mardi 29 novembre 2011

Tsakitsaky malagasy ve

Tsy dia hoe ho sain-kanina rey olona, fa tena matsiro ilay tsakitsaky malagasy e !

Tsy mahahendry hihihi. Na mamy na masira, dia satry foana hihinana ny mofomofo aty e ! Eto am-potony hoa ! 

Jereo ireto izy koh
Na somary tetehina, na avy dia tsakoana an, mmmhh, miaraka amin'ny dite na kafe, aoka fotsiny r'ireto a ! 

Samy matsiro e !
Ireo ambony ireo izao ny mofo baolina, mofo sira (ramanonaka) ary mofogasy, 

Izany no mofo sakay aty an ! Miam
Vaventy sady tsara ilay mofo sakay an. Indraindray tsy misy sakay hihihi dia ataon'ny olona hoe mofo anana. 
Fa aiza no ahitana ireo tsakitsaky ireo hoa ? 

An-an-an, eny amin'ny tanàna jiaby kah hihihi 
Isaky ny fokontany, raha mbola eto Antananarivo, tsy maintsy ahitanao mpivarotra mofomofo. Tena marina an, hihihi. Ary tsy tokana fa maro, efa ho isaky ny 30 metatra aza. Ny mosakiky sy ny ron'akoho tsy lazaina intsony (na dia manafika fatratra aza ny composé sy pâte jaune isan-karazany, biiiih)

Trano manga, malaza hatrany an-dafin'ny Riaka 
Tendan-kanina ve ny gasy ?  ;-)  Angamba tsy hoe tendan-kanina kosa fa mba mankafy ny fiainana ô ? 

Ankafizo araka izany koa izay ataonao ary an ! 

Samia tsara rey olona â. Ho tahian'Andriamanitra isika mianakavy, mba mitsikia kely ary :-D

Aucun commentaire: