lundi 19 décembre 2011

Laoka matsiro : ravitoto sy henakisoa

Tsy hita izy ity fa, ny kibo tsy mba lamosina, ny tsinay tsy mba vatsy hihihi

Hiresaka sakafo indray isika anio, ary sakafo tena Malagasy, dia ravitoto sy henakisoa. Mampilela-molotra ;-)

Vary sy laoka tena Malagasy mmhhh

Ho an’ny olona 4 ireo fatra atoro manaraka ireto, fa azonao ampitomboana araka ny isan’ny mpiara-misakafo.

Zavatra ilaina
Toy izao ny famarana ravitoto

Henakisoa matavy 250 gr

Menaka (voanjo na soja) 1 sotro

Ravitoto 500 gr hatramin’ny 1 kilao

Tongolo gasy 5 hasina

Sira

Siramamy 1 sotro kely



Fomba fahandro (amin’ny cocotte minute)



Endakendaso ho manitra tsara ny henakisoa (efa voasasa sy voasilatsilaka an hihihi). Ilay menaka avy amin’ny taviny ihany dia ampy anendasana azy, kanefa azonao ampiana menaka hafa (voanjo na soja), kely fotsiny an. Asio sira.


Rehefa mendy tsara dia arotsahy ny ravitoto, ary endaso miaraka. Ataovy afo malefaka an. Arotsahy ny tongolo gasy mba hampamanitra azy tsara. Asio rano mitovy haavo aminy, dia akatony amin’izay ny cocotte minute. Aza adino ny manampy sira, sy siramamy kely.

Andrahoy eo amin’ny 20 minitra hatramin’ny 30 minitra eo ho eo, ny laokanao.

Raha mbola mafimafy ny hena, dia aleo hiketrika kely eo ambony fatana, amin’ny afo mahery no tsy misarona. Amin’izay koa ritina tsara raha sendra mbola misy rano. Tsy mahasalama ny henakisoa misy rano na rony an.

Toy izao ny laoka rehefa 
masaka, mandimandina ery !  


Aroso miaraka amina vary maina (na fotsy na mena an) mafana tsara ny henakisoa sy ravitoto, mafana tsara koa. Mmhhhh. Ho fanampin’ny vary sy laoka, dia afaka manamboatra rougail tomates ianao (miam miam miam) na koa concombre voakiky (miam koa an !). Na manamboara ro matsatso kely (rano + anana tsy asiana sira).


Mazotoa mampiasa ny vinaigre de cidre anatin’ny vinaigrette nao an. Sady tohana mahasoa amin’ny fahasalamana ankapobeny no manatsara ny fandevonan-kanina koa io manko.


Malaza ho mampatory manko r’ireto ity laoka ravitoto sy henakisoa ity, asa raha hoe saro-devonina ? Sakafo mendrika ny andro fialan-tsasatra izany izy io. Fa dia mahavoky an !


Ny mpankafy divay dia mety hisafidy divay fotsy hampiarahana amin’ity laoka ity.

Farany, azo atao koa ny mampiasa voanio voakiky ho fangaron’ny ravitoto, na koa irony rononom-boanio efa hajifa amina boaty ireny. Amin’izay fotoana izay, tsy atao matavy loatra intsony ny hena an.


Mazotoa homana indray ary e ! Soava, tsarà ô… Eny, mirary soa ho anao hatrany an ! :-)


Aucun commentaire: