samedi 24 septembre 2011

Ratra miafina sy fifamaliana

Mety mitranga eo amin’ny olombelona ny fifamaliana noho ny antony maro.

Mety hevitra tsy mitovy no antony, mety ho toetra tsy mifanaraka, fomba sy fihetsika avy amin’ny andaniny tsy ankasitrahan’ny ankilany.

Dia raikitra ny fampiakaram-peo. Samy manambara amin-katezerana ny fahasosorany.

Tsy mahadiso izany, kanefa tsy tokony hatao maharitra ary natao ho fifamelàna. Hoy manko ny Tenin’Andriamanitra hoe "Tezera fa aza manota" 



Mila diovina ny fo

Fotoanany ankehitriny ny fanadiovana ifotony an. 

Ny mpiray monina, na ny mpianakavy mifamaly dia vokatry ny tsy fikolokoloina ny maha-olona ao aminy, dia ny fanahiny. Nefa ny fanahintsika no maha-zanak’Andriamanitra antsika. Jesoa Kristy no nanambara marina izany amintsika.

Rehefa tsy aboraka manko io mahasorena io dia miandrona ao am-po (fanahy) indraindray ny ratra miafina. Indraindray hoy aho, satria raha mahay manintsana ireny fahasorenana ireny ianao, tsy misy tavela akory.

Raha mitoetra ao am-po anefa ny ratra, ka mahabe lonilony, dia ny fanambarana azy no azo itsaboana ny fery. Fa mila fahaizana koa io an !

Inona moa no fahaizana ilaina ?

Ambara izay tsy zaka, ary henoina tsara ny hevitry ny ankilany.

Samia manaiky hadisoana raha misy izany, samia mahay mamela.

Miara –mandray fepetra ny tsirairay mba tsy iverenan’ny fihetsika na fiteny na eritreritra tsy zakan’ny hafa.

Inona no mitranga raha tsy miteny mihitsy ?

Ha ! Tena tsy mety, raha tsy hoe efa nanintsana sy namela ilay tranga tsy tianao ianao. Raha tsy vita mangingina manko io famelana io, dia mamboly aretina. Aretin’ny fanahy.

Draidraidray ! Hevi-dratsy sy tsy mahasoa no mitsiry ao ! Mitandrema an !

Ka inona ary no atao ? 

Mazotoa mivavaka, ary indrindra koa, mahereza mandray Tenin’Andriamanitra ao anaty Baiboly. Ny Tenin’Andriamanitra no sakafon’ny fanahy. Ny fanahy no maha-olona hoy ny Ntaolo malagasy.

Kolokoloy ary ny fanahinao, mba ho ny Tsara no hitoetra ao. Manaraka izay avy hatrany ny hevitry ny saina ary dia taratra amin’ny fihetsika sy ny fiteny avokoa izany.

Jesoa Kristy dia nilaza hoe raha nanota taminao ny rahalahinao dia antsoy izy ary mifampiresaha aminy. Izay no ilantsika fahaizana miresaka sy mifamela. Tsy misy fetra ny fifamelana, satria am-pitiavana no anaovanao izany.

Mahereza ary, mahaiza mifamela an ! izao dia izao :-)



4 commentaires:

Anonyme a dit…

Hono ho aho ? Inona araka ny eritreritrao ny fifandraisan'ny Ntaolo malagasy sy Jesoa Kristy ? Olona samihafa andriamanitra izy ireo nefa toa ampiarahana foana. Rehefa mivavaka isika malagasy maninona no tsy ilay Zanaharin-drazambetsika no hivavahana, fa ilay Kristy avy any Israely ? Maninona no tsy Vishnu na Allah raha hanompo mpitarika importé ihany koa ? Mba fanontaniana ny ahy fa tsy kritika akory. Ny tenako izay manoratra dia kristiana rehefa krismasy ary mpanompo sampy hono amin'ny andro hafa satria mangataka fitahiana amin'ny razako aho ary manao fanatitra ho azy rehefa misy zavatra ilaiko. Misaotra tompoko.

Rakotomaro Seraphin
Mpaka sary misotro ronono

Airelle'R a dit…

Misaotra betsaka anao tompoko amin’ny fitsidihina ity sehatra ifampizarana ity.

Marina tokoa fa olona samihafa andriamanitra ny Ntaolo malagasy sy Jesoa Kristy. Tahaka ny mahasamy hafa ny andriamanitry ny grika sy ny rômana, ny indiana, ny aziatika, ary ireo firenena maro hafa. Ny hoe ampiarahana, angamba tsy izay no izy : oha-pitenenana no ambarako, satria mahafantatra ny fanahy maha-olona ny Ntaolo. Raha teny frantsay no iresahana dia oha-pitenenana frantsay no raisina :-D

Ary raha ny finoako indray an, dia i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra, Tompo sy Mpamonjy. Dia mazava fa importé tokoa eto amintsika ny finoana kristiana, raha ny firenena no resahina. Kanefa, Jesoa Kristy rahateo efa naniraka ny mpianany hitory ny Evanjely (na Filazantsara na Vaovao Mahafaly) eran’izao tontolo izao. Lôjika araka izany no nahatongavan’io finoana io aty amintsika.

Mikasika ny hoe importé… na mamaritra ny fireneny ho samihafa aza ny mponina eto an-tany, toa iray ihany ange ny olombelona e ! Tsy mahatsapa izany va ianao ?

Manome safidy malalaka antsika Jehovah Andriamanitra amin’izay inoantsika. Na miaraka aminy, na tsy miaraka aminy :-)
Dia mirary soa ho anao hatrany an.

Anonyme a dit…

Misaotra anao namaly.
Marina tokoa fa naniraka ny Mpianany hitory ny filazantsara eran'izao tontolo izao ny Tompo. Mino izany aho na dia tsy mahafa-po firy aza io fanazavana io. Satria, raha ny fivavahana rehetra no jerena dia matetika izao tontolo izao avokoa no valam-parihiny. Ohatra fotsiny ny fivavahan'ny rahalahy sy anabavintsika silamo. Ara ka ny filazany, ary tsy misy tsy tokony hinoana azy amin'izany, dia Nirahan'Andriamanitra i Mohameda hanitsy izay nivilana ao amin'ny finoana kristiana sy ny finoan'ny Jiosy. Marihiki fa taon-jato dimy na enina tao aorian' i Kristy no vofidin'Andriamanitra Mohameda.
Nahoana ary no tsy io finoana io noraisintsika, fa ny finoan'ireo mpanjanaka antsika ? Mampieritreritra dia mampieritreritra.
Ary ny lazainao hoe manome safidy antsika Andriamanitra na hanaraka azy na tsia, dia tsoriko fa tsy dia tena safidy loatra, satria raha tsy manaraka azy dia tsy misy hirika afa tsy ny afobe.
Aza tsiny tompoka raha tahaka ny manao teny misy hery setra. Sanatria izany, fa araka ny tenin'ny Ntaolo, fisaka ny rariny ka saro-tadiavina ary aleo manontanitany foana toy izay manaonao foana. Misaotra indrindra tompoko

Rakotomaro Séraphin

Airelle'R a dit…

Miarahaba anao, dia misaotra amin’ny valinteny. Mila dinihina tsara daholo tokoa ny hevitra arosonao. Mety hanoratako lahatsoratra manokana tokoa, satria inoako fa maro ny Malagasy manontany tena tahaka anao toy izao. Nahoana tokoa moa no finoana nentin’ny mpanjanaka no ekena ho marina, hoy ny fanontanian’ny Malagasy sasany ?

Raha ny finoana silamo indray an, dia maro ireo Malagasy manaraka ny fampianaran’i Mahomet. Hatrany avaratra ka hatrany atsimo, eny any andrefana ka hatrany atsinananan’i Madagasikara, dia ahitanao mpino silamo. Raha dinihana koa aza ange, avy amin’ny fiteny arabo ny anarana maro eto amintsika, toy ny andro anatin’ny herinandro. Ny famakiantsika isa avy any ankavanana mandeha miankavia dia mbola lova avy amin’ireo arabo silamo taranaky Raminia namantana teny atsimo atsinanan'i Madagasikara (Mananjary io).

Ka samy importé avokoa izany ireo finoana ireo (silamo sy kristiana) rehefa dinihana ara-tantara.

Ny mahasamihafa azy ifotony dia ity : Mahomet dia olombelona ihany. Fa i Jesoa Kristy dia sady olombelona tanteraka no Andriamanitra tanteraka.

Farany, tsy misy hery setra mihitsy ny teny ambaranao kah. Mifanakalo sy miserasera tokoa isika.

Mirary soa ho anao ary an. Mamerina fisaorana amin’ny fazotoanao mitsidika ity sehatra ity.