jeudi 22 août 2013

Malagasy mifoha (tohiny)



Mifoha ny Malagasy ! Porofon’izany mivaingana avy hatrany ny fisian’ny FLN –Front de Libération Nationale- Vavaady Fanafaham-Pirenena. Ao koa ny Club des Refondateurs de la Radio Antsiva.

Front de Libération Nationale na
Vavaady Fanafaham-Pirenena

FIHETSIKETSEHAN’IREO MPANJANAKA AMIN’NY ENDRINY VAOVAO
Amin’ny fotoana anoratantsika izao dia tonga eto amintsika sahady indray Atoa Joaquim Chissano, iraky ny SADC sy ny GIC-M. Inona no antony ?

Hanara-maso ny fampiharana ireo didy 7 navoakan’ny GIC-M ny volana jolay lasa teo, afaka vakianao ATO

Ny dingana voalohany notakiany dia ny fanavaozana ny CES (Cour Electorale Spéciale) –Fitsarana Manokana momba ny Fifidiana. Tanteraka haingana tokoa izany, raha nisy fitavozavozana teo aloha. Mahagaga an !

Dia nanatanteraka ny baikony tokoa ilay CES vaovao, ary dia misesy ny fanapahan-kevitra avoakany.

ETO dia nahiliny tsotra izao ireo kandidà telo tsy azoazon’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena (ilay Etazonia sy ny forongony, dia ireo Eôropeanina izany).

"Article 4.- Annule les candidatures de sieur RAJOELINA Andry Nirina, de dame RAVALOMANANA Lalao née RAKOTONIRAINY, de sieur RATSIRAKA Didier Ignace, pour anomalie de la décision dans l’application de la loi."

Dia ny fanondroan’ny CENI-T (Vaomiera Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana) ny daty hisian’ny fifidianana sisa andrasana, dia tanteraka ilay Didy 7 voalaza etsy ambony.

Ireo mpanao pôlitika nanao sonia ny Tondrozotra ihany anefa no anton’izao rehetra izao !

Inona no mba hevitro, inona no mba hevitrao olom-pirenena Malagasy eo anatrehan’izao rehetra izao ?







FANOHERAN’NY MALAGASY TSY MANAIKY LEMBENANA

Raha ny fahitana azy dia ireo mbola manohana tsangan’olona ihany (noho ny antony samy manana ny azy) no tsy mahatsapa fa efa maika ny fanilihana tanteraka ny vahiny mpibaiko eto amintsika.

Efa nambaran’I Vahömbey ny 13 jona 2013  teo, rehefa nihantsy an’Ambohitsorohitra irery ny tenany fa tsy tokony hanohanana tsangan’olona ny olom-pirenena.

Asa lahy raha mba voaray ny hafany ?!!

Raha ny fanilihana ny vahiny mpanani-bohitra amin’ny endriny vaovao, dia tsy tanteraka anefa izany raha tsy miray hina tokoa isika Malagasy, eto Madagasikara hatramin’ny any ivelany.

Mety ho sarotra izany mety ho mora.

Satria matoa tafiditra sy tafatoetra eto ireo vahiny ireo dia misy Malagasy toa antsika mamoha varavarana ary mampiantrano azy.

Sa ahoana no fihevitrao ?
 
Miara-mizotra ihany ireto hery ireto aloha, ka enga anie mba ho tafahaona.




1) Ny “Club des Refondateurs de la Radio Antsiva”etsy andaniny, izay mivoy hevitra mampitraka ny loha, na eo amin’ny fiaraha-monina, na eo amin’ny toekarena. Mivoy Firaisankina sy fahaleovantena ara-toekarena io fandaharana io. Tsy ny mpanao gazetin’ny Antsiva no manatanteraka azy fa olom-pirenena tahaka ahy sy ianao.

Samy mitondra ny anjara birikiny, mifototra amin'ny fisainana hoe: Antsika Malagasy i Madagasikara, ka RARINY sy HITSINY raha isika no migoka sy misitraka ny tanintsika sy izay vokatra ao aminy (fambolena, harena ambonin'ny tany, an-dranomasin, ambanin'ny tany...)

Dia inty tokoa no site web ahazoana ny Antsiva : http://www.radio-antsiva.com/
Raha mari-drefy dia FM 97.6 izy eto Antananarivo :-)


 
Fananganana ny FLN tao amin’ny Foibe Otrikafo,
ny 10 aogositra 2013
 
2) Ny hery faharoa dia ny FLN  araka ny nambara teo.

Malaza ery izany anarana izany raha tany Alzeria, Vietnam, Grèce, sns. Izany no nivondronana karazan’olona samihafa miaraka amin’ny antoko pôlitika OTRIKAFO. Hatreto manko dia io antoko io no tsy mbola nandadilady tamin’ny vahiny, fa niezaka maneho ary mitohy foana izany fa mahavita tena isika Malagasy.

Olon-tsotra, antoko pôlitika, fikambanana, sendikà, sns no mandrafitra ny FLN. Ary ny varavarany dia mivoha ho an'ny Malagasy rehetra tsy manaiky baikom-bazaha.

Tarazon’ny fanjanahantany sy fanjanahan-tsaina (ankoatra ny tombontsoa atsipitsipin’ny vazaha) ny hoe “Tsy afa-misaraka amin’ny vahiny I Madagasikara”. Fandemena ny saintsika izany, satria raha ny famatsiam-bola entiny no resahina, dia tsy mba fanampiana akory izany, fa TROSA MANANDEVO ! Dia ny taranatsika no manefa io trosa io raha mbola variana amin’ny adin’akoholahy (Ravalo, Rajoelina, Zafy, Ratsiraka) ianao olom-pirenena.

Ny adin’ombalahy atrehina dia ny fikasan’ireto vazaha (na mainty na fotsy) hiorim-paka eto amintsika. Jereo ny nitranga tany Mali vao teo e ! Ny tany Côte d’Ivoire, sy ny tao Centrafrique….

Miara-zotra ny Club des Refondateurs sy ny FLN satria samy mivoy ny maha-Malagasy sy ny firaisan-kina, na inona na inona firehana pôlitika. 


Mety ho tafaray ve ?