mercredi 5 octobre 2011

Jiro tsy mandeha….

Mampieritreritra ka tsy aritra….. 

Tapatapaka tsy ankiato ny famatsian-jiro teto an-drenivohitra nanomboka omaly talata. Dia gaga ny olona, mifampanontany.

Tsy ilay "délestage" (1) mahazatra io, na fanamboarana efa voalaza mialoha fa dia tapaka fotsiny, maharitra ora maro, ary tsy mahalala izay antony ny mpanjifa. Ary androany dia tapaka hatramin’ny rano.

Tapaka fotoana maharitra

Ny atao hoe "nampatsara" ny fahatapahana dia afaka niomana vao maraina aloha ny mpiasa sy ny mpianatra, dia vao nipaika ny tamin’ny 06 ora aninkeheo, dia tapaka ny jiro. Avy eo, tsy nisy rano raha tsy tamin’ny 9ora !

Samy niverina amin’ny laoniny ihany aloha ireo amin’izao, fa izay fiovana indray no tsy hay hihihi

Ny fiantraikany aloha dia maro : mangoritsina ny mpiambina amin’ny alina, tena anatin’ny aizina tanteraka…. mampiasa labozia sy lampe de poche ny ao an-trano hihihi…. tara ny fivoahan’ny ankamaroan’ny gazety mpiseho isan’andro…. tsy nahavita mofo dipaina ny mpanao izany mandritra ny alina, sy ny hafa.

Ny tena zava-dehibe aloha dia ny fiatrehan’ny ankamaroan’ny olona izany toe-javatra izany am-pahatoniana. 

Mpiasan’ny JIRAMA mavitrika
Tsy misy solika

Ny atoandro teo no nandrenesana vaovao tamin’ny onjampeo tsy miankina iray (2), ka Atoa Désiré Rasidy, Tale Jeneralin’ny JIRAMA mihitsy no nilaza ny anton’ireo sampona rehetra ireo.

Hay ny mpamatsy solika handefasan’ny JIRAMA ny milina mpamokatra herinaratra no tsy nitondra izany solika izany nanomboka omaly. Rehefa tsy ampy ny solika dia tsy afaka mandefa ny milina araka ny tokony ho izy ny orinasa, noho izany dia tsy afaka mamatsy herinaratra ho an’ny tananan’Antananarivo koa izy.


Camion citerne 09 isan’andro no mamatsy ny JIRAMA !
Nomarihin’ny Tale Jeneraly manokana koa fa avy any Toamasina no miakatra aty Antananarivo ireo camion citerne 09 ireo mitatitra ny solika. Isan’andro isan’andro izany famatsiana izany an ! 

Mampieritreritra ihany izany toe-javatra izany, satria izany izay entina anio, ampiasaina anio. Raha vao lany ny solika dia tsy misy jiro eto Iarivo ?!! Odryyyy !

Tonga amin’ilay hira hoe "Jiro tsy mandeha…." Mbola tsy tapaka aloha ny telefona an ! :-D






(1)"délestage" : fanaon’ny JIRAMA – Jiro sy Rano Malagasy- io fanapahana herinaratra io rehefa misy fanamboarana ataony. Ilazana mialoha amin’ny gazety sy ny haino aman-jery ny mpanjifa rehefa ampiharina io fanapahana io.

(2) Radio Antsiva FM 97.6




Aucun commentaire: