe fisisihina na "infiltrations". (Efa hitantsika Malagasy io fomba fandravàna sy fandotoana io nandritra ny hetsi-bahoaka)



Fa iza moa ireo atao hoe "indignés" ?

Tao Espana no nanomboka io hetsika io ny volana mey 2011 teo, ho fanoherana ny tsy fisian’asa sy ny teritery ampiharin’ny fanjakana (ilay fanerena vokatry ny trosam-panjakana io an). Dia nanaraka azy ny tao Frantsa, tao Grèce, dia niitatra tany amin’ny firenena hafa amin’izay io.

Mamonjy toerana malalaka toy ny kianja na zaridaina ireo olona ireo, tsy anavahana sokajin-taona na saranga fa rehefa miombon-kevitra dia miara-mitokona eo dia mitaky ny rariny. Mitondra sora-baventy manambara ny tsangan-kevitra tohanany.

>>>Any Zurich (Soisa) ohatra dia mbola nanohy ny hetsiny ireo "indignés" ny asabotsy teo, ary nitondra itony trano lay itony izy ireo. Mipetraka eo amin’ny Paradeplatz. Afaka vakianao ATO ny antsipirihany fa indro santionany fotsiny.

"Zurich, samedi 22 octobre 2011 : Les «indignés» arboraient sur leurs banderoles et pancartes des slogans appelant à taxer les transactions boursières ou à sauver les êtres humains, et non les banques. Les activistes ont reçu le soutien de plusieurs auteurs et musiciens. Les jeunes socialistes avaient également appelé à participer à la manifestation."

Tao Soisa ny 15 .10.11

>>>Ny ao Montréal (Canada) dia vaovao taterin’ny Radio Canada : 
Mahaliana ny endrika firaisankina asehon’ny zanak’olombelona ! Mifanampy tokoa ry zareo, na dia mangatsiaka sy manorana aza ny andro. Lahatsoratr’i Bruno Maltais no akantsika santionany.

" Près de 200 tentes sont installées sur le square Victoria, à Montréal. (20 octobre 2011)
Après cinq jours de camping dans le quartier des affaires, les « indignés de Montréal » commencent à avoir des problèmes d'« étalement urbain ».

Quelque 200 tentes occupent tout l'espace vert du square Victoria, et certains parlent déjà de s'installer sur la place du Canada, à quelques centaines de mètres de là.

Car même si une partie des occupants devront plier bagage au cours des prochains jours pour retourner à l'école ou au travail, certains s'attendent à ce que le nombre de campeurs augmente pendant le week-end.

« Hier, le Service de police de la Ville de Montréal a indiqué aux manifestants qu'ils ne pourront pas installer de nouvelles tentes à d'autres endroits de façon à élargir le campement », a indiqué jeudi Gonzalo Nunez, porte-parole à la Ville de Montréal.
Reste que pour affronter la pluie et le froid, des membres de la petite communauté continuent d'ajouter des toiles et des matelas, question de pouvoir « rester jusqu'à Noël, s'il le faut! », lance Julie, une irréductible couchée au fond de sa tente.

En plus de leur propre matériel, les campeurs peuvent compter sur les dons d'autres indignés, qui tiennent à participer au mouvement à leur manière.

Jeudi matin, Khaled Majouji, jeune travailleur dans le secteur de l'hôtellerie, est arrivé avec du café et des beignes pour tout le monde. Même s'il n'a pas encore passé la nuit au square Victoria, il tient à soutenir le mouvement. « Je suis une personne de la classe moyenne. J'ai un emploi, je possède de l'immobilier, ma vie va très bien », dit-il. « Mais tout le monde devrait avoir un minimum de dignité, et l'écart [entre les plus riches et le reste de la population] est rendu trop grand, et plus il grandit, plus il s'accélère », déplore-t-il.

Un peu plus tôt, un homme avait garé sa BMW quelques secondes pour montrer son appui aux manifestants. « Il y a d'autres gens qui croient que ce que vous faites est tellement légitime. [...] Si j'avais un million, je le donnerais pour construire un centre communautaire ici », a lancé l'homme d'affaires qui travaille en publicité, mais qui refuse d'être identifié.

Mardi, près de 500 participants au Forum international de l'économie sociale et solidaire, qui se tient cette semaine au Palais des congrès de Montréal, sont descendus dans la rue pour appuyer le mouvement des indignés au square Victoria et dénoncer les inégalités sociales. "

>>>Tany Londres (Grande-Bretagne) dia nahitana an’Ingahy Julien Assange (mpamokatra an’i Wikileaks) nanohana ireo "indignés" araka ny vaovao ambaran’ny Le Matin.ch  
Tao Wall Street, New York, Etazonia  
>>>Tany New York (Etazonia) dia nahitana hetsika koa. Matetika dia ireo toerana manatrika ny ivon’ny fikirakirana vola sy tetibola no anehoan’ny "indignés" ny fitakiany. Tao Wall Street no nitranga ireo amerikana "indignés", ary nisy nitaraina tamin’izy ireo noho ny herisetra nihatra taminy nandritra ny fandravana ny hetsiny " http://www.lematin.ch/actu/monde/«indignes-de-wall-street»-des-brutalites-policieres-denoncees
.

"Après une journée de manifestation à Wall Street, les indignés ont dénoncé les brutalités policières dont ils ont fait l'objet. 19. octobre 2011, 06h32
(LeMatin.ch & les agences)

Une centaine d’«indignés de Wall Street» ont manifesté mardi à New York. Ils dénonçaient des brutalités policières à leur encontre.

Les forces de l’ordre ont procédé à près de 800 interpellations et ont fait usage de gaz lacrymogène à plusieurs reprises lors de rassemblements du mouvement Occupy Wall Street, dont certains militants campent depuis le 17 septembre à Manhattan. Leur mobilisation a culminé samedi au cours d’une journée mondiale émaillée de débordements à Rome.

«Ils m’ont plaqué. Ils m’ont piétiné. Ils ont claqué la porte du fourgon sur ma main (...) Ils m’ont inculpé pour résistance à agent», a protesté Zach Welch, l’un des manifestants.

Cyrus Vance, procureur de New York qui a fait état mardi de 500 arrestations, s’est refusé à dire si des enquêtes internes avaient été ouvertes après les plaintes des manifestants.

Le mouvement «Occupy Wall Street», parti du centre financier de Manhattan, a fait tache d’huile à travers les Etats-Unis, où la mobilisation touche plus de 1400 villes, selon le collectif «Occupy Together», qui recense sur internet les initiatives locales."


>>>Ireo tanana sy firenena hafa :
Rio de Janeiro, tao Koweit, tao Toronto sy ny maro hafa e ! Tany Bruxelles (Belgique), voalaza fa nisy vehivavy voaratran’ny pôlisy, araka ny tatitra nataon’ny Le Monde.fr. Mba hita soritra eo amin'ny Aterineto koa io hetsika io 
Tsara koa ny manaraka ny fivoaran’ny hetsika hatramin’izay ATO  


Izay indray ary ny amin’iny, samia ho tahian’Andriamanitra isika an. Mirary ny soa indrindra ho anao :-D