Fiteny mampihomehy io, kanefa dia marina loatra amin’izao ankatoky ny fety izao !
Inoana fa eran-tany, isaky ny tanan-dehibe toy ny eto Antananarivo dia somebiseby miantsena ny ankamaroan’ny olona amin’izao vanim-potoana izao.
Tsy dia hoe manan-katao avokoa akory, fa ao no voatery mandeha any afovoan-tanàna, ao no manantena mba hahalafo entana kely, sitrany hahay ! Ao koa indrisy, ireo tonta kely, mpangarom-paosy sy ny karazany, koa samia mailo e !
![]() |
Amin’ny arabe no alehan’ny olona |
Mandravaka ny tsenany ny mpivarotra. Eny, mampihaingo ny "vitrine" ny ankamaroan’ny fivarotana ("pharmacie, grande surface, épicerie") na toerana ifamezivezen’ny olona (banky, hotely, sns). Mifampirary sahady Krismasy Sambatra sy Taombaovao mahasoa e !
![]() |
Mikatso ny fandehanan’ny fiara |
Izany Analakely izany aloha dia e ! e ! e ! Aleo andosirana raha tsy hoe lalana tsy azo anoharana. Hatraiza hatraiza dia mitohana ny fandehanan’ny fiara. Ny ao Behoririka sy Soarano no antony. Mahagaga an ! Dia olona fotsiny hoa eny amin’ny arabe !
![]() |
Ny mpivarotra amin’ny "trottoir", ny mpividy amin’ny arabe… |
Tsy ireo fanomezana fotsiny anefa no mampitombo ny isan’ny olona, toy ny hoe kiraro, fitafiana, kilalao. Fa ao dia ao koa ireo mpivarotra hani-masaka, dia eny am-pijorojoroana eny indraindray ny olona no misakafo. Oadray ! Mba mahita tsiron-kanina va amin’izany ?
Raha izaho manokana an, dia sitrako tokoa ny filaminana aty ambanivohitra hihihi.
Mirary fety sambatra ho anao, na izany aza. Samia mahita ny sahaza azy rey olona ô ! :-)
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire