mardi 26 juillet 2011

Inona no vaovao ?

Ka inona tokoa ranona no vaovao a ? Moa tsy toa izany tokoa no ifanatsafan’ny besinimaro rehefa tafahaona ? Na koa hoe inona no malaza ? Na tsotra indray no sady mahafinaritra, ny hoe manao ahoana ianona izay (olona tsaroana io an) ? Dia maresaka ny tsirairay, mba mifampizara izay mahasoa tokoa !

Ny olona liam-baovao hono liam-pandrosoana manko. Hay moa ? Tandremo ihany ny fifantenana ny loharanom-baovao, mba izay tena mahasoa tokoa no ifampizarana. Ny antony dia izao : ankehitriny, dia maro ireo gazety, maro tsy tambo isaina koa ireo haino aman-jery (radio sy televiziona) eto Madagasikara, ary manginy fotsiny ny hita amin’ny Internet na Aterineto hoy ny tanora hihihi




Saina tony izany, raha ny hevitro, no tsara entina eo am-pamakiana na fijerena na fihainoana ireo vaovao isan-karazany voizin’ireo fampahalalam-baovao samihafa ireo. Mampihorin-koditra indraindray ny entin’izy ireo, eny mba tsy ilazana fa maharikoriko mihitsy aza ! Ka izany no zava-misy hoy ny sasany, efa mikoroso fahana ny fiaraha-monina hoy indray ny aroa…

An-an-an, anjarantsika no mifantina hoy aho teo. Satria izay voizintsika no mahazo laka ! . Maro tokoa ny hadalana rentsika isan’andro vaky izao, aoka tsy isika no ampitombo izany amin’ny fitantarana azy etsy sy eroa. Fantatry ny Ntaolo ange izany e ! Ny atao, hoy izy ireo, toy ny salaka : ratsy atao mihodidina, soa atao mihodidina. Ny teny toy ny atody, raha foy manan’elatra, hoy hatrany ny oha –pitenenana


Teny iray ao anatin’ny Baiboly, ohabolan’i Solomona no tsaroako amin’izany rehetra izany, ary dia nahalokilokin’ny hehy ahy ilay izy fa tsy azo atao ny mandainga. Hoy indrindra izany ohabolana izany hoe  : "Na hototoinao ao an-daona aza ny adala, tahaka ny fitoto vary amin’ny fanoto, tsy hisaraka aminy ny hadalany tsy akory". hihihi

Alao hery àry e, dia samia ho tahian’Andriamanitra ao anatin’ny fahendrena isika mianakavy an ! Mazotoa mihaino ny vaovao tsara  ! Izay mahasoa ny tenanao katsahana, dia ho soa manodidina anao foana izany….

Aucun commentaire: