mercredi 9 novembre 2011

Sakafo manampy ny fitadidiana

Misy tokoa ve ny sakafo tena mampavitrika ny fitadidiana ? 

Efa noresahintsika TETO ny ambangovangony amin’ny tokony hampiasan’ny olombelona hatrany ny saina (na ny atidoha). 

Ny lafiny fitadidiana, izay ilaina amin’ny fiainana andavanandro, ary indrindra koa mandritra ny fotoam-pianarana no tiana hamafisina anio.

Ireo izao vary sy laoka (trondro nahandro gasy,slurp !) miampy ro legioma sy lasary laisoa !
Mafilotra sady mahasalama an, mmhhh

Toy ny taova rehetra amin’ny vatan’ny olombelona, dia ampiasaina ny atidoha, omena sakafo sahaza azy, ary koa mba miala sasatra. Tsy misaraka amin’ny ataontsika andavanandro izany.

Ireo mpandinika any an-dafin’ny Riaka dia manamafy ny tombony entin’ny otrikaina amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Anisan’ny mahasoa ny fitadidiana koa ireo, ary azontsika avy amin’ny sakafo, na dia atao hoe misy koa indraindray ny fanafody sasany manampy tosika an’izany.

Mila otrikaina, sira mineraly sy tanjaka

Mahagaga an ! " 15 minéraux et oligo-éléments, 8 acides aminés, 13 vitamines et 4 acides gras" no ilain’ny atidoha hoy ny mpandinika (ATO no loharanon-kevitra)

Mba ahatomombana izany dia mila torimaso ampy tsara, sakafo, fanatanjahan-tena ny olombelona.

Legioma maro no eto amintsika ! 

Sakafo ara-dalàna hohanina

Inona moa no tiana ambara ? Mila sakafo ny vatana sy saina, mazava izany. Vary sy laoka, ho antsika Malagasy, dia heverina hoe ampy. Tsia, fa ampio voankazo sy legioma. Soa fa maro karazany ireo eto amintsika an !
  
Ny trondro, dia malaza ery hoe manampy fitadidiana noho ny phosphore ao anatiny. Tsy dia mitombina intsony izany hoy ny mpandinika. Kanefa azo ilaofana hatrany ny trondro noho ny tsirony sy ireo Omega 3 sy Omega 6 ao anatiny e ! Ireo trondron-dranomasina misy menaka no tsara hohanina hoy ny mpahay raha. Ohatra amin’izany ny sardines na ny anchois (miam miam !)

Izao no salady katsaka (maïs doux)
Fanampiny, mahereza mihinana sakafo hafa ahitana ny Vitamine B (mampavitrika ny atidoha io !), toy ny soja(eny tokoa !), ny laisoa isan-karazany (chou – fleur, brocolis). Mihinàna koa ati-kena, hen’omby, ao koa ireo vokatry ny jono tahaka ny makamba (miam !), 

Tsarovy foana koa ny soa azo avy amin’ny ronono sy ireo vokatra azo avy aminy (produits laitiers) tahaka ny yaourts, fromages, dibera, sns.

Hano koa ny papaye fa vokatra be ankehitriny ;-)
Tsy adino ny chocolat, ananantsika io ! Singa maro ao anatiny no mampavitrika ny atidoha : izany théobromine izany, caféine ary phényléthylamine, mpanaitaitra ny fisainana ka manamafy ny fifantohan’ny saina (attention et concentration).


Izay ary no ela fa mazotoa an ! Mirary soa ho anao hatrany :-)


Aucun commentaire: