mercredi 27 juillet 2011

Tezera fa…. Aza manota !

Tenin’Andriamanitra Avo Indrindra marina io. Mahazo tezitra tokoa izany isika olombelona, kanefa tsy tokony hahavitantsika fahotana izany.



Raha izao vanim-potoana iainantsika eto izao, eny, tsy ny eto Madagasikara ihany, fa maneran-tany, dia maro tokoa ireo anton-javatra tokony hahatonga na fahatezerana, na fahakiviana, na alahelo goavana, sns….

Ohatra vitsy fotsiny no ho tanisaina, satria manavesatra ny fo amam-panahy ireny, ka tsy itarazoana loatra. Jereo ny hanohanana (kere) mitranga aty Sômalia : mahasosotra ny mandinika izany hoe vokatry ny haintany miampy ny ady amin’ny Erytrée. Mitam-piadiana ny olona tokony hamboly, izany ve dia rariny e ? Sssh ! (*)

Ary ity olona adaladala mandripaka olona tany Norvège ? Moa va tsy mahatsiravina izany fihetsika izany ? Firenena heverina fa mandroso sy mirindra no ahitana izany ?!

Aleo hatreo e, fa izay mampahery saina sy fo no dinihina. Ho antsika Malagasy manokana, tsara ny mahay manavaka ireo teny ronono an-tavy fanaon’ny pôlitisiana eto amintsika sy ireo mpiara – belona amintsika tena madio fo.

Ho lavitra antsika mianakavy anie ny fahotana, ary koa tsy hateza ny fahatezerantsika.



Inona ary no atao ?

Mandamina ny fo, miaina tsara sady milamina, miantso ny famindram-pon’Andriamanitra Telo izay Iray. Satria Izy no manome antsika ny aina. Ary diniho tsara, fa raha vao mifantoka amin’ny fitiavana Azy isika, indrindra ka mahatsiaro an’i Kristy Mpamonjy, Tenin’Andriamanitra tonga nofo, diniho tokoa ange fa milamina ny ao anatintsika.

Tsy atao mateza ny zavatra manorisory. Hoy ny sakaizako iray izay hoe, tsy atao mihoatra ny 2 minitra ny fahatezerana ! Marina loatra izany moa ô ?

Torohevitra mba ifampizarana (sopapa hoy ny tenin-jatovo hihihi) : mandraisa teny fohy, ao anatin’ny Baiboly, ho fiventinao raha sendra fanafintohinana. Ohatra iray io hoe "Tezera fa aza manota".  

Azonao raisina koa ny hoe "Ny olona mora tezitra manetsika ady" Ka sitrakao ve ny ady ? Sao dia mba ny filaminana no tsara ? Hevero izay atao, fa "Ny fiavonavon’ny olona no hampietry azy, fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena"     (Fandeferana io farany io)

Fiventin’ny olona koa ny hoe "Ianao kosa hangina fa Izaho no hiady ho anao", na koa hoe "Raha mbola hisy koa ny farany, tsy ho foana ny fanantenako" Maro ny teny fampaherezana atolotry ny Tompo ho antsika. Samia mifantina ny sahaza azy an !

Mirary soa ho antsika tsirairay avy, mirary herim-panahy ho an’ny olombelona rehetra.


(*) Fa indro ny vaovao tsara : anio hoe no niainga ny roaplanina mankany mitondra sakafon’ny PAM – Programme Alimentaire Mondial. Enga anie ho tonga any amin’ny tena mila izany ireo fanampiana ireo.

Aucun commentaire: