vendredi 2 décembre 2011

Ny fahorian’ny mponina tao Chagos

Aiza ary maninona loatra izany Nosy Chagos izany ?

Tangoro-nosy moa raha ny marina no tokony hiantsoana azy, satria maro ireo nosy mandrafitra ny Chagos. 


Avaratra atsinanan'i Madagasikara ny Chagos
 
Miisa 55 manko ireo ka raha zahana avy any avaratra mianatsimo dia ireto avy izany :

 
Carte Chagos 


récif Colvocoresses ;
banc Speakers ;
récif Blenheim ;
îles Salomon ;
Peros Banhos ;
bancs Benares ;
banc Victory ;
banc Great Chagos ;
îles Egmont ;
banc Cauvin ;
banc Owen ;
banc Pitt ;
Diego Garcia ;
banc Ganges ;
banc Wight ;
banc Centurion.





Ao amin’ny Wikipédia no voazava amin’ny antsipirihany ny momba ireo nosy tsirairay avy. Toy izao ny endriky ny nosy Salomon ohatra. Kanto sady mahate-honina ô ? 

Iles Salomon

Fifindra-monina an-tery

Zava-doza anefa no nafitsoky ny tafika amerikana amin’ireo nosy ireo, ary vao tsy ela an !

Tsy inona akory izany fa ny fandroahana tsotra izao ny mponina tamin’ireo nosy ireo, indrindra tao Diego Garcia, mba hanorenana toby miaramila goavana. Zanatany anglisy tahaka ny nosy Maurice aty amin’ny Riaka Indiana manko ny tangoro-nosy Chagos. Rehefa nahaleo tena ny nosy Maurice, dia nohazonin’ny anglisy ihany ny tangoro-nosy Chagos, ary dia nomeny onitra ny nosy Maurice noho izany.

Tsy fitiavana manokana ny nosy Chagos na ny nosy Maurice izany rehetra izany, fa tanjona ara-tafika no tao ambadik’izany vola fanonerana izany. Indrisy !

Teo anelanelan’ny jolay 1966 sy ny taona 1973 vao haingana, hoy aho- dia noroahana tsotra izao ireo mponina rehetra teo amin’ny nosy Diego Garcia, anisan’ny lehibe indrindra ao amin’ny Chagos. Notrongisina tamin’ny bulldozer ny trano, entana, fananana…. Nesorina ny mponina : mialà !

Fifanarahan’ny firenena amerikana sy anglisy io an ! Tsy misy fierana amin’ny mponina tao fa dia nafindra tao Maurice sy tao Seychelles  tsotra izao ireo, tsy an-kiera fa an-tery.

Mitaky ny fiverenany ao amin’ny tany nihaviany ireo vahoaka Chagosiana ireo, ary mifampitarika amin’ny fitsarana any Angeletera teo anelanelan’ny 1998 sy 2008 fa e ! e ! e ! Tsy mahazo rariny.


Toby miaramila atao inona ?
Base Diego Garcia

Toy izao ny toby miaramilan’ny amerikana ao Diego Garcia… Mampitsangam-bolo ! Mampari-koditra ! 

Inona tokoa moa no tokony hisisihan’ny amerikana sy anglisy aty amin’ny Riaka Indiana aty e ?

Toerana stratejika ho an’ny fitsikilovana samihafa ireo nosy Chagos ireo, hahafahana manara-maso ny Riaka Indiana manontolo. Ny lalan’ny sambo mpitatitra solika dia amin’io avokoa no mandalo, indrindra ireo mamatsy an’i Chine.

Resa-bola, fahefana sy fifehezana hatrany no entin’ny amerikana sy ny mpiara-dia aminy misetrasetra toy izao amin’ny mponina tsotra.

Inona no ifandraisan’izany amintsika Malagasy ?

Ohabolana tsotra no ambaran’ny mpandinika : ny raha mahavoa aomby mena mety mahavoa aomby jôby, zalahy eee !

Raha tenenina amin’ny fiteny andavan’andro dia ny nahavoa ny Chagosiana dia sanatria mety hahavoa antsika Malagasy.

Tsy faminaniana, tsy fampitahorana, fa fampieritreretana sy fampitandremana.

Ela no nisiana masoivoho teto amintsika, fa tsy mbola nisy nanorina trano mafy sy be filirony tahaka ny an-dry zareo amerikana etsy Ambohibao Andranomena. Vao haingana ny tompon’andraikitra ambony tao (ambasadaoro tsy mitonon-tena) no nanambara fa natao haharitra 100 taona (ieee, zato taona be izao !) io masoivoho io. Ary mitentina amina miliara dolara io trano io an ! 

Voagidragidra mafy ianao raha mihaodihaody eo Andranomena, 
indrindra raha mihevitra ny haka sary an ! hihihi
  
Nahoana no dia miori-paka lalina eto amintsika ny amerikana an ?

Fitiavana manokana ny Malagasy ve ? hihihi aoka aloha hihomehy kely, fa resaka diplômatika ihany no andrenesana izany.

Mety ho tiany Madagasikara nosintsika, fa tsy ahoana akory raha izay izaho, ianao, sy ireo olom-pirenena malagasy hafa.

Tiany i Madagasikara, satria tsy mba bitika sy madinika tahaka ny nosy Maurice na i Diego Garcia, fa midadasika tokoa. Ananantsika daholo ny harena ambanin’ny tany, ananantsika koa ny rano, ala, zavaboary mahagaga sy mahavariana. Tena toerana tsara hamaharana mba anamafisana ny fitsikilovana sy fifehezana ny Riaka Indiana.

Resa-tafika ihany

Tsarovy fotsiny fa ny 11 oktobra 2011 teo ange, tsy manamboninahitry ny tafiky ny SADC irery ihany ange no tonga teto e ! Nisy 5 sa 6 koa no avy amin’ny tafika amerikana e ! Dia gaga ianao Malagasy amin’izany ! ? Hanao inona aty ny tafika miaramila toy ireny ?

Ahoan’ny amerikana inona moa isika e ? Demôkrasia ve no tiany hiainan’ny Malagasy ? Dia satria tsy nisy ny demôkrasia teto dia mpiasa malagasy aman’alina tamin’ny orinasa afa-kaba no tsy an’asa vao nofoanana ny AGOA ho an’i Madagasikara… Inona no ifandraisan’izany e ?

Izay ary no ela, fa samia mandray, samia mandinika lalina rey olona ô !

Maro ireo loharano hafa azonao anovozana fahalala bebe kokoa momba ny setrasetran’ny demôkrasia amerikana tany Chagos hihihi (ilay hoe demôkrasia no ihomehezako, fa mahonena loatra ny manjo ireo Chagosiana hatramin’izao an). 

Lahatsoratr’i Timothy Mirthil manambara ny nanjo ny Chagosiana


Jereo koa ny bokin’Atoa Jean Claude de l’Estrac,  mitondra ny lohateny hoe "L’an prochain, à Diego Garcia". Atoa Jean Claude de l’Estrac dia teratany Morisiana, ary Sekretera jeneralin’ny COI izy ankehitriny.

Mirary soa ho anao, misaotra anao mitsidika izao sehatra serasera izao an. :-)




Extrait de Wikipédia 


À l'origine, l'archipel des Chagos est peuplé de Chagossiens, un peuple cultivateur, issu du métissage de populations africaines et indiennes. Ces populations y sont amenées par la France, puissance coloniale de l'époque, au cours du XIXe siècle pour y servir de main-d'œuvre[réf. nécessaire]. Ils sont entre 800 et 1 500 sur Diego Garcia, les îles Salomon et Peros Banhos lorsqu'ils sont déportés vers les Seychelles et Maurice entre 1966 et 1973. Depuis le départ des derniers Chagossiens, les seuls occupants de l'archipel se trouvent sur Diego Garcia1. Ce sont des militaires britanniques et Américains ainsi que des employés britanniques, américains, mauriciens et philippins dont l'effectif s'élevait à environ 4 000 personnes en novembre 2004.





Aucun commentaire: