samedi 29 octobre 2011

Anaty fiara fitaterana….

Tsy ny resaky ny olona ihany no mahavariana eto Antananarivo.
 
Ny fiara fitaterana dia samy ahitana toe-javatra mahatsikaiky. Ny ankamaroany aloha, hatrany Antsirabe an, dia irony bus Mercedes 309 (izay moa ilay izy ?) irony.



Misy mampihaingo ny ivelany sy ny ao anatiny, hany ka mahafinaritra ny mitaingina ao anatiny. Misy indray dia tena … draidraidray….voretra izany rey olona â ! Dia mifanaraka tsy misy tomîka amin’izany ny endriky ny mpamily sy ny "goal"-izany indray no filazan’izy samy izy ny "receveur" na "aide-chauffeur" hihihi

Dia toa izany koa ny soratra samihafa ao anaty fiara : mampihomehy, mampieritreritra, mahavariana...
Andao ange hijery ny santionany e

Be resaka be izy izany hihihi


Toy izao ny fiderana an’Andriamanitra anaty fitaterana

Tsy be resaka, miomana amin’ny "extincteur"

 Misy moa dia mifanaraka amin’ny zotra andehanany ny ao anatiny sy ny hafatra. Rehefa somary mamakivaky faritra "mafana" eo amin’ny fandriampahalemana dia voasoratra mihitsy ny hoe : tandremo fa misy mpangarom-paosy. Oadray !?

Izany ka bus mba manjamanja an


Ny fitaterana sasany, raha sendra mivoaka an’ Antananarivo, dia manamafy mihitsy fa tsy azo itondrana paraky gasy na toaka gasy hihihi

Dia ankoatr'ireo moa, dia ao koa ny mozika na radio alefan'ny mpamily : ao ny mahasondriana, ao ny mankadilo sofina. Rehefa tonga amin'izay ialàna moa dia ilaozana daholo izay tao anaty fiara, na ny tsara.... na ny tsy tsara hihihi 

Mahavariana ô ? Mahafinaritra ô ?  

Mahità ny soa sy ny tsara indrindra ary mandritra ity andro ity, samia tahian'Andriamanitra isika an :-D



Aucun commentaire: