samedi 3 septembre 2011

Rôkarôka ihany, rôkarôka hatrany


Mahafinaritra mihitsy itony hairaha manara-penitra itony an !

Faly sy ravo tokoa ny tena anianika izao, afaka miserasera sy mandre mozika Rôkarôka amin’ny alalan’ny aterineto ntsôôô…

Anisan’ny hira nianarako “a cappella / respiration / concentration” manko io hiran’i Vahômbey io, tamin’izany andro izany. Tsy vitan”ny tsy ampy “souffle” manko ny mihira azy an hihihi (dray manao “vary amin’akotry” indray aho marina)

Afaka henoina ATO avokoa ireo hiran’i Vahömbey ireo : Mpanazary, iKAKY, Rôkarôka, Si, Ondaty, sy ny hafa mahafinaritra sady mampisaintsaina

Mitondra vaovao ho antsika hatrany i Vahömbey (Sary FAnambinana MAdagasikara)
Ankoatra izany, mifampizara ny manta sy ny masaka amintsika koa Vahömbey an ! Ny FAnambinana MAdagasikara (FAMA) no sehatra ahafahantsika manovo hevi-dalina momba ny trangam-piainana maro. Salanitra ô ! BEzoro eee !

Samia tsara ary an. 

Ankafizo ny hira fa sady fialamboly no fampitàna hafatra. Serasera avokoa izany :-)

Aucun commentaire: