lundi 3 octobre 2011

Ny fomba fiaina amin’ny kibo (respiration abdominale)

Ny fiaina na "respiration" dia tandra vadin-koditra amintsika olombelona. Hany ka tsy mahatandrina azy akory isika, nefa azo atsaraina izany.



Impiry miaina moa isika anatin’ny iray andro ?

In-droa alina hihihi ! Mampihomehy ny filazana azy amin’ny fiteny malagasy (miala tsiny fa tsy aritro marina an). Fa 20 000 fiaina isan’andro farafahakeliny izany no ataontsika anatin’ny 24 ora araka ny fandinihan’ny manam-pahaizana.

Firindra mahavariana

Rehefa mifoka rivotra isika (inspiration) dia miditra eo amin’ny vavorona izany, mitondra oxygène, dia mirotsaka any amin’ny havokavoka, mipariaka any amin’ny vatantsika amin’ny alalan’ny asan’ny fo sy ny lalandrà. Tsy amina segondra akory no ahavitan’ny taova rehetra an’izany, mahavariana ny fahaizan’Andriamanitra nandrafitra ny tenantsika an !

Rehefa avoakantsika (expiration) indray iny rivotra feno loto (CO2 hoy ny mpahay siansa), dia eo amin’ny vavorona ihany na ny vava no ahafahantsika manaisotra izany loto izany.

Azo hatsaraina izany fomba fiaina izany, mba hanamafy ny fiasan’ny taova rehetra. Rehefa miaina manko isika dia ny tenantsika manontolo no mahazo io oxygène io. Koa miantoka fahasalamana, araka izany ny fiaina arindra tsaratsara kokoa.

Mampiasa ny diaphragme 

Ankoatra ny orona sy ny havokavoka, dia miasa indrindra koa amin’ny tenantsika ny "diaphragme", izay "muscle" mpandrindra ny fiaina.

Io ilay diaphragme rehefa miaina isika (sary wikipédia)

Mitoetra eo ambanin’ny havokavoka izy io, ary toy izao no fiasany : milatsaka izy rehefa mifoka rivotra (inspiration) isika ary miainga kosa rehefa mamoaka rivotra (expiration) isika.

Mampisokatra ny havokavoka ny diaphragme, ary mampikainkona azy, raha bangoina ny filazana azy.

Mandeha ho azy hoy ny fitenenana ny fiaina, nefa azo hatsaraina mihitsy izany


Fanatsarana ny fiaina manabontsina kibo

Fanaontsika matetika rehefa miaina (inspiration) ny manabontsina ny tratra ary mampifintina ny kibo. Diniho tsara anefa fa rehefa manao izany isika, dia manery ny tapany ambany amin’ny havokavontsika. Vokatr’izany fahazarana izany dia tsy ampy mihitsy ny oxygène raisin’ny vatantsika.

Andramo indray ary ny mifamadika amin’izany : abontsina miaraka amin’ny tratra ny kibo rehefa miaina, dia fisahana daholo na kibo na tratra rehefa avoaka ny rivotra. Hafahafa be ilay izy amin’ny voalohany an !

Makà toerana milamina aloha, dia mipetraha. Dia ataovy miadana daholo ny fihetsika. Ho henonao tsara ny filatsaka sy ny fiaingan’ny "diaphragme" mandritra ny fotoana hanaovanao io fanazaran-tena io.

Azo ampiharina hatraiza hatraiza koa io, satria tsy maintsy miaina foana ny olombelona : anaty fiara, am-pandehanana an-tongotra, ao am-piasana, any am-pianarana, sns. Hafa indray raha mihazakazaka no teknika ampiharina an.



Vokatry ny fiaina amin’ny kibo (respiration abdominale)

Tahaka ny fiasa rehetra amin’ny taovan’ny vatan’olombelona, rehefa atao matetika ny fiaina amin’ny kibo dia mahasalama. Mitondra fahatoniana manko izy io, indrindra raha valabalaka iny ianao.

Noho ny filaminan’ny fiaina, dia mikoriana tsara ireo singa mahasoa ao anatin’ny rà, hatreny amin’ny rantsana madinika indrindra amin’ny lalandrà. Mamelona ny nofo izany. Maro koa ireo sehatra ampiasana azy, eo amin'ny lomano, ny fihirana, ny fitendrena zava-maneno tsofina, ny haiady, sy ny sisa :-) 

Mialoha ny atoriana, dia azo ampiharina fotoana fohy anintsana havizanana koa io fiaina amin'ny kibo io. Efa mitsotra ao am-pandriana iny ianao dia afaka miaina amin'ny kibo fotoana fohy, dia tsara torimaso ianao.

Mirary soa ho anao hatrany ary an !




Aucun commentaire: