samedi 24 décembre 2011

Sakafo andro fety ve ?

Anisan’ny mahasomebiseby ny mpianakavy ny sakafo hanamarihana fety. Ntsoooo… :-)

Eny tokoa an, maro no azo isafidianana raha fomba anamarihana lanonana, na andro malaza, kanefa tsy misaraka amin’ny zanak’olombelona ny fihinanan-kanina hihihi
Henakisoa rôti izany rey olona  

Amin’izao ankatoky ny Krismasy sy Taombaovao izao dia somokotra ery ny tsirairay, te-hanatsara ny andavan’androny amin’ny alalan’ny sakafo miavaka ! Ndryyy, mahafinaritra ô ?

Ho an’izay afaka manao izany dia inoana fa ho tonga eo ambony latabatra ny haim-py rehetra, hanim-pitoloha hoe no fanaontsika Malagasy.


Ho an’ny ankamaroan’ny olona eto Madagasikara anefa, dia mety tsy hisy akory izany, noho ny fahasahiranan’ny ankohonana maro. Samia isika mahatsiaro azy ireo an !




Lava be izany safariny izany, miala tsiny ! Indreto ary santionan-tsakafo mety hahafinaritra amin’izao fety izao, na Krismasy na Taombaovao.

   
Vary sy laoka dia inona koa ?
 
Ny Malagasy ho’aho tsy misaraka amin’ny vary sy laoka hihihi Vary maina (na fotsy na mena, kanefa mena no mahasalama sy matsiro an) miampy karazan-daoka tsy lany ho tanisaina.

Ao ny manjifa vorona, izany hoe gisa, na vorontsiloza, tena fy hono ireo raha tsara nahandro, ritra tsara. Dray dray dray !

Ao ny mbola mampifangaro izany amin’ny henakisoa matavy, ka tsy mifankahita mihitsy ny mpiara-mihinana hono hihihi



Fa ny hen’omby ritra koa tsy adino an ! Laoka tena malagasy koa io, indrindra fa ampiarahana amin’ny ro matsatso (anana + rano) sy lasary voatabia, ayayayyy ! Aza adinoina ny sakay an !



Torohevitra miharo somonga izao, kanefa tsarovy koa fa mahasalama ny legioma sy voankazo, ka aza misaraka amin’izany, na inona na inona sakafo mafilotra karakaraina an !




Legioma sy voankazo

Vokatra avokoa ankehitriny ny voankazo tahaka ny manga, ledchi (toa izay no fanononana azy na dia litchi aza no anoratana azy hihihi), paiso maro beeeee. Tsy adino ny akondro mandavan-taona. Misy koa ny papaye an, dia mahatazana mananasy koa aho any an-tsena.

Afaka anamboarana salade de fruits na koa ranom-boankazo tsotra izao ireo an. Na hohanina amin’izao fotsiny koa !

 


Momba ny legioma dia tsy toko tsy forohana ireo fomba azo anamboarana azy. 

Atao macédoine ohatra, na asiana vinaigrette tsotra fotsiny. Karôty, laisoa, poireau, chou-fleur,  céleri, ovy, ohatra, dia ao koa ireo poivrons, baranjely, courgettes, sôsety (tena vokatra tokoa ireo amin’izao miam !)




Inona no sotroina ?

Arakaraka ny safidin’ny mpianakavy indray raha ny zava-pisotro. Maro ireo ranom-boankazo voajanahary (jus naturel) hamidy amina tavoahangy, kanefa misy koa mety mitady divay, ohatra, na irony whisky irony.

Tahaka ny sakafo dia arakaraka ny hoenti-manana io e !

Fa ny hafalian’ny mpianakavy tafahaona no zava-dehibe. Ny fifankatiavana no tena antony manambatra ny mpiray latabatra.



Saika hadinoko : mahazo mihinana mofomamy koa rehefa fety hihihi Atao tsindrintsakafo io, ary afaka ampiarahana amina dite na kafe, na thé-cao (chocolat chaud no izy re hihihi). Amin’ny taombaovao na lanonana tahaka ny mariazy goavana dia champagne no miaraka amin’ny datô hihihi


Izay no ela fa samia manao fety finaritra, omban’ny fitahian’Andriamanitra. Mifankatiava an ! :-D


Aucun commentaire: