lundi 29 août 2011

Fa maninona ny vinaigre de cidre


Inona tokoa moa no mampiavaka ny vinaigre de cidre amin’ny vinaingitra hafa ?

Amin’ny lokony aloha dia mampahatsiahy avy hatrany ireny jus de pomme ireny ny vinaigre de cidre. Somary miloko antitra manko izy miohatra amin’ny vinaingitra fotsy hitantsika any an-tsena. Manitra rahateo ny vinaigre de cidre, ary mafilotra ny tsirony.

Rariny loatra izany rehetra izany, satria avy amin’ny cidre, araka izany anarany izany no anamboarana io vinaingitra hafa kely io. Ny cidre indray an, dia avy amin’ny paoma hihihi. Voankazo mahasalama tokoa raha ny paoma an.

Ankoatra ireo endriny ivelany ireo, ny vinaigre de cidre dia ahitana calcium, soufre, fer, silicium, bore, phosphore, magnésium, acides essentielles sy pectine, izany hoe itony singa bitika ilain’ny vatan’ny olombelona amin’ny fahasalamana.

Azo ampiasaina tahaka ny vinaingitra hafa ny vinaigre de cidre, izany hoe anamboarana vinaigrette izany. Kanefa ny fandinihan’ny manam-pahaizana dia nahitany fa azo atao fanafody koa izy io. Maro dia maro ny fahasoavana avy amin’ny vinaigre de cidre ka sasantsasany ihany no hambara eto.

Ireto avy ary no santionany amin’ny soa azo avy amin’ny vinaigre de cidre :
Rehefa hohanina izy dia :

Manampy amin’ny fandevonan-kanina, indrindra eo amin’ny asan’ny tsinay
Manafaka ny aretin-tenda
Azo ampiasaina tsara ho fanasitranana gripa sy sery
Mandevona ny cellulite
Miaro amin’ny ostéoporose
Manatsara ny fikorianan’ny rà
Miaro ny fipoiran’ny lavaka amin’ny nify
Manamafy ny hoho…..

Ampiasaina ivelany indray izy ho fanatsarana ny volo, sady manala angadrano. Ny vinaigre de cidre koa dia fanafody amin’ny kaikitry ny bibikely (toy ny kaikitra moka ohatra), sady mahatsara ny hoditra.

Ohatra iray amin’ny fanesorana tache pigmentaire (tasy amin’ny hoditra) :
Poretina ny tongolo oignon ka eran’ny sotro kely no afangaro amin’ny vinaigre de cidre 2 sotro kely. Io fangaro io no atentina amin’ny tasy. Mampiasà lamba na vovo madio tsara. Afaka herinandro vitsivitsy dia tokony ho afaka ireo pentina ireo.

Ho fanatsarana ny volo
Rehefa avy manasa loha, dia kobanina amin’ny rano mafana mitapoka vinaigre de cidre ny volo. Eto indray ny fatra dia rano 2 kopy no asiana vinaigre de cidre antsasa-kopy.

Somary lafo vidy ihany ny vinaigre de cidre eto amintsika miohatra amin’ny vinaingitra hafa. Kanefa dia mahasoa tokoa an !

Fanazavana fanampiny : Terre de femme


Aucun commentaire: