vendredi 11 novembre 2011

Zavaboarin'Andriamanitra tokoa

Mahavariana, mahatalanjona, eny mahafinaritra ireo biby sy zavamananaina namantsika :-D

Jereo ange ny hakanton’ny jacarandas mamelana e !



Indro izao lolo be tetika : mitodika miankavanana (ambany) ny lohany eto kanefa toa mitodika miankavia no fijery azy !


Toy izao no endriny rehefa somary mamelatra ny elany, ery ankavia indray ny lohany an ! 



Ity maritaina ity indray dia nitsambikimbikina tao anaty ahitra : hay misambo-balala ! hihihi Nataony telimoka dia iny izy no nisidina ! andray !



Fa ireto fangaraka (sa takola-panenitra ?) koa no mahita hevitra manorina akany mitsingilahila ! Mahagaga an !




Izay indray ny androany. Tsetsatsetsa tsy aritra mikasika ny hakanton’ny zavaboarin’Andriamanitra





Samia soa, samia tsara !
  

Aucun commentaire: