jeudi 6 octobre 2011

Chlorophylle sy fandevonan- kanina

Singa ao anatin’ny zavamaniry ny "chlorophylle", manome azy ny loko maitso.

Araka ny lesona tany am-pianarana (hihihi) dia manadio ny rivotra iainantsika ny fisian’ny "chlorophylle" ao amin’ny zavamaniry tarafin’ny hazavan’Ingahibe masoandro.

Tsy vitan’izany fa manampy antsika olombelona fatratra koa io singa "chlorophylle" io amin’ny lafiny maro, ary tena mahasoa an !

Ohatra, manatsara ny fandevonan-kanina, manala ny fofona hafahafa ao am-bava, ary ahitana singa hafa ao anatiny, tahaka ny otrikaina, miampy "fer", "calcium" sy "magnésium".

Sakafo mafilotra izao (gana ritra miam !) : mila chlorophylle mihitsy !

Manatsara ny fandevonan-kanina ny "chlorophylle"

Tsarovy tsara fa raha mandrezatra hafahafa na misy fofona maharitra ao am-bava (maimbo vava hoy ny titenenana) ny olona, dia maro ny antony mety mahatonga izany.

Ao anatiny ny areti-nify, na loto tavela ao am-bava, na fambara aretina hafa (voa, aty…). Tsara, noho izany, ny manatona mpitsabo nify, na dokotera koa aza raha maharitra ireo tranga ireo.

Anisan’ny antony mahatonga fofona ratsy ao am-bava koa ny fandevonan-kanina tsy lavorary. Ny fihinanana anana na zavamaitso dia manampy amin’ny fandevonana ny sakafo.

Manala ny fofona ao am-bava sy ao amin’ny tenda ny "chlorophylle", ary koa mandrindra ny fanadiovana ny vatana, noho izy miantraika amin’ny lalan-kanina (tube digestif).

Izany no itiavana ny legioma isan-karazany, izay ananantsika maro sady tsara kalitao eto Madagasikara. Ny lokony maitso dia manambara ny fisian’ny "chlorophylle". Tandremo an, tsy mitovy ny "chlorophylle" sy "menthe", izay singa avy amin’ny solila.


Ny persil dia namantsika mandritra ny fandevonan-kanina

Ireo sakafo misy "chlorophylle"

Mazava ho azy, hoy ny fitenenana, fa ireo anana maitsomaitso rehetra, ireo legioma tahaka ny salady, persil, céleri, poireau, poivron, haricots verts, tongolo maitso, sy ny sisa, ary koa ny "algues" (spiruline ?!) dia feno "chlorophylle".

Sasao tsara foana mialoha ny mahandro na mihinana, fa indrisy, mitahiry bibikely koa ireo anana ireo an ! Ampiasao "Sur’eau" raha ilaina.

Ny otrikaina hitanao anatin’ny "chlorophylle" dia ireo Vitamine A, C, E, K, miampy B9 (izany acide folique izany). Dia ao koa ny "fer", "calcium" sy "magnésium".

Marihina manokana fa manampy amin’ny fandevonankanina koa ny persil, no sady manala ny fofona ratsy ao am-bava. Indrindra raha mpitsako tongolo ianao, na tongolo gasy io na tongolo oignon. Matsiro ery ny mikepokepoka ireo ao anaty vinaigrette an !

Koa alao hery ary, mazotoa mitsako sy mihinana anana maitso, manatsara ny fandevonan-kanina, mampavitrika tokoa.

Mirary soa ho anao hatrany :-)

  

Aucun commentaire: