jeudi 18 avril 2013

Fifidianana eto Madagasikara (2)



HAMAHA OLANA TOKOA VE ?
Raha ny famahana olana, dia saiky miaiky avokoa ny rehetra, na mpandinika fiaraha-monina, na mpanao pôlitika, na olom-pirenena, fa ny fifidianana tokoa no fomba iray amaranana ny « krizy » eto amintsika.

Ny antony ? Dia ny hananantsika olomboafidy ara-dalàna indray eo amin’ny fitantanan-draharaham-pirenena, fa tsy ireto olom-boatendry mandrebireby ireto. Mbola misy toe-draharaha hafa tokony halamina anefa vao tena « mifarana ny krizy », fa iverenantsika izany.







NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA
Satria io no fifidianana voalahatra voalohany, ka mitarika ny fizoran’ny hafa, dia ifantohantsika kokoa.

Raikitra àry izao fa ny alarobia 24 jolay 2013 no hotontosaina ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Amin’ny alarobia 23 septambra 2013 kosa indray ny fihodianana faharoa (raha ilaina), miaraka amin’ny fifidianana ireo solombavambahoaka. Dia hanaraka azy eo koa ny fifidianana ben’ny tanàna, raha tsy diso aho.

Hatreto aloha dia mibosesika ireo olona manambara fa hirotsaka ho filoham-pirenena. Mahazendana fa hatramin’ny 30 any ho any ireo an ! Hafa indray ny mikasika ny fanaterana an-tsakany sy an-davany ny antontan-taratasy firotsahana.

Amin’izao faha-17 aprily 2013 izao, dia miisa fito mianadahy ireo kandidà nametraka ny antontan-taratasy ara-dalàna teny amin’ny CES (Cour Electorale Spéciale). Ny CES dia rafitra manokana natao hisahana ny fifidianana mandritra ny Tetezamita, izany hoe manambara ny vokatra sy misahana izay mety ho fitarainana na fitsipahana ny vokatra. Ny tondrozotra no nametraka io rafitra CES io, ary natao ho sampana ao anatin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (Haute Cour Constitutionnelle- HCC) izy io.

Ny indro kely dia ity fifidianana napetraky ny tondrozotra ho sahanin’ny Firenena Mikambana sy ireto fikambanana iraisam-pirenena tsy hita nonoa ireto : Union Africaine e, SADC e, COI e, OIF e…. Oadray ! Hanao inona aty daholo izany olombelona betsaka be izany r’ireto ?

Inona ireo fepetra maha-kandidà ?
Ankoatra ny fanoloran’ny antoko pôlitika, dia misy antontan-taratasy tsy maintsy fenoina. Nanomboka ny alatsinainy 08 aprily 2013 teo ka hatramin’ny alahady 28 aprily 2013 ny fe-potoana azo ametrahana ireo antontan-taratasy, miampy ilay antoka 50 tapitrisa Ariary.
Hitako tao amin’ny bilaogin’ny FAMà  ity lisitra ity :
Eléments du dossier : Inventaire des pièces ; Déclaration de candidature ; Photocopie de la CIN ; Certificat de nationalité malagasy ; Certificat de l’administration fiscale ; Déclaration sur l’honneur sur les impôts et taxes ; Déclaration sur l’honneur sur les biens immeubles et valeurs mobilières ; Certificat de résidence ; Bulletin n°3 du casier judiciaire ; Certificat attestant d’électeur délivré par la CED ; Déclaration sur l’honneur de respecter les dispositions de la Constitution ; Photocopie certifiée conforme de la quittance de versement de la caution ; Matrice sur support électronique.

Ny CES no hanambara, amin’ny zoma 03 mey 2013 ny anaran’ireo kandidà ekena hirotsaka amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Toy izao no fisesin’ireo kandidà nanatitra antontan-taratasy hatreto :

Ny alatsinainy 08 aprily 2013 :
1. Hajo Andrianainarivelo, Praiministra Lefitra misahana ny Fanapariaham-pahefana, atolotry ny antoko MMM

2. Lahiniriko Jean, Mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita (Conseil Supérieur de la Transition- CST), atolotry ny PSDUN

3. Roland Ratsiraka, Mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita (Conseil Supérieur de la Transition- CST), atolotry ny MTS- Malagasy Tonga Saina

Ny alarobia 10 aprily 2013 :
4. Pierrot Rajaonarivelo, Minisitry ny Raharaham-bahiny, atolotry ny MDM –Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara

Ny alakamisy 11 aprily 2013 :
5. Dr Jean Louis Robinson, Ministry ny Fahasalamana, Minisitry ny Fanatanjahan-tena tamin’ny fitondran-dRavalomanana Marc, atolotry ny antoko AVANA

6. Rabearison Roland Dieu Donné Vahömbey, Mpanabe, Mpanakanto, Mpampianatra mpikaroka sy mpiangaly hai-ady, atolotry ny antoko FAMà

Nangingina kely avy eo ka androany indray vao nisy niroso indray.

Ny alarobia 17 aprily 2013
7. Rtoa Saraha Georget Rabearisoa, atolotry ny antoko maitso Hasin’i Madagasikara.

Mbola ho avy ny fotoana iresahana izay mba programa atolotr’ireo, fa hatreto aloha dia ny antoko maitso Hasin’i Madagasikara sy ny MDM ary ny FAMà no mba itarafana tsangan-kevitra ijoroana na vinampiaraha-monina.

Aiza ho aiza ny momba ny lisi-pifidianana ?
Io izao dia tsy hay loatra intsony. Araka ny lalàna manodidina ny fifidianana amin’ny 24 jolay ho avy izao, dia nanomboka ny 08 aprily 2013 teo ihany koa ny fanaterana ny lisitra vakiraoka isam-pokontany. Izany hoe, tokony hanamarina anarana sy fepetra hafa (laharana kara-panondro, adiresy, sns) anatin’io lisitra io ireo mpifidy feno 18 taona. Hatramin’ny faha-28 aprily 2013 koa no ahazoana manao izany, ary misokatra asabotsy mihitsy ny biraom-pokontany. Io lisitra io manko, miaraka amin’ny logiciel ampiasaina, no fototra hanamarina na hisandoka ny voka-pifidianana. Indrisy !

Ilay logiciel SAGEM kay maninona e ? Ary ny e-fidy vita malagasy ahoana ?
Mbola resa-be io logiciel momba ny fifidianana io. Resa-bola be koa io, fa aoka isika tsy hanonofy hoe fitiavana manokana antsika no ampiasana ny SAGEM. Fangalaram-bato tsotra izao io. Aiza koa nilaina nohatsaraina fa tsy nahita "doublon" hono teo aloha, dia efa azo itokiana indray izao, satria efa hitany izany "doublon" izany. F’angaha izany ihany ? Ary ny laharana kara-panondro diso ? Ny adiresy sandoka ?

Kanefa, ilay logiciel e-fidy, vitana tanora mpikaroka malagasy, dia mahatsirika ireo rehetra ireo, no sady miantoka voka-pifidianana ao anatin’ny adiny roa monja aorian’ny fiafaran’ny fifidianana. Vokatra tsy azo ovaina, tsy azo angalarana safidy, ary efa naseho tamin’ny Malagasy manam-pahefana sy ny CENI-T (Commission Electorale Nationale Indépendante pour la Transition). Kanefa dia tsy misy nankato. Satria tsy isika Malagasy no mikarakara ny fifidianana fa ny Firenena Mikambana…. Dia izy no mandidy manapaka amin’ny lafiny rehetra !

Fa maninona no mila vola be 60,5 tapitrisa dolara ny fifidianana eto amintsika ?
Eny, vola be tsy hay isaintsainana no ilaina, araka ny nambaran’ny manam-pahaizana (experts) avy amin’ny Firenena Mikambana vao tanteraka ny fifidianana eto amintsika. Ilay PACEM (Projet d’Appui au Cycle Electoral à Madagascar) no drafitra namaritana an’io ary dia efa saiky nandrotsa-bola tao daholo ireo firenena nilaza hanampy an’i Madagasikara amin’ny « famaranana ny krizy ». Misaotra azy ireo isika.

Kanefa aoka tsy ho variana amin’ny fitobaky ny vola sy ny sanda ambony angonina « ho antsika ». Aza mihinana am-bolony fa tsy misy ho ahy na ho anao izany, fa ny androan-tokony dia ho an-dry zareo ihany.

Fantatrao ve fa hisy mpanara-maso fifidianana efa ho 200 isa avy amin’ny Vondrona Eorôpeanina ho avy eto amin’io 24 jolay io ? Tsy maintsy iantohana ny fiaviany eto, ary ekena fa sandaina ambony ny fahalalany sy ny traikefany.

Toraka izany koa, ireo manam-pahaizana mampiofana mialoha ny mpikarakara fifidianana, na ireo mpikirakira vaovao, tahaka ireo mpanao gazety, dia tsy maintsy karamaina. Fa ohatrinona no raisin’ireny, ary mba ohatrinona no raisin’ireo mpanisa mpifidy ? Samy zava-dehibe ny andraikitra sahaniny, ary ireo mpanisa mpifidy (ohatra, fa maro ireo azo resahina aty ifotony) no tena mifandray amiko sy aminao Malagasy tahaka ahy.

Marina fa volan-dry zareo koa io, ka izay tiany anaovana azy. Koa raha marina izany, maninona raha hanasoavany ny vahoakany efa ory sy miha-fadiranovana ohatra, tahaka ny ao Grèce, Espagne, Italie, Chypre ? Tsy hoe tiany isika Malagasy, tsy izany mihitsy. Aza manonofy ô ! Madagasikara no tiany. Satria hita eto ny solika efa mampivadika atidoha ireo tandrefana ireo. Satria maro ireo harena an-kibon’ny tany ananantsika : volamena, fasimainty, sns…..

NB lisitra feno momba ny antontan-taratasy ATO
(Mbola hitohy)


Aucun commentaire: