jeudi 9 mai 2013

Fifidianana eto Madagasikara (3)



IREO KANDIDA HO FILOHAM-PIRENENA
Niara-zendana sy vaka ary nidanàka tahaka anao olom-pirenena Malagasy aho rehefa tonga ilay datin’ny 28 aprily 2013, nifaranan’ny fanaterana antontan-taratasy tao amin’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (Cour Electorale Spéciale-CES), « zandrin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (Haute Cour Constitutionnelle-HCC) ».





KANDIDA NAMETRAKA ANTONTAN-TARATASY
Nahatratra 50 DIMAMPOLO, ENY DIMAMPOLO ! mianadahy ireo nanatitra antontan-taratasy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena eto Madagasikara. Endriky ny demôkrasia tena marina eto amintsika izany, hoy ny sasany, ka mahazo mirotsaka avokoa izay mahafeno fepetra. Fibaribarin’ny fizaran-kevitra eo amin’ny samy Malagasy izany, hoy kosa ny sasany. Niisa 7 (fito) ireo andriambavilanitra nanatitra antontan-taratasy tetsy Ambohidahy.

Na izany na tsy izany, nisy nisintona ny antontan-taratasiny, tahaka an-dRAKOTOARIJAONA Avotra Antsiva Avoko, natolotry ny MAF – Madagasikara Afaka-, fantatra amin’ny anarana hoe Me Avoko, mpiangaly hai-ady Kung-Fu. Ao koa ireo tsy nahafeno ny fepetra, indrindra ny fandoavana ny antoka (caution) 50 tapitrisa Ar, dia samy nolavin’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana.

Noheverina fa 49 aloha ireo kandidà tamin’ny harivan’ny 28 aprily teo an, satria Ingahy RAZAFINDRAVAHY Edgard Marie Noé, Filohan’ny Delegasiona Manokana eto Antananarivo Renivohitra, kandidan’ny antoko TGV – Tanora malaGasy Vonona- no namarana ny lisitry ny kandidà. Tamin’ny 5 ora latsaka fahefany, raha mifarana amin’ny 5 ora ny fandraisana antontan-taratasy, no nahatongavany tao Ambohidahy, misy ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana.


IREO KANDIDA NEKENA NY FIROTSAHANY
Rehefa nigadona anefa ny andro zoma 03 Mey 2013, akory ny hagagan’ny rehetra fa hay mbola misy antontan-taratasy hafa tafiditra tao, dia ny an’Atoa Andry Nirina RAJOELINA. Rava ho azy ilay « Ni…ni… » ! Kay resaka fampihesonana antsika fotsiny ireny ! Sshh !

Fa tsy izany ihany, Atoa RATSIRAKA Didier Ignace, izay tonga tamin’ny tapatapaky ny volana aprily 2013, sy Rtoa RAVALOMANANA Lalao Harivelo (eny, vadin’Atoa Marc RAVALOMANANA), tonga teto hitsabo an-dreniny (Bebe Razay) tamin’ny volana febroary 2013 teo, dia sady nanatitra antontan-taratasy no nekena ny firotsahany. Mbola resaka hafa koa ny an’Atoa VITAL Albert Camille, Praiministra teo aloha ary MAsoivohon’i Madagasikara any Soisa.

Ny Lalàna Fehizoro momba ny fifidianana ny Filoham-pirenena anefa milaza mazava tsara fa tokony ho mitoetra enim-bolana eto an-tanindrazana, eto Madagasikara ireo kandidà !

Article 46 de la Constitution, et Article 5 de la loi organique n°2012-015 du 1er août 2012 relative à l’élection du premier Président de la Quatrième république : tout candidat à l’élection du Président de la République doit résider sur le territoire de la République de Madagascar depuis au moins six mois avant le jour de la date limite fixée pour le dépôt de candidature

Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana, azonao vakiana ATO 
dia manambara toy izao ireo anarana 41 (iraika amby efapolo) izay ekena ho kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Hatreto dia alahatra araka ny fanaterana antontan-taratasy ny fitanisana azy (misy diso ny azy fa bof, bof).

1. Hajo Herivelona ANDRIANAINARIVELO*
2. LAHINIRIKO Jean*
3. RATSIRAKA Iarovana Roland*
4. RABEARISON Roland Dieu Donné dit VAHÖMBEY
5. RAJAONARIVELO Pierrot Jocelyn*
6. JEAN-LOUIS Robinson Richard**
7. RABEHARISOA Saraha épouse GEORGET
8. RAKOTO Jean Pierre
9. RABETSAROANA Willy Sylvain
10. RABEMANANTSOA Brigitte Ihantanirina
11. RAZAFIMANAZATO Julien**
12. RAZAFIARISON Laza
13. VITAL Albert Camille*
14. MONJA Roindefo Zafitsimivalo**
15. RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin
16. RAFALIMANANA Ny Rado
17. RAVALOMANANA née RAKOTONIRAINY Lalao Harivelo**
18. KOLO Christophe Laurent Roger
19. RAJEMISON RAKOTOMAHARO**
20. JULES ETIENNE Rolland
21. VONINAHITSY Jean Eugène*
22. RAVALISAONA Clément Zafisolo
23. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Alain**
24. RAJAONARY Patrick Ratsimba
25. LEZAVA Fleury Rabarison
26. RATSIRAKA Didier Ignace**
27. RAKOTOMALALA Marcel Fleury
28. DOFO Mickaël Bréchard
29. RANDRIAMANANTSOA Tabera*
30. NOELSON WILLIAM**
31. RATRIMOARIVONY Guy
32. FAHARO RATSIMBALISON
33. RASOLOVOAHANGY Roselina Emma
34. RAKOTO ANDRIANIRINA Fetison**
35. RATREMA William
36. RASOLOSOA Dolin Rina Josephson*
37. RAHARIMANANA Venance Patrick
38. TINASOA Freddy
39. RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin**
40. RAZAFINDRAVAHY Edgard Marie Noé*
41. Andry Nirina RAJOELINA*

Ireo andriambavilanitra sisa tavela no nataontsika GRAS na maventy ny anarany. Ireo kintana tokana (*) kosa dia ireo manana andraikitra eto amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao : Ministra, mpikambana ao amin’ny antenimieran’ny tetezamita (CT na CST). Ireo manana kintana roa (**) kosa dia ireo efa nisahana andraikitra teto amin’ny Firenena, na nandritra ny Tetezamita na taloha.

Amin’izao fotoana anoratana izao moa dia efa vita tao amin’ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana mandritra ny Tetezamita (CENI-T na Commission Electorale Nationale Indépendante de la Transition) ny antsapaka ilaharan’ireo kandidà amin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Izany hoe, filaharana eo amin’ny takelaka fametahana afisy, na koa amin’ny fidirana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra. Ity farany moa dia hanomboka ny alatsinainy 24 jona 2013 amin’ny 6 ora maraina ary hifarana ny talata 23 jolay amin’ny 6 ora maraina.

Ireo kandidà misahana raharaham-panjakana dia tokony hametra-pialana vantany vao ambaran’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana izao lisitra izao. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy izany an. Ho an’Atoa Andry Rajoelina manokana moa dia efa voafaritra fa, amin’ny maha-Filohan’ny Tetezamita azy, dia 60 andro mialoha ny daty fifidianana no tokony hametrahany fialana. Mbola resaka hafa daholo izany rey olona, fa inona moa no tena andrandraintsika amin’izao fifidianana izao ? Inona tokoa r’ireto ?


FA INONA NO MBA FANIRIAN’NY MALAGASY ?
Araka ny nambara tamin’ny lahatsoratra faharoa dia hamarana ny tetezamita ireo fifidianana heverina hatao mandritra ity taona 2013 ity. Fa raha izay « krizy », dia tsy hay izay tena fiafarany. 

Raha ny mikasika izay ho Filoham-pirenena dia miandrandra olon-kendry sy olo-marina ny ankamaroan’ny olom-pirenena.

Ny manahirana anefa dia izao : ankoatra ireo goaika antitra -na tanora ! - efa nandamaka ny Firenena, dia saika olon-tsy fantatra avokoa ireo mirotsaka ireo. Ao ny mpandraharaha, ao ny mpanabe, ao ny miaramila misotro ronono, sns.

Ankoatra izany, manahirana fa ireo goaikam-pôlitika ireo dia samy manana ny mpanindrahindra sy mpanasohaso azy avy.

Mazava ho azy fa vola tsy toko tsy forohana koa no hirotsaka mandritra ny fampielezan-kevitra : T-shirt e, casquette e, banderole, sono, ankoatra ny afisy, ny doka ao amin’ny gazety sy haino aman-jery, ny saran’ireo artista hihira sy hamory vahoaka, sns. Vola be ô ?

Fa izany ve no ilaintsika sy andrasantsika amin’izao fifidianana izao ? Ireo izay mandehandeha any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo any manko, amin’izao fotoana izao, dia samy babany avokoa an ! Olona re izao manotrona sy mitehatehaka izao e ! Horakoraka sy endrika mirana izany an !

Fa tena ilay kabary ve no mahafaly sa dia mivorivory ts’isy atao (sanatria !) ireo olona antsoina ireo e ? Raisiko ohatra amin’izany Atoa isany Hajo Andrianainarivelo, Edgar Razafindravahy, Ratsiraka Roland, Andry Rajoelina. Mandehandeha any ambany ravinkazo any hanao inona ?

Olon-kendry sy olo-marina ve ireo ? Ary ny hafa manao ahoana ?




NY FANORENANA IFOTONY - REFONDATION
Efa mba misy mivoy ihany ilay hoe tsangan-kevitra tohanana fa tsy tsangan’olona a ! Aoka izay ity « fanatisme » ity ! Marina fa olona no ho fidiana, fa izay vinam-piaraha-monina entiny no isafidianana azy.

Ho velabelarintsika bebe kokoa ny momba an’io atsy ho atsy. Hetsika novoizin’ny Radio Antsiva (FM 97.6) efa hatramin’ny taona 2009 manko izy io, ka aleo ny marina ihany no ambara e !

Efa misy maromaro manko ireo pôlitisiana matihanina (sa velontena ? hahaha) mitady handrapaka sahady io hevitra io, ka aoka tsy ho sodokan’ny kabary tsara lahatra isika an ! Be ny adala fa malama vava, ka ny hendry badobado no ho ambakainy raha tsy mailo !

Somongan-teny ihany izany fa inty no tena hevitra : ny fokonolona, izaho, ianao, araka ny fikasan-dRatsimandrava Richard no ifampizaran’ny « Club des Refondateurs de la Radio Antsiva ».

Ho anao Malagasy any an-dafin’ny Riaka, afaka mandre ny Antsiva ianao raha tsy diso aho, fa efa mandeha amin’ny alalan’ny aterineto izy. Rehefa hitako ny rohy dia omeko eto.

Mirary soa ho anao, mirary soa ho antsika Malagasy. :-)