vendredi 6 janvier 2012

Torimaso mahasalama hoe

Efa miverina amin’ny andavan’androny sahady ny ankamaroan’ny olona amin’izao.

Ny tiana ambara dia ny fiverenan’ny mpiasa any am-piasana, sy ny fiverenan’ny mpianatra any am-pianarana.

 Efa mirotsaka ny orana eto Iarivo....

Adinoko tokoa fa efa nirotsaka ny orana teto Antananarivo, nanomboka ny ….asabotsy 31 desambra 2011 ! Dia niaraka tamin’izany ny petsapetsa mahazatra, ny faritra iva dibo-drano, toa an’Andravoahangy ohatra (etsy amin’ny sary), na ny eny amin’ny firaisana faha-enina ka hatrany avaradrano.

Tsetsatsetsa tsy aritra moa izay, fa ny torimaso no vontoatin-dresaka anio :-)

Marihina fa ny tranonkala Santé Nature Innovation no nanovozana ny loharanon-kevitra

Mahasalama ny torimaso ampy tsara

Natao hatory, tahaka ny zavaboary rehetra, isika olombelona. Fotoana fialan-tsasatry ny nofo aman-drà izany, fotoana fanintsanana ny havizanana rehetra nandritra ny andro manontolo. 

Rehefa matory isika, dia mamerina amin’ny laoniny ny hery rehetra ao aminy ny vatantsika : maso, sofina, fo, havokavoka, aty, ambavafo, sns….. Mahasalama tokoa izany an, ary ny fikarohan’ny mpahay siansa moa dia efa lasa lavitra mihitsy amin’io sehatra iray io, dia ny torimaso izany, sy ireo fahasoavana betsaka be entiny.

Tsy matory toa antsika io saintsika io, hoy ireo manam-pahaizana ireo. Mandritra ny torimasontsika no mamerina sy mandamina ary mandrindra ny fitadidiana ny atidohantsika. Andray ! Mahagaga izany an !

Ankoatr’izay dia tokony hatory eo anelanelan’ny adin’ny enina ka hatramin’ny valo ora isan’andro ny olona iray (adulte). Izany no fe-potoana heverina ho ampy hampiverina tsara ny heriny, hiatrehana andro vaovao am-pahavitrihana.

Rehefa tsara torimaso koa ny olona iray, dia mazava fa mahavita tsara ny asany rehetra.

Mahasoa koa, araka ny fikarohana, ny fiatoana kely amin’ny atoandro na ny "sieste" na koa lasiesta. Noho ireo soa entin’ny torimaso ireo. Fotoana fohy ihany io an, eo amin’ny 15 minitra ka hatramin’ny 30 minitra raha be indrindra dia ampy hiatrehana ny tolakandro indray.

Inona no mitranga raha tsy ampy torimaso ?

Manahirana io, satria mitarika harerahana mikiky tsikelikely ny fahasalamana izany. Na ny fifantohan’ny saina (concentration) na ny fahavitrihana (saina, vatana) dia mihena avokoa.

Tsy tsara koa, araka izany, ny fiaretan-tory misesy loatra. Mihena ny fitadidiana, ary tsy mahavita tsara ny asany na ny saina na ny vatana. Taratasy tsotra tokony hosoratana ohatra, dia toa sarotra rafetina ery. Na koa, ny fandalinana tahirin-kevitra dia manjary kitoatoa.

Manginy fotsiny raha fivoriana sarotra no atrehina raha tsy ampy torimaso, mety tsy ho vita araka ny tokony ho izy ny fifandinihana….

Mihazakaza-dava ny fiainana eto an-drenivohitra

Mahazo matory ve any am-piasana ?

Eto Antananarivo moa dia efa saiky manao "journée continue" na miasa mitohy tontolon’andro ny ankamaroan’ny toeram-piasana. Miditra amin’ny 8 ora maraina ohatra dia mirava amin’ny 5 ora hariva, adin’iray fisakafoanana eo amin’ny 12 ora-1 ora tolakandro.

Izany no mahatonga antsika hanontany raha mahazo matory ny mpiasa eny amin’ny toeram-piasany. Toa mampihomehy ilay hevitra ô ?

Kanefa an, any an-dafin’ny Riaka, noho ireo soa be dia be voalaza momba ny torimaso ampy tsara, na koa ny lasiesta, dia efa voahevitra tokoa ny fatoriana any am-piasana !

Orinasa goavana be tahaka ny Google any Etazonia, ry Cisco Systems, Procter & Gamble, ohatra, dia efa nametraka fitaovana manokana ahazoan’ireo mpiasany matory ao am-piasany ! Seza malemilemy tsara an, misy sarony tsy andrenesana tabataba intsony ary tsy tanteraky ny hazavana, ary ahazoana mitsotra tsara toa ao anaty fandriana.

Mahazo matory ny mpiasany, mba havitrika kokoa rehefa vita ny tasiestany hihihi

Afaka mandalina izany rehetra izany ao amin’ny tranonkalan’i Santé Nature Innovation ianao.


Dia mazotoa ary amin’izay atao rehetra an ! Mirary soa ho anao :-)


2 commentaires:

Anonyme a dit…

Hello,

Fossa b. se produira se vendredi 25 mai à Genève !
Lieu : Le Box, Carouge, Genève (www.lebox.ch)
Date : 25 mai 2012
Heure : Dès 21h

A très bientôt
Alain

Anonyme a dit…

Hello,

Fossa b. se produira se vendredi 25 mai à Genève !
Lieu : Le Box, Carouge, Genève (www.lebox.ch)
Date : 25 mai 2012
Heure : Dès 21h
D'origine genevoise, Fossa b. est à l'image de sa ville: multiculturel! Que ce soit de par les origines de ses membres ou de par sa musique, le groupe surf entre jazz, funk, rock et même ethno dans une ambiance électro envoutante. Des arrangements simples mais efficaces, un groove tout en finesse ponctué par un sax enivrant et une guitare qui vous éveille les sens …Fossa b !