samedi 8 octobre 2011

Misotroa rano

Ny 70% -n’ny vatan’ny olombelona dia rano. Nahoana no mbola mila misotro rano isika ?

Tsy hoe rano isika dia mitoetra amin’izao, fa mivezivezy ao amin’ny vatana ny tsiranoka rehetra, manomboka amin’ny rà mikoriana ao anatintsika, hatramin’ny rora sy ireo tsiranoka vokatry ny taova toy ny vavony, ny aty, ny sarakaty (pancréas), sy ny sisa. Ankoatra izay dia sady tsemboka no mivalan-drano koa ny olombelona.

Mila avaozina hatrany noho izany ny rano ato amin’ny vatantsika.

Ny voankazo tokoa dia efa mitondra rano
Rano iray litatra mahery isan’andro

Rano 1 litatra sy tapany no ambara fa antonony ho sotroin’ny olona iray (adulte) ao anatin’ny andro iray. Mila fantenina ho rano fisotro madio io an ! "Eau potable", amin’ny fiteny frantsay.

Mety malaina ny olona amin’ny ankapobeny misotro io rano tsotra io : matsatso hoy ny sasany, tsy misy tsirony, hoy ny hafa. Azo atao ihany koa ange ny misotro dite na kafe e !

Na ranom-boankazo voajanahary. Ny voankazo tokoa dia efa mitondra rano, tahaka ny voasary, pastèque, sy ny hafa. Tsy ampy anefa ireny an !
Azo atao koa ny manovo rano amin’ny alalan’ny rony miaraka amin’ny vary sy laoka, na lasopy. Isika Malagasy koa manana ny ranovola na ranon’ampango anovozana ny rano ilain’ny vatana. Mmmh, tsara ery !



Misotroa tsikelikely, indrindra raha vao mifoha

Rehefa misotro rano, dia tsy atao betsaka be indray migoka, fa mampizihitra vavony indray izany an ! In-telo na in-efatra mitelina hoy ny fitenenana. Mankafy izay sotroina no tanjona, sady mitaiza fahasalamana.

Matetika, amporisihina ny olona hisotro rano iray vera vao mifoha. Maro ny antony : manadio ny vavony io, mampifoha tsara ny vatana, ary koa mamerina ny rano very tamin’ny hatsembohana nandritra ny alina.

Diniho tokoa ange e : mivalan-drano avokoa ny olona vao mifoha. Mahagaga ô ? Midïka anefa izany fa niasa hatrany ny voa (rein) nandritra ny alina, nanadio ny rà, ary dia mivoaka any amin’ny fivalanan-drano ny loto rehetra. Noho izany, mila rano avokoa ny olona raha vao miala ao am-pandriana.

 


 
Misotroa na tsy mahatsiaro mangetaheta aza

Fandinihan’ny manam-pahaizana izao tranga manaraka izao : ny olona mihoatra ny 50 taona, sy ny zazakely ary ny ankizy matetika dia mila misotro rano hatrany.

Matetika tokoa manko, efa tsy ampy ny rano ao amin’ny vatany (déshydraté) vao mahatsiaro mangetaheta izy ireny. Mila misotro rano matetika izany ny ankizy, ny zazakely, sy ireo zokiolona, na dia tsy mahatsiaro tena hoe mangetaheta….

Ianao koa, na firy taona na firy taona, mahereza misotro rano.




  
Izay indray no hevitra nifampizarana androany, mirary soa antsika tsirairay avy, izao dia izao ! :-)



Aucun commentaire: