jeudi 27 octobre 2011

Jiro tsy mandeha indray, telefona koa (saika) tapaka !

Izay vao saika tanteraka tokoa ilay hiran’ny tarika Rebika omaly an !

Tapatapaka indray manko ny famatsian’ny JIRAMA herinaratra teto an-drenivohitra omaly : Jiro tsy mandeha io 

Jiro tapaka, rano tsy misy

Hafahafa iny omaly iny teto Antananarivo, rey olona ! Tsy misy antony teo dia tapaka ny famatsiana herinaratra tamin’ny faritra maro. Misy aza moa, araka ny resaka nifanaovan’ny mpiara-monina, faritra sasany efa tsy nahazo rano intsony.

Mifandray manko ny fampiakarana ny rano amin’irony "château d’eau" irony sy ny fandehanan’ny herinaratra. Ka rehefa tapaka ity farany, dia tsy miakatra koa ny rano, dia miara-mikatso eo daholo ny zavatra.

Mifandrombaka any amin’ny paompin-drano ny olona mantsaka noho izany, na, ho an’izay afaka manao izany, dia mividy rano an-tavoahangy.
Mavitrika ny teknisiana ao amin’ny JIRAMA (eto izao manadio transfo), saingy…
 Miaritra am-pilaminana ny olona, kanefa….

Tsapa tokoa fa, amin’ny ankapobeny,  miaritra am-pilaminana izany toe-javatra izany ny olona. Mifampanontany eny an-dalana, eny an-tsena, mifampiantso amin’ny alalan’ny finday :

Mandeha ve ny jiro any aminareo ? Ny anay aty tapaka efa ho adin’ny iray !

Ny anay ny jiro tapaka tamin’ny 09 ora hatramin’ny 01 ora tolakandro. Dia tapaka indray tamin’ny 04 ora hatramin’izao ! (Andro amin’ny 06 ora hariva io)

Ny fahavoazana nitranga dia teo amin’ny sehatr’asa madinika maro tahaka irony cybercafé sy mpanao photocopie irony. Eo koa ny mpikarakara hani-masaka mampiasa fatana elektrika na vata fampangatsiahana, indrindra ireo mitahiry "glaces", na ranomboankazo, na mofomamy,… sahirana tokoa ireo raha vao tapaka ny jiro !

Ny mpahandro sasany aza lasa nampiasa kitay hany ka nidona-tsetroka fatratra ny efitrano fisakafoanana ! Draidraidray ! Mampitsoaka ny mpanjifa izany an !


Nandrehitra labozia mandrapa....

Maizina ny andro vao tafaverina ny jiro

Efa nandrehitra labozia avokoa ny ankamaroan’ny tokantrano sy ny tsena, sahabo teo amin’ny 05 ora 30 hariva teo.

Akory atao fa izany no setrasetran’ny JIRAMA hoy ny sasany.

Miaina amin’ny zava-misy, hoy indray ny hafa

Miaritra hatrany ny vahoaka, kanefa mbola hanainga pataloha ireo mpanao pôlitika ireo, hoy indray ity rangahy lehibe. (Tsy azoko aloha ny tiany ambara e hihihi)

Nony teo amin’ny 06 ora 30 teo dia niverina ihany ny hazavana ! Nisento tokana ny olona, ary dia afaka mba nanohy tamim-pilaminana ny andavanandrony. Ntsooooo !
Mila rano isika !

Tsy ampy rano eto amintsika

Raha ny fanazavana hita tamin’ny gazety androany, dia antony tsy fahampian-drano no nahatapaka ny famatsiana herinaratra omaly iny, araka ny voalazan’ny JIRAMA…..

Iva dia iva ny rano eny Mantasoa, Mandraka, Andekaleka ka tsy afaka mamokatra ny tanjaka herinaratra tokony ho tratrariny ny milin’ny JIRAMA.

Tokony hamokatra 62 mégawatts ohatra ny ao Andekaleka, nefa 42 mégawatts ihany no zakany.

Tokony hamatsy 24 mégawatts ny ao Mandraka, kanefa noho ny hamainan’ny toetrandro dia eo amin’ny 10 na 12 mégawatts ihany no zakany.

Farany (be resaka aho marina hihihi) :

Nony harivariva ny andro, saika tapaka koa ho’aho ny fifandraisana telefona : maro no tratran’ny "low batt" noho ny tsy fahafahana namahana (mampihomehy izy izany) herinaratra ny findainy. Teo koa anefa ny fahatsentsenan’ny tambazotra (busy network hoe), ka tena saika vita ilay hira hoe "Jiro tsy mandeha…telefona tapaka….."

Fehiny izany : raha tsy mirotsaka ny orana, dia tsy hanana herinaratra ara-dalàna ny mponina eto Iarivo hatrany Antsirabe. Ary dia ho tapatapaka hatrany ny famatsiana herinaratra. Ooooadray !

Avia ! Avia ! Ra-orana ô !

Mirary ny soa indrindra ho anao an ! :-D

Aucun commentaire: