dimanche 14 avril 2013

Fifidianana eto Madagasikara (1)


HO RAIKITRA IHANY VE ?
Ireo mpanara-baovao dia mbola mametraka fanontaniana. Hatreto manko dia fanambarana lavareny ny hoe « amin’izao daty izao ny fifidianana », kanefa hahemotra lava.

Nambaran’ny CENI-T (Commission Electorale Nationale Indépendante de la Transition), tamin’ny volana aogositra 2012, fa ho amin’ny 08 mey 2013 ilay fifidianana. Nohizingizinina mihitsy fa tsy azo ovaina, tsy azo kitihina intsony io daty io an ! Dia naroso ny fanisana ny mpifidy, ary teny an-dalana teny dia nipoipoitra ny olana, kanefa nolazaina fa mandeha tsara ny asa… Kinanjo tamin’ny volana febroary 2013 teo, rehefa nahavita « conclave » (izany no filazany azy ;-) ny CENI-T sy ireo vondrona iraisam-pirenena, dia nahemotra ho amin’ny 24 jolay 2013 indray ! Fa tsy fotoanan’ny fanadinam-panjakana ve izany daty izany ?



JERY TODIKA FOHY
Nolazaina foana fa olana pôlitika no mila vahana teto, ary izany no nahatonga ny tondrozotra ho famahana olana : mpanao pôlitika no nanao sonia io drafitra io, na dia maro aza ny hevitra mifanipaka ao anatiny.

Governemanta vaovao sy Parlemanta vaovao
Ireo olana pôlitika hatramin’izay manko dia ny fametrahana governemantan’ny firaisam-pirenena hono. Dia rafitra ilay Tondrozotra  natao sonia tamin’ny 17 septambra 2011, ary teraka ilay governemanta tarihin’Atoa Omer Beriziky, Praiministra eken’ny rehetra (Premier Ministre de consensus). Navaozina ny Parlemanta (Congrès de la Transition, CT sy ny Conseil Supérieur de la Transition, CST), ka vao mainka nitombo isa ireo mpikambana. Eo amin’ny 5 tapitrisa Ar hatramin’ny 7 tapitrisa Ar isam-bolana no karaman’ny mpikambana tsirairay avy amin’ireo andrim-panjakana ireo moa ô ?

CENI +T fa tsy CENI
Dia heverina izao fa voaravona tanteraka ny olana pôlitika, satria rafitra iombonana sy eken’ny rehetra ny governemanta sy ny parlemanta. Napetraka koa ny Vaomiera mahaleo-tena misahana ny fifidianana manaraka ireo filamatra ireo, dia ny CENI-T misolo ilay CENI teo aloha. Rtoa Béatrice Attalah no mitarika io rafitra io no sady navaozina manontolo ireo mpikambana. Ao anatiny hatrany ireo avy amin’ny antoko pôlitika, ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao gazety, ny mpahay lalàna, sns. Toa 6 tapitrisa Ar isam-bolana ny karaman’ireo tsirairay avy moa ô ?

PACEM aho, PACEM
Natao ny antso mba hamatsiam-bola ny fanatontosana ny fifidianana. Ireo manam-pahaizana (experts !) avy amin’ny Firenena Mikambana no nanambara fa raha tsy vola 60,5 tapitrisa dolara, tsy ho tanteraka araka ny tokony ho izy ny fifidianana eto Madagasikara, ka tsy azo antoka hoe ho eken’ny rehetra ny vokatra. Dia mifarimbona mandrotsaka izany ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena samihafa. Ilay PACEM (Programme d’appui aux élections à Madagascar) moa no fitaovana androtsahana izany vola be izany, ary tsy ny CENI-T no mitantana azy fa ny PNUD, amin’ny alalan-dRtoa Fatma Samoura, solontenan’ny Firenena Mikambana eto amintsika. Lalina mihitsy ny fitsabahan’ny vahiny eto amintsika !  

« Ni… ni… » sy amnistia araka ny tondrozotra
Nandritra iny taona 2012 lasa iny dia olana « pôlitika » foana no nolazaina fa sakana ho an’ny fifidianana, ankoatra ny resaka ara-bola. Novoizina ity hoe « Ni.. ni… » na ny hoe fifidianana tsy misy an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Inona tokoa ? Niala tsy hirotsaka tokoa izy mirahalahy rehefa tratry ny fanerena sy tsindry isan-karazany avy amin’ireo hery iraisam-pirenena. Izay ilay fitsabahan’ny vahiny eto e !

Satria voalazan’ny tondrozotra izany, dia karakaraina mafy ny amnistia na famafana heloka. Hoy manko ilay tondrozotra : « tsy maintsy misy ny amnistia mialoha ny fifidianana », satria anisan’ny fepetra mitondra fitoniana. Amin’izao taona 2013 izao vao mivoaka tsikelikely ny anaran’ireo olona nahazo famafana heloka izany. Ambara fa ireo sazy noho ny hevitra pôlitika nandritra ny taona 2002 hatramin’ny taona 2009 no omena famafana heloka, satria nisy (ary tena nisy tokoa) ireo « dossier » noforonina niampangana olona, mpitondra voaongana na ireo mpiara-dia aminy. Nesorina tsy azo omena amnistia kosa ireo heloka bevava toy ny famonoana olona sy fanodikondinana volam-panjakana. Kanefa misy mahazo ihany an ! Aiza no marina ? Fitsarana manao ahoana no eto amintsika ?

Izay raha fintinina fohy dia fohy ny toe-draharaha manodidina ny pôlitika nandritra iny taona 2012 iny, mahazo hatraty amin’ny taona 2013. Eo anilan’izany anefa, dia sady mihasarotra ny fiainan’ny olom-pirenena, satria sady mipongapongatra ny tsi-fandriampahalemana no voaroba toa tsy misy fanafany ireo harem-pirenena malagasy. Tsy ny andramena (malaza ratsy indrisy !) ihany fa ireo harena ambanin’ny tany koa, vatosoa, volamena sy ny hafa, ankoatra ireo zavamananaina angalarina : sokatra, trondro sy hazandrano maro…

Famaranana
Raikitra tokoa ary hatreto fa ny ho tontosaina ny alarobia 24 jolay 2013 ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Efa nivoaka ny didim-panjakana miantso ny mpifidy ka midika izany fa tsy azo ovaina intsony io daty io.
mbra
Amin’ny volana septambra kosa indray ny fihodianana faharoa miaraka amin’ny fifidianana ireo solombavambahoaka. Dia hanaraka azy eo koa ny fifidianana ben’ny tanàna. Ny antony nambaran’ny CENI-T fa nampihemorana ny datim-pifidianana dia « olana teknika » tsy azo anoharana : famatsiam-bola tara vao azo no tena antony lehibe. Nisy olana koa teo amin’ny « papier listing » izay tsy nifanaraka amin’ny « commande » nataon’ny PNUD. Satria ny PNUD no mitantana ny volan’ny fifidianana. Dia voatery nahemotra ny fifidianana. Nefa hatramin’izay, nizotra tsara ny asa hoe….


(Mbola hitohy)

Aucun commentaire: