dimanche 24 juillet 2011

Zavaboarin’Andriamanitra ve ?

Eny, samy zavaboarin’Andriamanitra avokoa isika sy ny tontolo misy antsika : ny tany, ny lanitra, ny masoandro sy ireo kintana samihafa, ny planeta maro eto amin’ny habakabaky ny lanitra, ny ranomasina sy ny ranomamy, ireo biby aman-java- maniry rehetra… Asa tanan’Andriamanitra daholo ireo.




Hany ka rehefa mahay mankasitraka ireo isika, rehefa mahatsiaro ny hakantony, dia efa naman’ny midera ny Tompo.

Enga anie ka samy hahatsiaro ny Tompo isan’andro isika, eo anatrehan’ny halehiben’ny Fitiavany antsika. Rehefa nandinika ny zava-misy eto ambanin’ny masoandro aho manko, fitenin’i Solomona mpanjaka io, dia tsikaritro fa tena Ray sy Reny mpiahy tokoa ny Tompo Andriamanitra.

Moa va tsy napetrany avokoa ny zava – drehetra vao noariany isika olombelona ? Efa nisy ny tany sy ireo vokatra samihafa, ny havoana, ny rano, eny, efa ary ireo vao nisy ny olombelona. Efa feno ireo fepetra nahafahan’ny olona nivelona teto an-tany, satria Andriamanitra mandrindra ny asany. Ary tiany isika.

Isika olombelona rahateo, rehefa hanan-janaka, manomana ireo rehetra hitsenana ny vahiny kely (ntsooo) : omanina ny fandriany, ny lambany, ny fitafiany, sy izay rehetra ahafahana mamelona azy e ! Am-pitiavana avokoa no anaovantsika izany, na ho Dimby no ho avy eo na ho Fara !


Indro, ifampizarana etoana, raha sitrakareo, vavaka tsotra kely iray.

VAVAKY NY ZANAKO ISAKY NY ALAHADY HARIVA  :

Andriamanitra ô,

Misaotra Anao izahay nomenao ity andro ity,

Ary misaotra Anao koa tamin’ny zava-bitanay mandritra iny herinandro lasa iny.

Apetrakay eo am-pelatananao manontolo ny ataonay amin’ity herinandro vaovao ity, Tompo ô.

Dia tahio ny havanay, tahio ny torimasonay.

Mifona aminao izahay amin’ny teny, ny fihetsika, sy ny eritreritra nataonay ka tsy mifanaraka amin’ny sitraponao.

Ampianaro izahay ahalala ny sitraponao.

Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy,

Amen !

Aucun commentaire: